Ohabolana : angatahana

Ohabolana703 Ataonao ho manana inona aho no angatahanao lasiray fahavaratra ? [Veyrières 1913 #2487]
Dikanteny frantsay Vous me croyez donc bien riche que vous me demandez six sous en été au moment où les provisions sont épuisées? [Veyrières 1913 #2487]
Fanazavana frantsay Réponse à un quémandeur. [Veyrières 1913 #2487]

Ohabolana3785 Mangataka , mahazo ; nony angatahana , tsy azahoana . [Veyrières 1913]
Mangata-mahazo ; angatahan-tsy ahazoana . [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Quand il demande, il obtient ; quand on lui demande, à lui, on n' obtient pas. [Veyrières 1913 #5387]
Fanazavana frantsay C' est un égoïste. [Veyrières 1913 #5387]

Ohabolana4728 Nahoana no dia izaho avy no mba angatahana ? hoy Ilaisarotra , ny tenako aza an-tsaiky tsy homeko ka ! [Veyrières 1913]
Nahoana no dia izaho avy no mba angatahana ? hoy Ilaisarotra : Ny tenako aza antsaky tsy homeko ka! [Cousins 1871 #2032]
Nahoana no dia izaho avy no mba angatahina ! hoy Ilaisarotra . [Rinara 1974 #2670]
Dikanteny frantsay Pourquoi me demande-t-on, dit l'avare, à moi qui refuserais presque à ma propre personne ! [Veyrières 1913 #2313]
Fanazavana frantsay Paroles d'avare. [Veyrières 1913 #2313]

Ohabolana7153 Toy ny momba : noana tsy manan-kangatahana , voky tsy manan-kotolorana . [Houlder 1895 #1855, Veyrières 1913 #946, Cousins 1871 #3213]
Toy ny momba : noana tsy misy hangatahana , voky tsy manan-komena . [Rinara 1974 #4304]
Dikanteny frantsay Infortune des femmes stériles : affamées, elles n' ont personne à qui demander la nourriture ; rassasiées, elles n' ont personne à qui en offrir. [Veyrières 1913 #946]
Semblable à la femme stérile: si elle a faim, elle n' a personne à qui demander; si elle a de trop (litt. si elle est rassasiée), elle n' a personne à qui donner. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Se disait des gens sans famille, sans appui. [Veyrières 1913 #946]

Fizahan-teny