Ohabolana : anoharana

Ohabolana4911 Ny amalona no lany fa ny fe nanoharana azy inty eto ihany. [Rinara 1974 #2858]
Ny amalona no lany , fa ny fe nanoharana mbola eto ihany. [Veyrières 1913 #5769, Cousins 1871]
Ohatra ny fe nanoharana amalona , ka ny amalona no lany, fa ny fe tsy mbola miova. [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Comme la cuisse à laquelle on a comparé une anguille: l' anguille a été mangée, mais la cuisse reste. [Houlder 1895]
L' anguille est consommée, mais la cuisse avec laquelle on l' a comparée est encore ici. [Veyrières 1913 #5769]
Fanazavana frantsay Les témoins du fait sont là pour l' attester. [Veyrières 1913 #5769]

Ohabolana5615 Ny tonabe noharana ka lasa fa ny fe be nanoharana tavela . [Samson 1965 #N13]

Ohabolana5798 Ñy tonabe noharana ka lasana; fa ñy fe be nañoharana tavela . [Houlder 1895]
Fanazavana malagasy Ny amalombandana noharina lasa; fa ny fe be nanoharana no sisa. + Tonabe: Amalombandana. [Houlder 1895]

Ohabolana7488 Tsy hisy hanoarana , ohatra ny vikina ambany farafara. [Cousins 1871]
Tsy hita hanoarana , ohatra ny hazakazaka ambany farafara . [Rinara 1974]
Tsy hita hanoharana hoatry ny vikina ambany farafara . [Veyrières 1913 #5780]
Dikanteny frantsay Sans comparaison, comme faire un saut sous le lit. [Veyrières 1913 #5780]
Fanazavana frantsay Autre sens : chose impossible. [Veyrières 1913 #5780]

Fizahan-teny