Ohabolana : ahazahoana

Ohabolana6164 Raha tsara ny vadin-drahalahy , dia amosavina ny rahalahy hitondrana loloha ; raha be omby sy be andevo , isomparana hahazahoana harena . [Veyrières 1913 #1163]
Dikanteny frantsay Une homme qui a une belle-soeur, belle et sage, jette un sort à son frère pour le faire mourir et épouser la veuve ; s' il convoite les boeufs et les esclaves de son frère, il lui cause du tort pour s' enrichir. [Veyrières 1913]

Ohabolana6249 Rano an-tami-bato : raha tazanina , be ihany ; fa raha raofina , tsy ahazahoana . [Veyrières 1913]
Rano an-tanim-bato : raha tazanina , be ihany ; fa raha raofina , tsy ahazoana . [Cousins 1871]
Toy ny rano an-tami-bato : tazanina , mangiakiaka , ka nony tovozina , tsy mahafeno siny. [Cousins 1871]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovi-manelatra ihany, fa nony tovozina tsy ahazoana . [Rinara 1974 #4317]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina , manelatra ihany, ka nony tovozina , tsy azahoana . [Cousins 1871]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina , manelatra ; tovozina , tsy ahazahoana . [Veyrières 1913 #2254]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina , mangiakiaka ; ka nony tovozina , tsy ahazahoana . [Veyrières 1913 #2254]
Toy ny rano an-tanim-bato : tsinjovina , manelatra ihany, fa nony tovozina , tsy ahazoana . [Houlder 1895 #481]
Dikanteny frantsay Eau qui suinte des rochers : quand on regarde elle semble être abondante ; mais quand on veut y puiser on ne peut pas. [Veyrières 1913 #2241]
La fortune est comme l' eau qui suinte des rochers : quand on la regarde elle brille, mais quand on veut y puiser il n' y a pas moyen. [Veyrières 1913 #2254]
Pareil à l' eau suintant d'un rocher: de loin elle brille beaucoup, mais quand on veut la puiser, il y en a trop peu pour en prendre. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Se disait de la fortune. [Veyrières 1913 #2241]

Ohabolana6261 Ranomasina nasaok’ abidy : lasana my fa nahazahoana . [Samson 1965 #R39]

Ohabolana7413 Tsy ahazahoana atakalo kisoka . [Veyrières 1913 #2333]
Dikanteny frantsay Du ladre on n'obtient pas de quoi se procurer une chique de tabac. [Veyrières 1913 #2333]

Fizahan-teny