<-
->

Si 18:1 Ilay velona mandrakizay, no nahary ny zavatra rehetra tsy ankanavaka. Celui qui vit éternellement a créé tout ensemble.
Si 18:2 Ny Tompo irery no marina. Le Seigneur seul sera proclamé juste.
Si 18:3 Tsy misy olona nataony hahatanisa ny asany. Ary zovy no mahaseho ny halehibeazany?
Si 18:4 Iza no mahalaza ny fahefana tsitoha izay ao amin' ny fiandrianany? Zovy koa no hahavisavisa ny famindram-pony? A personne il n' a donné le pouvoir d' annoncer ses oeuvres et qui découvrira ses merveilles?
Si 18:5 Tsy misy hanalana tsy misy hanampiana, tsy azo takarina ny asa mahagaga ataon' ny Tompo. Qui pourra mesurer la puissance de sa majesté et qui pourra en outre raconter ses miséricordes?
Si 18:6 Rahefa tapitra mikaroka ny olombelona, vao eo amin' ny manomboka ihany; ary nony mijanona izy, tsy hitany izay hoheverina. On n' y peut rien retrancher et rien ajouter, et l' on ne peut découvrir les merveilles du Seigneur.
Si 18:7 Inona koa ny olombelona, ary mahasoa amin' inona izy? Inona no hasambarany, ary inona no lozany? Quand un homme a fini, c' est alors qu' il commence, et quand il s' arrête il est tout déconcerté.
Si 18:8 Ny isan' ny andro iainan' ny olombelona dia zato taona raha betsaka. Qu' est-ce que l' homme? A quoi sert-il? Quel est son bien et quel est son mal?
Si 18:9 Toy ny rano indray mitete nalaina tamin' ny ranomasina sy toy ny vongam-pasika iray, ny isan' ny taonany vitsy, miolotra amin' ny andro mandrakizay. La durée de sa vie : cent ans tout au plus.
Si 18:10 Izany no anton' ny andeferan' ny Tompo amin' ny olombelona, sy androtsahany ny famindram-pony amin' izy ireo. Une goutte d' eau tirée de la mer, un grain de sable, telles sont ces quelques années auprès de l'éternité.
Si 18:11 Hitany sy fantany fa mahonena ny fiafarany, izany no hamelany heloka amin-kalalaham-po. C' est pourquoi le Seigneur use avec eux de patience et répand sur eux sa miséricorde.
Si 18:12 Ny olombelona manao famindram-po amin' ny namany, fa Andriamanitra kosa, manao famindram-po mahazo ny nofo rehetra. Mananatra izy, mamay izy, manoro izy, ary mamerina ho ao am-bala, toy ny mpiandry ondry amin' ny ondriny. Il voit, il sait combien leur fin est misérable, c' est pourquoi il a multiplié son pardon.
Si 18:13 Mamindra fo amin' izay mandray ny famaizana izy, sy amin' izay malaky manatanteraka ny didiny. La pitié de l' homme est pour son prochain, mais la pitié du Seigneur est pour toute chair il reprend, il corrige, il enseigne, il ramène, tel le berger, son troupeau.
Si 18:14 Anaka, aza arahin-datsa ny soa ataonao, na teny mampalahelo ny fanomezanao rehetra. Il a pitié de ceux qui trouvent la discipline et qui cherchent avec zèle ses jugements.
Si 18:15 Moa ny ando tsy mampangatsiatsiaka ny hafanan' ny rivotra? Toy izany koa ny teny soa, mihoatra noho ny fanomezana. Mon fils, n' assaisonne pas de blâme tes bienfaits, ni tous tes cadeaux de paroles chagrines.
Si 18:16 Tsy hitanao va fa tsara mihoatra noho ny fanomezana ny teny? Ny olona mahafinaritra manambatra azy roa ireo. La rosée ne calme-t-elle pas la chaleur? Ainsi la parole vaut mieux que le cadeau.
Si 18:17 Ny adala manao teny maharary, ary ny fanomezan' ny mpialona, mahamaina ny maso. Certes, une parole ne vaut-elle pas mieux qu' un riche présent? Mais l' homme charitable unit les deux.
Si 18:18 Mandiniha, alohan' ny hitenenanao, mitandrema ny fahasalamanao alohan' ny aretina. L' insensé ne donne rien et fait affront, et le don de l' envieux brûle les yeux.
Si 18:19 Mandiniha tsara alohan' ny fitsarana, dia hahazo sitraka hianao amin' ny fotoan' ny famotorana. Avant de parler, instruis-toi, avant d'être malade, soigne-toi.
Si 18:20 Manetre tena alohan' ny hahararianao, ary miverena amin' Andriamanitra, raha tafalatsaka amin' ny ota. Avant le jugement éprouve-toi, au jour de la visite tu seras acquitté.
Si 18:21 Aza mety hosakanan' inona na inona, tsy hanefa ny voadinao amin' ny fotoana mety ary aza miandry ny efa ho faty, vao manefa hianao. Humilie-toi avant de tomber malade, quand tu as péché montre ton repentir.
Si 18:22 Miomana aloha, vao manao voady, fa aza manao toy ny olona maka fanahy an' Andriamanitra. Que rien ne t' empêche d' accomplir un voeu en temps voulu, n' attends pas la mort pour te mettre en règle.
Si 18:23 Mihevera ny fahatezerana, amin' ny andro farany, dia amin' ny fotoana famaliana, hanodinan' Andriamanitra ny tavany. Avant de faire un voeu, prépare-toi et ne sois pas comme un homme qui tente le Seigneur.
Si 18:24 Amin' ny fotoana ananam-be, mihevera ny andron' ny hanoanana. Amin' ny andro ananan-karena, mihevera ny fahantrana amana mosary. Pense à la colère des derniers jours, à l' heure de la vengeance, quand Dieu détourne sa face.
Si 18:25 Miovaova ny fotoana hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva: faingana toy izany ny fiovana rehetra eo anatrehan' Andriamanitra. Quand tu es dans l' abondance songe à la disette, à la pauvreté et à la misère quand tu es riche.
Si 18:26 Ny olon-kendry, mitandrin-tena amin' ny zavatra rehetra; amin' ny andron' ny fahotana izy, miaro tena tsy ho diso. Entre matin et soir le temps s'écoule, tout passe vite devant le Seigneur.
Si 18:27 Rahefa mety ho olona manan-tsaina dia mahalala ny fahendrena; sady manome haja an' izay nahita azy. En toutes choses le sage est sur ses gardes, aux jours de péché il évite l' offense.
Si 18:28 Izay mahafantatra ny lahatenin' ny hendry dia olona hendry koa ny tenany, ka mamafy ny foto-kevitra lavorary. Tout homme sensé reconnaît la sagesse; à qui l' a trouvée il fait son compliment.
Si 18:29 Aza mety ho entin' ny fitsiriritanao, ary fehezo ny fanirianao. Des hommes intelligents et diserts ont cultivé, eux aussi, la sagesse et se sont épanchés en maximes excellentes.
Si 18:30 Raha avelanao hanaram-po amin' ny fitsiriritany ny fanahinao, dia hataony fihomehezan' ny fahavalonao hianao. Ne te laisse pas entraîner par tes passions et refrène tes désirs.
Si 18:31 Aza ataonao foto-kafalianao ny habetsahan' ny hanim-py, ary aza mandraikitra fikambanana amin' izany. Si tu t' accordes la satisfaction de tes appétits, tu fais la risée de tes ennemis.
Si 18:32 Aza mampahantra tena, misambotra hanaovam-pihinanam-be, ary raha tsy misy na inona na inona, amin' ny kitampom-bolanao. Ne te complais pas dans une existence voluptueuse, ne te lie pas à une telle société.
Si 18:33 Ne t' appauvris pas en festoyant avec de l' argent emprunté, quand tu n' as pas un sou en poche.

<-
->