Fizahan-teny

Ohabolana : angady

Ohabolana 1Angady tokana an-tanana, ka raha tapaka tsy misy hanakambanana azy. [2.558]
Angady tokana : ka raha tapaka, tsy misy tohiny. [2.165 #1863, 2.415 #899]
Angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray. [2.165 #1857]
Dikanteny frantsayUne bêche unique: une fois cassée, il n' y en a pas d' autre pour la remplacer. [2.165]
Une bêche unique: une fois cassée, on n' en a plus d' autre. [2.165]
Une seule bêche : quand elle est cassée, on n' en a pas d' autre. [2.415 #899]
Fanazavana frantsaySe disait de l' enfant unique. [2.415 #899]

Ohabolana 2Angady tokana ny aina: raha tapaka tsy misy hasolo azy. [2.653 #228, 2.974 #464]
Dikanteny frantsayLa vie est une bêche unique : si elle se brise, plus moyen de la remplacer. [2.974 #464]

Ohabolana 3Angady tsy mahatapaka ahitra. [2.415 #5975]
Fangady tsy mahatapaka ahitra. [2.653 #925]
Dikanteny frantsayPioche émoussée ne peut pas couper l' herbe. [2.415 #5975]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui n' osent pas user de leur pouvoir pour la répression, et de ceux qui sont incapables de trancher une difficulté. [2.415 #5975]

Ohabolana 4Aza atao toy ny angady, ka ny lelany mitomboka tany, sasana amin' ny rano, fa ny zarany tsy mikasi-potaka, hosorana menaka. [2.558 #418]

Ohabolana 5Aza mialoha lelany ohatra ny angady. [2.558 #732]
Aza mialoha lelany, toy ny fangady. [2.653 #601, 2.974 #197]
Dikanteny frantsayNe marchez pas la langue la première, comme la bêche. [2.974 #197]

Ohabolana 6Aza mpanefy tsy manana angady. [2.558]

Ohabolana 7Gaga ny angady sy ny harona, fa tsy misy vody ny vomanga. [2.558 #1221, 2.653, 2.415]
Gaga ny angady sy ny harona fa tsy nisy vody ny vomanga. [2.165 #962]
Dikanteny frantsayLa bêche et la corbeille furent étonnées de ce qu' il n' y avait pas de tubercules aux patates. [2.165]
La bêche et le panier sont dans l' étonnement, parce que les patates n' ont pas de tubercules. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait à la mort d' un homme qu' on croyait riche, et qui ne laisse rien. [2.415 #5753]

Ohabolana 8Hianao no angady nananana, vy nahitana, ka sarotra atao rainazy. [2.558]

Ohabolana 9Loharano nisehoana, kitapo nifonosana, harona niraiketana, angady nananana, vy nahitana. [2.974 #489]
Dikanteny frantsay(Les parents sont) la source originelle, la bourse et le sac où était le trésor, la bêche et le fer qui ont travaillé pour notre subsistance. [2.974 #489]

Ohabolana 10Ny angady ihany no mahavoky. [2.415 #3724]
Dikanteny frantsayLa bêche seule fait vivre. [2.415 #3724]
Fanazavana frantsayParoles dites par le roi Andrianampoinimerina au peuple lorsqu' il fit une distribution de bêches et excita au travail des rizières ; passées en proverbe elles signifient que le travail fait vivre : quand quelqu' un venait demander au roi Andrianampoinimerina un secours, le roi lui faisait donner une bêche et l'invitait au travail par ces paroles. [2.415 #3724]

Ohabolana 11Ny angady no maranitra asesiky ny anjainginy. [2.558 #2887]
Ny fangady no maranitra, asesiky ny anjainginy. [2.415 #658, 2.653 #2212]
Dikanteny frantsaySi la bêche est tranchante, c' est qu' elle est aidée par le bout en fer. [2.415]
Fanazavana frantsayLes honneurs donnent de l'autorité. [2.415 #658]

Ohabolana 12Ny lainga toy ny vato am-balam-parihy, na tsy hitam-pangady raha lohataona aza, hitan' ny antsy raha fahavaratra. [2.558 #3062]
Vato am-balam-parihy, ka na dia tsy hitan' ny fangady raha lohataona aza, dia ho hitan' ny antsy raha fararano. [2.415 #3159]
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona. [1.1]
Vato an-tanimbary : na tsy azon' ny antsy raha fararano, hitan' ny angady raha lohataona. [2.558]
Vato an-tanimbary : na tsy voan’ ny antsy amy ny fararano aza, ho tratry ny angady amy ny lohataona. [2.653 #3635]
Vato an-tanimbary : na tsy voan' ny antsy amin’ ny fararano aza, ho tratry ny angady amin’ ny lohataona. [2.974 #384]
Fanazavana malagasyEntina milaza ny vato latsaka eny an-tanimbary, izay na dia tsy hitan' ny antsin' ny mpijinja aza dia hitan' ny angadin' ny mpiasa, ka ny tiana holazaina amin' izany dia hoe: tsy misy zavatra tsy ho hita na ho ela na ho haingana. [1.1]
Dikanteny frantsayPierre de la petite digue : si la bêche ne la trouve pas au printemps, le couteau la trouvera à l' automne. [2.415 #3159]
Pierres dans la rizière : si elles sont épargnées par la faucille en automne, elles seront victimes de la bêche au printemps. [2.974 #384]
Fanazavana frantsayOn disait ce proverbe pour signifier que tôt ou tard, une chose arrivera : au printemps la bêche sert à travailler la terre, et à l' automne le couteau sert à faire la moisson ou à couper les herbes qu' on donne aux animaux pour les engraisser. [2.415 #3159]

Ohabolana 13Raha hanao zavatra, aza manao hoe : " dombo ny angady " ; nefa raha hihinana manao hoe : " maranitra ny sotro " . [2.415 #3966, 2.165]
Dikanteny frantsayQuand vous allez au travail, ne dites pas : la bêche est émoussée ; et quand vous allez manger : la cuiller racle bien la marmite. [2.415 #3966]
Quand vous allez labourer, ne dites pas: "La bêche est émoussée" ; pour dire, quand vous allez manger: "La cuillère coupe bien" . [2.165]

Ohabolana 14Rangahy no tsara angady, ka Rafotsy no mandimandina ; Rangahy no maty fonosana, ka Rafotsy no mafana tokantrano. [2.415 #1326]
Dikanteny frantsayL' homme travaille bien ses rizières et la femme est bien propre ; l' homme garde bien ses richesses et la femme est active à soigner son ménage. [2.415 #1326]
Fanazavana frantsaySe disait des époux laborieux et bien d'accord. [2.415 #1326]

Ohabolana 15Tahaky ny angady ery an-joro, mbola tsy niasana hoatrinona ka lany vazana. [2.415 #1582]
Dikanteny frantsayLa vie est semblable à une bêche reléguée dans le coin de la maison : avant qu' on s' en soit servi pour travailler, elle est usée. [2.415 #1582]

Ohabolana 16Tanora nolatsain-kavana ka ny angady no atao lava lela. [2.558 #4061]

Ohabolana 17Tefy angadin-dRainimanankiarana : ny tsy masaky ny antsoro atao vely manta ; ary nony mivarotra, dia ny masak’ arina ihany no alaina. [2.653]

Ohabolana 18Tsy mba vilany hotovonana, tsy angady ka hotsiniana fa ny atao no mahatsara sy maharatsy. [2.558 #4577]
Tsy mba vilany, ka hotovonana ; tsy angady, ka hotsinina ; ary ny atao no mahatsara sy maharatsy. [2.653 #3400]
Tsy mba vilany ka hotovonana ; tsy angady ka hotsinina : fa ny atao no mahatsara sy maharatsy. [2.415 #2982]
Dikanteny frantsayCe n' est pas une marmite faite d' ajoutages, ni une bêche reforgée et retrempée : c' est ce qu' on fait qui rend bon ou mauvais. [2.415 #2982]
Fanazavana frantsaySe disait pour exhorter à bien faire. [2.415 #2982]

Ohabolana 19Tsy mety raha sady handoa maty no handoa angady. [2.558 #4668, 2.653 #3483]

Ohabolana 20Tsy misy tombo sy hala : fa ny iray vy nahitana, ary ny iray angady nananana. [2.653 #3546, 2.974 #181]
Dikanteny frantsay(Le père et la mère sojü) également chers: l’un est le fer, l’autre la bêche qui nous ont fourni de quoi vivre. [2.974 #181]

Ohabolana 21Tsy vily lah' hirombak’ ofana, tsy angady lah' hiloha lela. [1.147 #T163]

Ohabolana 22Vatsy sakaizan' ny lalana, angady sakaizan' ny asa. [2.558]

Ohabolana 23Vy nanañana, angady nahita. [1.6]
Dikanteny frantsayFer source de biens, bêche source de richesses. [1.6]

Fizahan-teny