<-
->

Mal / Ma 3:18 Then shall ye return, and discern between the righteous and the wicked, between him that serveth God and him that serveth him not. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian' ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an' Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron' ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin' ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak' omby mifahy; ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin' ny faladianareo izay amin' ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon' ny maro. Tsarovinareo ny lelan' i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin' ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. Indro, Izaho haniraka an' i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron' i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izay hampody ny fon' ny ray ho amin' ny zanaka, ary ny fon' ny zanaka ho amin' ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin' ny fandringanana. Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian' ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an' Andriamanitra sy ny tsy manompo azy. Alors vous verrez la différence entre un juste et un méchant, entre qui sert Dieu et qui ne le sert pas