<-
->

Lio / Lk 21:1 And he looked up, and saw the rich men casting their gifts into the treasury. Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin' ny fandatsahan-drakitra; Ary nanopy ny masony Jeso ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin' ny fandatsahan-drakitra. Levant les yeux, il vit les riches qui mettaient leurs offrandes dans le Trésor.
Lio / Lk 21:2 And he saw also a certain poor widow casting in thither two mites. ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy. Dia nahita mpitondratena mahantra anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa izy, Il vit aussi une veuve indigente qui y mettait deux piécettes,
Lio / Lk 21:3 And he said, Of a truth I say unto you, that this poor widow hath cast in more than they all: Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra. ka nanao hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; et il dit : " Vraiment, je vous le dis, cette veuve qui est pauvre a mis plus qu' eux tous.
Lio / Lk 21:4 For all these have of their abundance cast in unto the offerings of God: but she of her penury hath cast in all the living that she had. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin' ny haben' ny fananany no nandatsahany tao amin' ny rakitra; fa izy kosa tamin' ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany. satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an' Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin' ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany. Car tous ceux-là ont mis de leur superflu dans les offrandes, mais elle, de son dénuement, a mis tout ce qu' elle avait pour vivre. "
Lio / Lk 21:5 And as some spake of the temple, how it was adorned with goodly stones and gifts, he said, Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy: Ary nisy nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra saro-bidy, fa hoy Jeso: Comme certains disaient du Temple qu' il était orné de belles pierres et d' offrandes votives, il dit :
Lio / Lk 21:6 As for these things which ye behold, the days will come, in the which there shall not be left one stone upon another, that shall not be thrown down. Ny amin' ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. " De ce que vous contemplez, viendront des jours où il ne restera pas pierre sur pierre : tout sera jeté bas. "
Lio / Lk 21:7 And they asked him, saying, Master, but when shall these things be? and what sign will there be when these things shall come to pass? Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany? Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany? Ils l' interrogèrent alors en disant : " Maître, quand donc cela aura-t-il lieu, et quel sera le signe que cela est sur le point d' arriver ? "
Lio / Lk 21:8 And he said, Take heed that ye be not deceived: for many shall come in my name, saying, I am Christ; and the time draweth near: go ye not therefore after them. Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin' ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. Ka hoy Jeso hoe: Tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy. Il dit : " Prenez garde de vous laisser abuser, car il en viendra beaucoup sous mon nom, qui diront : "C' est moi ! " et "Le temps est tout proche". N' allez pas à leur suite.
Lio / Lk 21:9 But when ye shall hear of wars and commotions, be not terrified: for these things must first come to pass; but the end is not by and by. Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin' izay ny farany. Ary raha mandre ady sy fikomiana hianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin' izay akory ny farany. Lorsque vous entendrez parler de guerres et de désordres, ne vous effrayez pas ; car il faut que cela arrive d' abord, mais ce ne sera pas de sitôt la fin. "
Lio / Lk 21:10 Then said he unto them, Nation shall rise against nation, and kingdom against kingdom: Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Dia hoy koa izy tamin' izy ireo: Hisy firenena hitsangana hiady amin' ny firenena, sy fanjakana hiady amin' ny fanjakana; Alors il leur disait : " On se dressera nation contre nation et royaume contre royaume.
Lio / Lk 21:11 And great earthquakes shall be in divers places, and famines, and pestilences; and fearful sights and great signs shall there be from heaven. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin' ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra. hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin' ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. Il y aura de grands tremblements de terre et, par endroits, des pestes et des famines ; il y aura aussi des phénomènes terribles et, venant du ciel, de grands signes.
Lio / Lk 21:12 But before all these, they shall lay their hands on you, and persecute you, delivering you up to the synagogues, and into prisons, being brought before kings and rulers for my name' s sake. Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin' ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan' ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. Fa alohan' izany rehetra izany hianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin' ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin' ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny anarako. " Mais, avant tout cela, on portera les mains sur vous, on vous persécutera, on vous livrera aux synagogues et aux prisons, on vous traduira devant des rois et des gouverneurs à cause de mon Nom,
Lio / Lk 21:13 And it shall turn to you for a testimony. Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko hianareo. et cela aboutira pour vous au témoignage.
Lio / Lk 21:14 Settle it therefore in your hearts, not to meditate before what ye shall answer: Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; Mettez-vous donc bien dans l' esprit que vous n' avez pas à préparer d' avance votre défense :
Lio / Lk 21:15 For I will give you a mouth and wisdom, which all your adversaries shall not be able to gainsay nor resist. fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon' ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. fa izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon' ny fahavalonareo toherina na lavina velively. car moi je vous donnerai un langage et une sagesse, à quoi nul de vos adversaires ne pourra résister ni contredire.
Lio / Lk 21:16 And ye shall be betrayed both by parents, and brethren, and kinsfolks, and friends; and some of you shall they cause to be put to death. Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin' ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, Vous serez livrés même par vos père et mère, vos frères, vos proches et vos amis ; on fera mourir plusieurs d' entre vous,
Lio / Lk 21:17 And ye shall be hated of all men for my name' s sake. Ary ho halan' ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. ary ho halan' ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; et vous serez haïs de tous à cause de mon nom.
Lio / Lk 21:18 But there shall not an hair of your head perish. Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin' ny lohanareo aza. nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin' ny lohanareo aza. Mais pas un cheveu de votre tête ne se perdra.
Lio / Lk 21:19 In your patience possess ye your souls. Amin' ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo. C' est par votre constance que vous sauverez vos vies !
Lio / Lk 21:20 And when ye shall see Jerusalem compassed with armies, then know that the desolation thereof is nigh. Ary raha mahita an' i Jerosalema voahodidin' ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary rahefa hitanareo voahodidin' ny miaramila Jerosalema, dia fantaro amin' izany fa efa antomotra ny fandravana azy, " Mais lorsque vous verrez Jérusalem investie par des armées, alors comprenez que sa dévastation est toute proche.
Lio / Lk 21:21 Then let them which are in Judaea flee to the mountains; and let them which are in the midst of it depart out; and let not them that are in the countries enter thereinto. Ary izay any Jodia amin' izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. ka amin' izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony, Alors, que ceux qui seront en Judée s' enfuient dans les montagnes, que ceux qui seront à l' intérieur de la ville s' en éloignent, et que ceux qui seront dans les campagnes n' y entrent pas ;
Lio / Lk 21:22 For these be the days of vengeance, that all things which are written may be fulfilled. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan' izay rehetra voasoratra. car ce seront des jours de vengeance, où devra s' accomplir tout ce qui a été écrit.
Lio / Lk 21:23 But woe unto them that are with child, and to them that give suck, in those days! for there shall be great distress in the land, and wrath upon this people. Fa lozan' ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin' izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin' ny tany ary fahatezerana amin' ity firenena ity. Loza ho an' ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin' izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany, ary ho mafy ny hatezeran' Andriamanitra amin' ity firenena ity: Malheur à celles qui seront enceintes et à celles qui allaiteront en ces jours-là ! " Car il y aura grande détresse sur la terre et colère contre ce peuple.
Lio / Lk 21:24 And they shall fall by the edge of the sword, and shall be led away captive into all nations: and Jerusalem shall be trodden down of the Gentiles, until the times of the Gentiles be fulfilled. Dia ho ringana amin' ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon' ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin' ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron' ny jentilisa. haringana amin' ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin' ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin' ny jentily Jerosalema mandra-pahafenon' ny andron' ny jentily. Ils tomberont sous le tranchant du glaive et ils seront emmenés captifs dans toutes les nations, et Jérusalem sera foulée aux pieds par des païens jusqu'à ce que soient accomplis les temps des païens.
Lio / Lk 21:25 And there shall be signs in the sun, and in the moon, and in the stars; and upon the earth distress of nations, with perplexity; the sea and the waves roaring; Ary hisy famantarana eo amin' ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý ambonin' ny tany dia hisy fahorian' ny firenena amin' ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon' ny ranomasina sy ny fanonjany, Hisy famantarana koa eny amin' ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; " Et il y aura des signes dans le soleil, la lune et les étoiles. Sur la terre, les nations seront dans l' angoisse, inquiètes du fracas de la mer et des flots ;
Lio / Lk 21:26 Men' s hearts failing them for fear, and for looking after those things which are coming on the earth: for the powers of heaven shall be shaken. ka ho reraka ny fon' ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin' ny tany; fa ny herin' ny lanitra dia hohozongozonina. ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo an' izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin' ny lanitra. des hommes défailliront de frayeur, dans l' attente de ce qui menace le monde habité, car les puissances des cieux seront ébranlées.
Lio / Lk 21:27 And then shall they see the Son of man coming in a cloud with power and great glory. Ary amin' izany andro izany dia hahita ny Zanak' olona avy eo amin' ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. Dia ho hita amin' izay ny Zanak' olona avy any ambonin' ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Et alors on verra le Fils de l' homme venant dans une nuée avec puissance et grande gloire.
Lio / Lk 21:28 And when these things begin to come to pass, then look up, and lift up your heads; for your redemption draweth nigh. Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo. Quand cela commencera d' arriver, redressez-vous et relevez la tête, parce que votre délivrance est proche. "
Lio / Lk 21:29 And he spake to them a parable; Behold the fig tree, and all the trees; Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Ary izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra: Et il leur dit une parabole : " Voyez le figuier et les autres arbres.
Lio / Lk 21:30 When they now shoot forth, ye see and know of your own selves that summer is now nigh at hand. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Dès qu' ils bourgeonnent, vous comprenez de vous-mêmes, en les regardant, que désormais l'été est proche.
Lio / Lk 21:31 So likewise ye, when ye see these things come to pass, know ye that the kingdom of God is nigh at hand. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra. Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra. Ainsi vous, lorsque vous verrez cela arriver, comprenez que le Royaume de Dieu est proche.
Lio / Lk 21:32 Verily I say unto you, This generation shall not pass away, till all be fulfilled. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan' izany rehetra izany. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity ambara-pahatongan' izany rehetra izany. En vérité, je vous le dis, cette génération ne passera pas que tout ne soit arrivé.
Lio / Lk 21:33 Heaven and earth shall pass away: but my words shall not pass away. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko tsy mba ho levona. Le ciel et la terre passeront, mais mes paroles ne passeront point.
Lio / Lk 21:34 And take heed to yourselves, lest at any time your hearts be overcharged with surfeiting, and drunkenness, and cares of this life, and so that day come upon you unawares. Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran' ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian' izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Tandremo àry fandrao vesaran' ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! " Tenez-vous sur vos gardes, de peur que vos coeurs ne s' appesantissent dans la débauche, l' ivrognerie, les soucis de la vie, et que ce Jour-là ne fonde soudain sur vous
Lio / Lk 21:35 For as a snare shall it come on all them that dwell on the face of the whole earth. Fa hihatra amin' izay rehetra mitoetra etý ambonin' ny tany rehetra izany. Fa ho sahala amin' ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin' ny tany izany. comme un filet ; car il s' abattra sur tous ceux qui habitent la surface de toute la terre.
Lio / Lk 21:36 Watch ye therefore, and pray always, that ye may be accounted worthy to escape all these things that shall come to pass, and to stand before the Son of man. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan' ny Zanak' olona. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin' izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany hianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan' ny Zanak' olona. Veillez donc et priez en tout temps, afin d' avoir la force d'échapper à tout ce qui doit arriver, et de vous tenir debout devant le Fils de l' homme. "
Lio / Lk 21:37 And in the day time he was teaching in the temple; and at night he went out, and abode in the mount that is called the mount of Olives. Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan' ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva. Tamin' ny antoandro no nampianatra tao an-tempoly Jeso, fa nony avy ao dia lasa nivoaka nandritra ny alina tany amin' ny tendrombohitra Oliva. Pendant le jour, il était dans le Temple à enseigner ; mais la nuit, il s' en allait la passer en plein air sur le mont dit des Oliviers.
Lio / Lk 21:38 And all the people came early in the morning to him in the temple, for to hear him. Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan' ny tempoly hihaino Azy. Ary vao marainakoa dia nanatona azy tao an-tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino azy. Et, dès l' aurore, tout le peuple venait à lui dans le Temple pour l'écouter.

<-
->