Ohabolana : ampisambory

Ohabolana6090 Raha manao ka tsy ambinina , ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa, avelao hivarina amin-tany . [Houlder 1895 #667]
Raha manao ka tsy ambininy , omeo fa hava-malahelo , fa raha miraviravy tanana tsy manao , avelao hivarina aman-tany . [Veyrières 1913 #3967]
Raha manao ka tsy ambininy , omeo fa hava-malahelo ; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany . [Cousins 1871 #2688, Nicol 1935]
Raha manao tsy ambinina , ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanan-tsy manao , avelao hivarina aman-tany . [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fa izay miezaka – na tsy ambinina aza – dia mendrika ny hampiana, fa izay mitomoemoe-poana kosa, tsy tokony hokarakaraina. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Le travailleur qui n' a pas de chance doit être secouru, car c' est un parent malheureux ; mais le paresseux, il faut le laisser enterrer sans linceul de soie. [Veyrières 1913 #3967]
Si le succès ne couronne pas ses efforts, aidez-le, car c’est un frère qui souffre ; mais s’il laisse pendre ses mains dans l’inaction, laissez-le choir. [Nicol 1935 #191]
Si quelqu' un travaille, mais sans profit, prêtez-lui, car c' est un malheureux; mais s' il se croise les bras sans rien faire, laissez-le souffrir. [Houlder 1895 #667]

Fizahan-teny