Fizahan-teny

Ohabolana : aomby

Ohabolana 1Amaraina hamono aomby, iniany miady voro-tanty. [1.147 #A38]

Ohabolana 2Amboa nihorok’ aomby : tsy fitiavana fa fangaronana ny atiny. [1.147 #A54]

Ohabolana 3Antsiñary maty aomby tokana: tonga antoetr' androny. [2.165]
Tsiniary maty aomby tokana : nody an-toetr’ androny. [1.147 #T146]
Fanazavana malagasyIlay mahantra (antsinahary) maty omby tokana (hany nananana): ka nody amin' ny toetrany taloha. [2.165]

Ohabolana 4Atin’ aomby mibaby afo. [1.147]

Ohabolana 5Dian’ aombin’ a mpirahalahy : vaky fa tsy mitriatra. [1.147 #D3]

Ohabolana 6Fizahan’ aomby sima : midanàka ombam-bava; mizaha omban-tadiny. [1.147 #F32]

Ohabolana 7Havok’ aomby : anatiny tsy voan’ ny menany. [1.147 #H17]

Ohabolana 8Hozatr’ aomby ny faka : izay maharirotra tompony. [1.147 #H27]

Ohabolana 9Kotokely nangalatr’ aomby : ny tanany an-tady, ny masony an-droranga. [1.147]

Ohabolana 10Lohan' aomby roa tsy omby vilany raika. [1.147 #L43]

Ohabolana 11Malemy maditra karaha hozatr’ aomby. [1.147 #M72]

Ohabolana 12Mangala aomby revo : fangola an-tanana. [1.147 #M57]

Ohabolana 13Maty foana karaha aomby nangalan-doza. [1.147 #M97]

Ohabolana 14Maty mahareny karaha tadinin’ aomby. [1.147 #M95]

Ohabolana 15Matoy vary vondrik’ aomby : omana ny naniny. [1.147 #M94]

Ohabolana 16Mihenjain-piaka karaha aomby sira. [1.147 #M148]

Ohabolana 17Mitan-tadin’ aomby mandrorona : moran' ny mpizaha. [1.147]

Ohabolana 18Mpanombidy mahita aomby revo : maladia kiso. [1.147 #M140]
Mpanombidy nahita aomby revo: maladia kiso. [2.165]
Fanazavana malagasyMpamono omby nahita omby diso ny namany: ka ento faingana ny antsy. [2.165]

Ohabolana 19Ny trebitrebiky ny rano ka re fa ny aomby nihanana tsy hita. [1.147 #N14]
Ny trebitrebiky ñy rano ka reñiko, fa ñy aomby nihanañ' alina tsy hitako. [2.165]
Fanazavana malagasyNy fikobakobaky ny rano dia reko, fa raha ny omby nita tamin' ny alina, tsy hitako. [2.165]

Ohabolana 20Rasa aomby ny faty : samy mandiny ny anjarany. [1.147 #R41]

Ohabolana 21Tadinin’ aomby : amorisana vao maneva. [1.147 #T4]

Ohabolana 22Tadinin’ aomby maty mahare. [1.147 #T3]

Ohabolana 23Tadinin’ aomby : taloha nomby afara. [1.147 #T5]

Ohabolana 24Takila vaky voatsidian’ aomby : vaky misaraka tsy miharo koa. [1.147 #T16]

Ohabolana 25Taloha nomby afara karaha tadiñin' aomby. [2.165]
Fanazavana malagasyAloha tonga aoriana toy ny sofin' omby (milaza ny fanaovana marika amin' ny sofiny). + Ny sofin' ny omby dia isan' ny tafavoaka aloha miaraka amin' ny lohany raha vao teraka ny omby; nefa izy indray no mila fanamboarana atý aoriana rehefa tapahin' ny tompony araka izay marika tiany. Raha ampitahaina indray ny sofiny sy ny tandrony; dia ny tandrony izay vao nitsimoka taty aoriana indray no miohatra azy, fa izy tsy mitombo hoatrinona akory. Hany ka taloha tonga aoriana izy. [2.165]

Ohabolana 26Tandrok’ aomby tsy tokana. [1.147 #T31]

Ohabolana 27Tolon’ aomby an-tsavoka : tsy azoazoko tsara. [1.147 #T84]

Ohabolana 28Tonga tsy tonga karaha aomby nakarin-jaza. [1.147 #T95]

Ohabolana 29Voronkontsy: miambi-draha tsy an-teña. [2.165]
Voronkontsy miambina aomby miambina raha tsy an-tena. [1.147 #V102]
Fanazavana malagasyVorompotsy: miambin-javatra tsy an' ny tena. [2.165]

Ohabolana 30Zanak’ aomby masiaka tsy matahotra an-dreniny. [1.147 #Z8]

Fizahan-teny