Ohabolana : ahohoka

Ohabolana4778 Nahohoky ny ntaolo ny zaza teraka tamin' ny Alakaosy . [Veyrières 1913 #91]
Dikanteny frantsay Les enfants nés au mois à Alakaosy étaient tués par les ancêtres qui les plongeaient dans l' eau la tête en bas. [Veyrières 1913 #91]
Fanazavana frantsay Ces enfants étaient tués par superstition. [Veyrières 1913 #91]

Ohabolana5287 Ny lela efa mitsilany tsy azo ahohoka intsony. [Nicol 1935 #212, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay La langue, une fois retournée, ne se redresse plus. [Nicol 1935 #212]

Ohabolana6065 Raha lany ny mamy ao anatin' ny vilany , dia ahohoky ny olona izy ka ny vavany kosa indray no ataony ambany. [Veyrières 1913]

Ohabolana7775 Tsy misy manao soa ohatra ny vilany , fa raha lany ny ao anatiny, ahohoky ny olona . [Rinara 1974]
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany ; fa raha lany ny mamy ao anatiny, dia ahohoky ny olona . [Cousins 1871 #3529, Nicol 1935 #312]
Dikanteny frantsay Qu’y a-t-il de plus utile qu’une marmite : et pourtant, dès qu’elle a été vidée, elle est aussitôt renversée. [Nicol 1935 #312]

Fizahan-teny