Ohabolana : andahiny

Ohabolana823 Aza atao fively ampongalahy ny havana : ny ambaviny tambatambazana , ny andahiny dobodobohana . [Rajemisa 1985 #71]
Aza atao fively amponga ny havana , ka ny ambaviny tambatambazana toy ny manana anaka , fa ny andahiny dobodobohina ho afa-jaza . [Rinara 1974]
Aza atao fively amponga ny havana: ka ny iray ambaviny tambatambazana , ary ny iray kosa andahiny hodobodobohana . [Houlder 1895 #225]
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana , ny iray andahiny dobodobohana . [Rajemisa 1985 #60]
Fanazavana malagasy Tsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. [Rajemisa 1985 #71]
Dikanteny frantsay Ne faites pas à vos amis comme à un tambour, frappant légèrement sur l' un des côtés, mais très fort sur l' autre. [Houlder 1895]

Ohabolana6789 Taloha ny varavarana no andahiny , fa ankehitriny no an-tsavily . [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Autrefois les portes tournaient sur des tenons, mais maintenant elles tournent sur des charnières. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Les choses changent. Mais nous avons encore trouvé, dans un endroit reculé, des portes qui portaient des tenons, dont l'un tournait dans un trou pratiqué dans le seuil, et l'autre dans un trou du linteau. [Houlder 1895]

Fizahan-teny