Fizahan-teny

Ohabolana : antoandro

Ohabolana 1Any an' ala no mandoro tavy, ka Imerina no manjavona antoandro (hariva). [2.558 #311]

Ohabolana 2Antoandro amin' ny maim-bohon-dravina. [2.415 #6545]
Dikanteny frantsayQuand le dos des feuilles qui reçoit la rosée est sec, vers huit ou neuf heures du matin. [2.415 #6545]

Ohabolana 3Antoandro faka ronono, ka nilaozan’ ny omby niboridana. [2.653 #249]
Antoandro faka ronono, ka nilaozan’ ny omby nihahaka. [2.653 #249, 2.974 #182]
Dikanteny frantsayCelui qui tarde à venir traire les vaches, risque de les trouver déjà dispersées. [2.974 #182]

Ohabolana 4Antoandro ny andro. [2.415 #6547]
Dikanteny frantsayIl fait grand jour. [2.415 #6547]
Fanazavana frantsayAppel aux travailleurs : allons-y. Autre sens : il est tard. [2.415 #6547]

Ohabolana 5Antoandro tsy mifoy hao, ka alina vao manao piakoho. [2.415 #6208, 2.558 #297, 2.653 #250]
Dikanteny frantsayNe pas écraser les poux quand il fait jour, et, la nuit arrivée, pincer les ongles. [2.415 #6208]
Fanazavana frantsayLaisser passer l' occasion, et se mettre à l' oeuvre quand on n'est plus servi par les circonstances. [2.415]

Ohabolana 6Aza manao hiran' ilay jamba : izaho mahiratra indray no ilazana izay tsy antoandro. [2.415 #6183, 2.558 #513, 2.653 #460]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme dans les chants des aveugles : c' est à moi qui vois clair, que les aveugles disent qu' il ne fait pas jour. [2.415 #6183]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas vouloir en remontrer à de plus habiles que soi. [2.415 #6183]

Ohabolana 7Aza manao tahaka any ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany; voky alina, entiko miasa aza izany. [2.653 #506]
Aza manao tahaka an' ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany ; voky alina, entiko miasa aza izany. [2.415 #3901]
Aza manao tahaka ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany, voky alina entiko miasa aza izany. [2.558 #579]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le paresseux quand il est bien repu le jour, il dit : si je pouvais aller au lit avec un tel repas ; et quand il est bien repu la nuit, il dit : si je pouvais aller au travail avec un tel repas. [2.415 #3901]

Ohabolana 8Aza manao tokin-tsabakaka : raha antoandro manidy trano, fa raha alina vao mandehandeha. [2.653 #519]
Aza manao tokin-tsaobakaka : raha antoandro manidy trano, fa raha alina mandehandeha. [2.558 #592]
Aza manao tokin-tsaobakaka : raha antoandro manidy trano, fa raha alina vao mandehandeha. [2.415 #6217]
Manao tokin-tsahobakaka : antoandro mihidy aman-trano, alina mandehandeha. [2.558 #2016]
Dikanteny frantsayN' ayez pas la confiance du crapaud : le jour il se barricade chez lui, et la nuit il va se promener. [2.415 #6217]
Fanazavana frantsayC' est le contraire qu'il faut faire. [2.415 #6217]

Ohabolana 9Aza matoky takona ka mihira kary antoandro. [2.558 #708]

Ohabolana 10Mitoto vary antoandro : manala sahato ny akoho. [2.415 #3711, 2.653 #1889]
Dikanteny frantsayPiler du riz en plein jour, c' est s' attirer les malédictions des poules. [2.415 #3711]
Fanazavana frantsayOn y voit clair et on répand pas les grains hors du mortier. [2.415 #3711]

Ohabolana 11Mitsotra alina fa mivonkina antoandro toa sokina. [2.558 #2509]
Mitsotra alina, mivonkina antoandro toa sokina. [2.415 #2041]
Mitsotra alina, mivonkona antoandro, toa sokina. [2.653 #1910]
Dikanteny frantsayOriginal et fantasque : il s' ouvre la nuit et se ferme le jour, comme le hérisson. [2.415 #2041]

Ohabolana 12Ny aina toy ny tavim-bilany, ka tsy fantatra izay hahavakiany, na ho antoandro na ho alina. [2.165 #2092, 2.415 #2769]
Tavim-bilany ny aina ka tsy fantatra izay hahavakisany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa malia aoka izany ny aina ka tsy hitahita akory ny hahapotehany. [1.1]
Dikanteny frantsayLa vie est comme un têt de marmite : on ignore quand elle se brisera, le jour ou la nuit. [2.415 #2769]
La vie est comme un têt de marmite: on ne sait quand elle se brisera, pendant le jour ou pendant la nuit. [2.165 #2092]

Ohabolana 13Ny aina tsy mba landihazo : raha antoandro ny andro mibo-haka. [2.415 #2771, 2.653 #2129]
Dikanteny frantsayLa vie n' est pas comme le fruit du cotonnier qui se dilate en plein jour. [2.415 #2771]
Fanazavana frantsaySe disait de la brièveté de la vie. [2.415 #2771]

Ohabolana 14Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy antoandro. [2.165]
Dikanteny frantsayOn voit même les sorciers sortant à minuit, et combien mieux ceux qui font du mal en plein jour. [2.165]

Ohabolana 15Omby miakatra antoandro, ka mikaroka voly horaotina. [2.415 #4562, 2.653 #2554]
Omby miakatra antoandro, ka mitady voly horaotina. [2.558 #3440]
Dikanteny frantsayBoeufs rentrés au village trop tôt : ils cherchent des plantations à brouter. [2.415]
Fanazavana frantsayIls n' ont pas eu leur compte. [2.415 #4562]

Ohabolana 16Rafotsibe mivaro-boanatsindrana : ny antoandro ifandrombahana amin' ny ankizy, ny alina ifandrom-bahana amin' ny voalavo. [2.558 #3518]

Ohabolana 17Sakafom-borondolo ka ny alina no miantoka ny antoandro. [2.415 #4318, 2.558 #3791, 1.1]
Sakafom-borondolo: ny alina no miantoka ny andro. [2.653 #2828]
Dikanteny frantsayRepas de chouette; la nuit suffit pour la journée. [1.3]
Repas de hibou : la nuit suffit pour la journée. [2.415 #4318]
Fanazavana frantsayLe voleur se dédommage la nuit de ce qu'il n' a pas gagné par son travail dans la journée. [2.415]
Se dit d'un repas copieux fait le soir et dédommageant de ce que l'on n'a pas mangé le jour. [1.3]

Ohabolana 18Tsy ra feo antoandro toa mpiambina. [2.165 #2173]
Tsy re feo antoandro toa mpiambina. [2.415 #3158, 2.558]
Dikanteny frantsayQu' on n' entend pas pendant le jour, comme la garde (de nuit). [2.165 #2173, 2.415 #3158]

Ohabolana 19Voantsiroko nisangorina antoandro : tsy narian’ olona fa nanary tena. [1.147 #V79]

Fizahan-teny