<-
->

Sal 118:1 O give thanks unto the Lord; for he is good: because his mercy endureth for ever. Miderà an' i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. (Raha vao miainga ny fivavahana mandeha) Miderà an' ny Tompo, fa tsara fo izy, fa mandrakizay ny famindram-pony! Alleluia! Rendez grâce à Yahvé, car il est bon, car éternel est son amour!
Sal 118:2 Let Israel now say, that his mercy endureth for ever. Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. Aoka Israely hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony! Qu' elle le dise, la maison d' Israël éternel est son amour!
Sal 118:3 Let the house of Aaron now say, that his mercy endureth for ever. Aoka ny taranak' i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. Aoka ny taranak' i Aarona hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony! Qu' elle le dise, la maison d' Aaron éternel est son amour!
Sal 118:4 Let them now that fear the Lord say, that his mercy endureth for ever. Aoka izay matahotra an' i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. Aoka izay matahotra an' ny Tompo hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony! Qu' ils le disent, ceux qui craignent Yahvé éternel est son amour!
Sal 118:5 I called upon the Lord in distress: the Lord answered me, and set me in a large place. Tao an-katerena no niantsoako an' i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. (Eny am-pandehanana) Niantso an' ny Tompo, tao anatin' ny fahoriako aho; ary namaly ahy Iaveh, ka nampahalalaka ahy. De mon angoisse, j' ai crié vers Yahvé, il m' exauça, me mit au large.
Sal 118:6 The Lord is on my side; I will not fear: what can man do unto me? Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon' ny olona atao amiko? Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona? Yahvé est pour moi, plus de crainte, que me fait l' homme, à moi?
Sal 118:7 The Lord taketh my part with them that help me: therefore shall I see my desire upon them that hate me. Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin' izay mankahala ahy. Iaveh no miandany amiko, eo amin' izay mamonjy ahy, dia hahita ny faharavan' ireo mankahala ahy aho. Yahvé est pour moi, mon aide entre tous, j' ai toisé mes ennemis.
Sal 118:8 It is better to trust in the Lord than to put confidence in man. Tsara ny mialoka amin' i Jehovah Noho ny mialoka amin' ny olona. Aleo mitady fialofana amin' ny Tompo, toy izay mitoky amin' olombelona. Mieux vaut s' abriter en Yahvé que se fier en l' homme;
Sal 118:9 It is better to trust in the Lord than to put confidence in princes. Tsara ny matoky an' i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka. Aleo mitady fialofana amin' ny Tompo, toy izay mitoky amin' ny mpanapaka. mieux vaut s' abriter en Yahvé que se fier aux puissants.
Sal 118:10 All nations compassed me about: but in the name of the Lord will I destroy them. Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran' i Jehovah no handringanako azy tokoa; Ny firenena rehetra nitangorona tamiko; izaho kosa mandripaka azy, amin' ny anaran' ny Tompo. Les païens m' ont tous entouré, au nom de Yahvé je les sabre;
Sal 118:11 They compassed me about; yea, they compassed me about: but in the name of the Lord I will destroy them. Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran' i Jehovah no handringanako azy tokoa. Izy ireo nitangorona tamiko sy nanarona ahy, izaho kosa mandripaka azy, amin' ny anaran' ny Tompo. ils m' ont entouré, enserré, au nom de Yahvé je les sabre;
Sal 118:12 They compassed me about like bees: they are quenched as the fire of thorns: for in the name of the Lord I will destroy them. Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran' i Jehovah no handringanako azy tokoa. Nitangorona tamiko tahaka ny renitantely izy ireo; nefa maty toy ny afon-tsilo: izaho kosa mandripaka azy amin' ny anaran' ny Tompo. ils m' ont entouré comme des guêpes, ils ont flambé comme feu de ronces, au nom de Yahvé je les sabre.
Sal 118:13 Thou hast thrust sore at me that I might fall: but the Lord helped me. Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy. Hianao nandronjina ahy mafy handavo ahy, fa Iaveh kosa namonjy ahy. On m' a poussé, poussé pour m' abattre, mais Yahvé me vient en aide;
Sal 118:14 The Lord is my strength and song, and is become my salvation. Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy. Iaveh no heriko sy fihirako; izy no famonjena ahy. ma force et mon chant, c' est Yahvé, il fut pour moi le salut.
Sal 118:15 The voice of rejoicing and salvation is in the tabernacles of the righteous: the right hand of the Lord doeth valiantly. Ao an-dain' ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan' i Jehovah mampiseho hery; Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain' ny marina. Fa naneho ny heriny ny tànana ankavanan' ny Tompo, Clameurs de joie et de salut sous les tentes des justes "La droite de Yahvé a fait prouesse,
Sal 118:16 The right hand of the Lord is exalted: the right hand of the Lord doeth valiantly. Ny tanana ankavanan' i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan' i Jehovah mampiseho hery. nisandratra ny tànana ankavanan' ny Tompo, naneho ny heriny ny tànana ankavanan' ny Tompo. la droite de Yahvé a le dessus, la droite de Yahvé a fait prouesse!"
Sal 118:17 I shall not die, but live, and declare the works of the Lord. Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan' i Jehovah. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan' ny Tompo. Non, je ne mourrai pas, je vivrai et publierai les oeuvres de Yahvé;
Sal 118:18 The Lord hath chastened me sore: but he hath not given me over unto death. Nofaizan' i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin' ny fahafatesana. Nofaizin' ny Tompo mafy aho, nefa tsy natolony ho amin' ny fahafatesana. il m' a châtié et châtié, Yahvé, à la mort il ne m' a pas livré.
Sal 118:19 Open to me the gates of righteousness: I will go into them, and I will praise the Lord: Vohay ny vavahadin' ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an' i Jehovah. Amohay ny vavahadin' ny fahamarinana aho, mba hidirako, sy hiderako an' ny Tompo. Ouvrez-moi les portes de justice, j' entrerai, je rendrai grâce à Yahvé!
Sal 118:20 This gate of the Lord, into which the righteous shall enter. Ity no vavahadin' i Jehovah; Ny marina no hiditra eo. (Ny mpisorona) Ity no vavahadin' ny Tompo, ny marina no mahazo miditra eo. C' est ici la porte de Yahvé, les justes entreront.
Sal 118:21 I will praise thee: for thou hast heard me, and art become my salvation. Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy. (Ny filohan' ny vahoaka) Hankalaza anao aho fa namaly vavaka ahy hianao, ka efa famonjena ahy hianao. Je te rends grâce, car tu m' as exaucé, tu fus pour moi le salut.
Sal 118:22 The stone which the builders refused is become the head stone of the corner. Ny vato izay nolavin' ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra. Ny vato narian' ny mpanorina, dia tonga vato fehizoro. La pierre qu' ont rejetée les bâtisseurs est devenue la tête de l' angle;
Sal 118:23 This is the Lord' s doing; it is marvellous in our eyes. Avy tamin' i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika. (Ny mpisorona) Asa vitan' ny Tompo izany, ka zava-mahagaga eo imasontsika. c' est là l' oeuvre de Yahvé, ce fut merveille à nos yeux.
Sal 118:24 This is the day which the Lord hath made; we will rejoice and be glad in it. Ity no andro nataon' i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin' izao isika. (Ny vahoaka miditra) Ity no andro nataon' ny Tompo, mifalia sy miravoravoa isika. Voici le jour que fit Yahvé, pour nous allégresse et joie.
Sal 118:25 Save now, I beseech thee, O Lord: O Lord, I beseech thee, send now prosperity. Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! Ry Iaveh ô, omeo ny famonjena! Ry Iaveh ô, omeo ny fanambinana! De grâce, Yahvé, donne le salut! De grâce, Yahvé, donne la victoire!
Sal 118:26 Blessed be he that cometh in the name of the Lord: we have blessed you out of the house of the Lord. Hotahina anie izay avy amin' ny anaran' i Jehovah; Avy ao an-tranon' i Jehovah no itsofanay rano anareo. (Ny mpisorona miteny amin' ny mpitarika) Isaorana anie ilay avy amin' ny anaran' ny Tompo! Mitso-drano anareo, avy ao an-tranon' ny Tompo izahay! Béni soit au nom de Yahvé celui qui vient! Nous vous bénissons de la maison de Yahvé.
Sal 118:27 God is the Lord, which hath shewed us light: bind the sacrifice with cords, even unto the horns of the altar. Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin' ny tandroky ny alitara aza. Andriamanitra Iaveh; mampamirapiratra ny fahazavana amintsika izy. Ny mpisorona miteny amin' ny vahoaka - (Ny mpisorona miteny amin' ny vahoaka) Rohizo kofehy ny sorona, hatreo amin' ny tandroky ny otely. Yahvé est Dieu, il nous illumine. Serrez vos cortèges, rameaux en main, jusqu' aux cornes de l' autel.
Sal 118:28 Thou art my God, and I will praise thee: thou art my God, I will exalt thee. Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. (Ny vahoaka) Hianao no Andriamanitro, ka hidera anao aho; Andriamanitro, ka hanandratra anao aho. C' est toi mon Dieu, je te rends grâce, mon Dieu, je t' exalte; je te rends grâce, car tu m' as exaucé, tu fus pour moi le salut.
Sal 118:29 O give thanks unto the Lord; for he is good: for his mercy endureth for ever. Miderà an' i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. (Miaraka daholo) Mankalazà an' ny Tompo fa tsara fo izy, mandrakizay ny famindram-pony! Rendez grâce à Yahvé, car il est bon, car éternel est son amour!

<-
->