Fizahan-teny

Ohabolana : asiana

Ohabolana 1Andevolahy nifahana ondry : voky ny tonony ihany, ka tsy misy hasiana ny nahandrony. [2.415 #530, 2.653]
Dikanteny frantsayEsclave qui a mangé du mouton : repu par les grillades de viande, il n' a plus de place dans son ventre pour ce qui cuit dans la marmite. [2.415 #530]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui étaient trop pressés de manger. [2.415 #530]

Ohabolana 2Aza asiana anga-potsy sy anga-mainty, fa ataovy angana iray ihany. [2.165 #266]
Dikanteny frantsayNe teignez pas en blanc et en noir, mais mettez une seule teinte. [2.165 #266]

Ohabolana 3Aza asiana havan' ny lahy sy havan' ny vavy. [2.558 #371]
Aza manao havan' ny lahy sy havan' ny vavy. [2.415 #1271, 2.558 #510, 2.653]
Dikanteny frantsayNe distinguez pas avec partialité les parents du mari et ceux de la femme. [2.415 #1271]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui montraient de la partialité ; et spécialement de l'époux qui était tout pour ses parents et rien pour les parents de l' autre époux. [2.415 #1271]

Ohabolana 4Aza asiana nofin' ny lahy, ka tsara, ary ny nofin' ny vavy hampidi-doza. [2.558 #372]
Aza asiana nofin' ny lahy sy nofin' ny vavy. [2.415 #266, 2.653 #334]
Dikanteny frantsayQu'il n' y ait point rêve du mari et rêve de la femme. [2.415 #266]
Fanazavana frantsayIl doit y avoir entente entre les époux. [2.415 #266]

Ohabolana 5Aza ataonao fitia haron-kely : asiana roa, dia feno, afahana iray, dia tapany. [2.653 #374]
Aza ataonao fitia haron-kely : asiana roa, dia feno ; ahafahana iray, dia tapany. [2.415 #1418]
Aza atao toy ny haron-kely ny fitiavana : asiana roa dia feno, afahana iray dia tapany. [2.558 #432]
Dikanteny frantsayN' ayez pas une affection aussi bornée qu' une petite corbeille : si on y met deux objets, elle est pleine ; si on en enlève un, elle est à moitié vide. [2.415 #1418]
Fanazavana frantsaySe disait de la polygamie. [2.415 #1418]

Ohabolana 6Aza manao kitapo hamelana lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka. [2.165 #297]
Aza manao kitapo hamelana ny lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka. [2.415 #4908]
Dikanteny frantsayN' ayez pas de bourse pour y laisser des rancunes, ni de fossé pour y déposer les ruses et les tromperies. [2.415 #4908]
Ne faites pas un sac pour y conserver la rancune, ou un fossé pour y mettre la tromperie. [2.165]
Fanazavana frantsayAllusion aux ruses employées pour tromper les ennemis, lorsque par exemple on remplissait le fossé de bouse de vache brûlante. A:. [2.415 #4908]

Ohabolana 7Aza manao takorobabon' akoho: ny iray fisiam-potsimbary, ary ny iray fisian' akotry. [2.165]
Aza manao takorobabon' akoho : ny iray fisiam-potsimbary, aty ny iray asian' akotry. [2.415]
Dikanteny frantsayN' ayez pas un jabot comme les poules, qui ont ainsi un endroit pour y mettre le riz blanc, et un autre pour y mettre le riz non décortiqué. [2.165]
Ne faites pas comme les poules avec leur jabot : elles ont un endroit pour le riz blanc et un autre pour le riz non décortiqué. [2.415 #4983]

Ohabolana 8Aza vokin' ny hodiny sao tsy misy hasiana ny ventiny. [2.558 #826]

Ohabolana 9Be fisotro ny ro, ka tsy hisy hasiana ny ventiny. [2.415 #2177, 2.653 #748]
Be fisotro ny ro ka tsy misy hasiana ny ventiny. [2.558]
Dikanteny frantsayQui boit trop de liquide n' a plus de place pour le solide. [2.415 #2177]
Fanazavana frantsayLe sens est que les petites choses empêchent souvent les grandes. [2.415 #2177]

Ohabolana 10Didimaso asiana ody: mahareta, fa hahita ny soa. [2.653]
Didimaso asiana ody: mahareta fa hihavian' ny soa. [2.653, 2.165]
Dikanteny frantsayUn chassieux auquel on applique un remède: patientez car vous irez mieux. [2.165 #2047]

Ohabolana 11Dridran' Isoamanaraka : asiam-panafody vao in-drakindrafana. [2.558 #1016]
Dridran' Isoamanaraka : asiana ody vao mitatra. [2.415 #2178, 2.653 #864]
Dridran' Isoamanaraka: asian' ody vao mitatra. [2.165]
Dikanteny frantsayC' est comme l' ulcère d' Isoamanaraka : quand on le panse, il s' étend. [2.415]
L' ulcère d' Isoamanaraka: quand on y met un onguent, il s' agrandit. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe qui avait beaucoup d' applications, se disait par exemple des riches cupides : plus ils ont et plus ils veulent avoir ; il se disait de ceux qui cherchaient à éviter une difficulté et s' y enfonçaient davantage. [2.415 #2178]
Le remède fait empirer le mal! [2.165]

Ohabolana 12Fanafodin’ Ikotomadio: asiana ody vao mainka loza; enti-miantafika vao maimaina. [2.653 #895, 2.558]

Ohabolana 13Kibobo mandry amam-balala: tsy manana trano hasiana, fa miheninkenina irery. [2.165 #757]
Kibobo mandry amam-balala : tsy manan-karon-kasiana, fa homeninkenina irery. [2.415 #2502]
Kibobo mandry amam-balala : tsy manan-trano hasiana, fa homeninkenina foana. [2.415 #2502]
Kibobo mandry amim-balala: tsy manan-trano hasiana, fa miheninkenina foana. [2.653 #1265]
Kibobo nandriam-balala : tsy manan-trano hasiana fa miheninkenina irery. [2.558 #1636]
Dikanteny frantsayCaille mêlée aux sauterelles : elle n' a ni grenier ni panier pour mettre les sauterelles qu' elle rencontre et son ventre est plein ; aussi elle est embarrassée. [2.415 #2502]
Une caille au milieu des sauterelles, elle ne peut en mettre en réserve et elle ne sait que faire. [2.165]
Fanazavana frantsayElle est au milieu de l'abondance mais ne sait comment en tirer parti. [2.165]
Se disait des pauvres gens peu habitués aux bonnes occasions et qui ne savent pas en profiter. [2.415 #2502]

Ohabolana 14Manao kibon' akoho, ka ny iray asian' akotry, ny iray asiam-potsimbary. [2.558 #1998]
Manao kibon' akoho : ny iray asian’ akotry, ny iray asiam-potsim-bary. [2.653 #1542]

Ohabolana 15Safosehaky ny amonta-manta, ka tsy misy hasiana ny masaka. [2.415 #4582, 2.558 #3774, 2.653 #2820]
Dikanteny frantsayRassasié de figues vertes, il n' a plus de place pour les figues mûres. [2.415 #4582]
Fanazavana frantsayNe pas pouvoir profiter d' une bonne occasion. [2.415 #4582]

Ohabolana 16Sinibe manga roa ireo, ka tsy mba hasiana tombo sy hala. [2.415 #1001]
Dikanteny frantsayLe père et la mère sont comme les deux grandes jarres qui encadrent le foyer : il faut les aimer également. [2.415 #1001]

Ohabolana 17Tezitra alohan' ny rariny, ka tsy misy asiana ny hitsiny. [2.165 #401]
Tezitra alohan’ ny rariny, ka tsy misy hasiana ny hitsiny. [2.415 #5632, 2.558 #4125, 2.653 #3086]
Dikanteny frantsaySe fâcher avant d' entendre raison : il n' y a plus de place pour la justice. [2.415 #5632]
Si vous vous mettez en colère avant d' être jugé, on ne saura plus comment vous justifier. [2.165]

Ohabolana 18Toy ny hety: manam-bava, fa tsy misy kibo hasiana. [2.653 #3199]
Toy ny hety : manam-bava ihany, fa tsy manan-kibo hasiana. [2.558 #4288]

Ohabolana 19Toy ny ray aman-dreny: ny iray niteraka, ny iray niampofo. [2.165 #1876]
Toy ny ray aman-dreny : ny iray niteraka, ny iray niampofo, ka samy tiavo. [2.415 #1005, 2.653 #3223]
Toy ny ray aman-dreny : ny iray niteraka, ny iray niampofo, ka tsy asiana tombo sy hala. [2.558 #4319]
Dikanteny frantsayComme le père et la mère: l' un a enfanté et l' autre a tenu sur ses genoux. [2.165]
Père et mère : l'un t' a engendré, l' autre t'a bercé sur son sein ; montre-leur à tous les deux un amour égal. [2.415 #1005]
Fanazavana frantsayDonc, ils ont tous deux droit à la reconnaissance. [2.165]

Ohabolana 20Tsintsina mitondra sompanga: ny taona dia zina, fa ny kibo hasiana no tsy misy. [2.653 #3320]
Tsintsina mitondra sompanga : ny taona dia zina fa tsy omby ny kibo. [2.558 #4450]
Tsintsina mitondra sompanga : tongan' ny aina, fa tsy omby ny vava. [2.558 #4451]
Tsintsina nahazo sompanga: nahazo lehibe, fa tsy omby ny kibo. [2.415 #5880, 2.653 #3321]
Tsintsina nitondra sompanga : ny taona dia zina, fa ny kibo hasiana no tsy misy. [2.415 #2410]
Tsintsina nitondra sompanga : tongan' ny aina, fa tsy omby vava. [2.415 #5880, 2.653]
Tsintsina nitondra sompanga: tongan' ny ainy, fa tsy omby ny vavany. [2.165]
Dikanteny frantsayPetit oiseau qui porte de grosses sauterelles : c' est un temps d' abondance, mais il n' a pas de ventre pour les mettre. [2.415 #2410]
Petit oiseau tsintsina qui a pris une grosse sauterelle sompanga il a pris une grosse proie, mais son ventre ne peut pas la contenir. [2.415 #5880]
Un "tsintsina" (petit oiseau) portant une "sompanga" (grosse sauterelle): il a été assez fort pour l' apporter, mais elle est trop grosse pour son bec. [2.165]
Fanazavana frantsayAvoir des yeux plus gros que le ventre. [2.165]
Les yeux plus gros que le ventre. [2.415 #5880]

Ohabolana 21Vitsika mitondra valala, ka madilana kibo hasiana, fa ny deraderany no tsy toha. [2.165 #1349]
Vitsika mitondra valala : ny kibo hasiana tsy misy, fa ny fahate-hoderaina no be. [2.974 #161]
Vitsika nitondra valala: ny kibo hasiana tsy misy, fa ny faha-te-hoderaina no be. [2.653 #3682]
Dikanteny frantsayFourmi traînant une sauterelle; pas d’estomac pour digérer, mais grande prétention. [2.974 #161]
Une fourmi portant une sauterelle: son estomac est trop petit (litt. trop resserré) pour l' y mettre, mais quelle fierté intolérable (elle en montre). [2.165]

Fizahan-teny