Ohabolana : androatokony

Ohabolana2542 Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka hanina anao no androatokon' aretina . [Rinara 1974 #1396]
Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka ny hanina anao no androatokon' aretina . [Houlder 1895 #1990]
Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka ny hanina anao no androa-tokon' ny aretina . [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Vous me laissez avant que je sois guéri, et le désir que j' ai de vous voir fait les deux tiers de ma maladie. [Veyrières 1913 #2793]
Vous me quittez avant que je sois guéri, et l' ennui de vous forme les deux tiers de ma maladie. [Houlder 1895]

Ohabolana4381 Mitari-bato tsy mihoraka : very ny androatokon' aina . [Rajemisa 1985]
Raha mitari-bato tsy mihoraka , very ny an-droatokon’ aina ; raha mifankatia tsy miresaka , very ny an-droatokom-pihavanana . [Rinara 1974 #235, Cousins 1871 #2697, Nicol 1935]
Fanazavana malagasy Rehefa manao zava-tsarotra ifanakonana, manome hery sy ahavitana be ny fiarahana mihorakoraka, mihirahira, fa tsy mangingina samy maka ho azy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Pousser une grosse pierre et ne pas crier, c’est perdre les deux tiers de ses forces ; (s’aimer et ne pas se le dire, c’est perdre les deux tiers de l’affection). [Nicol 1935 #19]

Fizahan-teny