Fizahan-teny

Ohabolana : ataovy

Ohabolana 1Anoano be izany, ataovy izay ataonao ! [2.415]
Dikanteny frantsayFantômes et chimères dont on te fait peur, tout cela ! fais ton oeuvre, va de l' avant ! [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ont de vaines frayeurs et s' excusent d' agir. [2.415 #5686]

Ohabolana 2Ataovy am-bato tsy hahavery: katsaho ka tadiavo. [2.165 #773]
Ataovy am-bato tsy very : katsaho ka tadiavo. [2.415 #3237, 2.653 #303]
Dikanteny frantsay(Pour obtenir ce que vous désirez) faites comme pour une chose cachée auprès d' un rocher et qui n' est pas perdue: cherchez. [2.165]
Traitez cette affaire comme le caillou consacré, donné après l' exorcisme pour préserver contre le mauvais destin : s' il s' égare, il faut le chercher et fouiller partout. [2.415 #3237]
Fanazavana frantsayTraitez cette affaire avec soin. [2.415 #3237]

Ohabolana 3Ataovy anatra imaso hifanatrehana, fa raha takona tonga fosa. [1.1]
Ataovy anatra imaso ifanatrehana: fa raha takona tonga fosa. [2.165]
Dikanteny frantsaySi vous avez des remontrances à faire à quelqu' un, faites-les à la personne que cela concerne; car si vous en parlez à d' autres, vous tomberez dans la médisance. [2.165]

Ohabolana 4Ataovy anoano ao na hisy na tsy hisy. [2.415 #3656]
Dikanteny frantsayCherche bien pour voir s' il y a ombre de personne ou de chose en cet endroit, et si tu trouves, apporte. [2.415 #3656]
Fanazavana frantsayCe proverbe vient d' un conte malgache où une personne oubliée par Dieu dans la répartition des noms, fut changée par lui en un insecte puant ; ces paroles servaient de stimulant. [2.415 #3656]

Ohabolana 5Ataovy betsaka ny sakaizanao, fa ataovy vitsy ny itokiana. [2.415 #5067]
Ataovy maro ny sakaiza, fa ataovy vitsy ny mahatoky. [2.415 #5067]
Ataovy maro ny sakaiza, fa iray ihany no itokisana. [1.1]
Fanazavana malagasyOhabolana mampahatsiaro fa na maro aza ny namana, vitsy no tena azo itokisana. [1.1]
Dikanteny frantsayAyez beaucoup d' amis, mais confiez-vous à un petit nombre. [2.415 #5067]

Ohabolana 6Ataovy fanjakan' ny malahelo, ka mangin-tsy afoy. [2.415 #3169]
Dikanteny frantsayFaites-en un fief des malheureux qu' on garde sans bruit. [2.415 #3169]
Fanazavana frantsayCes paroles furent dites par le roi Andrianampoinimerina aux descendants d' Andriantompokoindrinda pour leur dire de ne pas abandonner leurs fiefs ; elles sont devenues proverbiales pour signifier les biens héréditaires qu' on n'abandonne pas : il vaut mieux garder son bien sans éclat que de le perdre avec éclat. [2.415 #3169]

Ohabolana 7Ataovy fihavanam-bava sy tanana: koa raha marary ny tanana, dia mitsoka ny vava, ary marary ny vava dia misafo ny tanana. [2.165]
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana, dia mitsoka ny vava; ary raha marary ny vava, dia misafo ny tanana. [2.653 #304, 2.415]
Fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana, mitsoka ny vava ; ary raha marary ny vava, misafo ny tanana. [2.974]
Dikanteny frantsayImitez l' union de la bouche et de la main : si la main est malade, la bouche souffle dessus, et si la bouche est malade, la main la caresse. [2.415 #5165]
Que vos rapports d'amitié soient comme les rapports de la bouche et de la main: quand la main a mal, la bouche souffle dessus; et quand la bouche a mal, c' est la main qui la frotte. [2.165]
S’aimer comme la bouche et la main : si la main souffre, la bouche souffle dessus ; et si la bouche a mal, c’est la main qui la panse. [2.974 #6]
Fanazavana frantsaySe disait de l'accord et du secours mutuel. [2.415 #5165]

Ohabolana 8Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny maito tohizana. [2.165 #195]
Ataovy fitia landihazo : ny madilana tentenana, ny maito tohizana. [2.415 #5065, 2.653 #306]
Fitia landihazo : ny madilana tentenana, ny maito tohizana. [2.974 #7]
Dikanteny frantsayComme le coton : les endroits jninces se doublent, les fils coupés se rattachent. [2.974 #7]
Dans vos affections faites comme pour le coton : les fils trop minces, on les renforce ; les fils rompus, on les unit. [2.415 #5065]
Traitez vos amis comme on traite un fil de coton: s' il est trop mince, on y ajoute, et s' il se casse, on rattache les deux bouts. [2.165 #195]

Ohabolana 9Ataovy fitian-dranon' erika: madini-pihavy fa mahatondra-drano. [2.165 #200]
Aza manao fitian-dranon' erika: fa aoka hasesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ranonorana ho lany. [2.558 #499]
Aza manao fitian-dranon’ erika : madini-pihavy, fa mahatondra-drano ; fa aoka hasesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ranonorana ho lany. [2.653 #444]
Dikanteny frantsayQue votre amitié soit comme la bruine: elle tombe fine, mais elle peut faire déborder les rivières. [2.165]

Ohabolana 10Ataovy fitia voampoa : mbola lavitra ihany dia ampoizina. [2.165, 2.415]
Dikanteny frantsayAimer comme on aime les fruits du Voampoa : on est encore loin et déjà on se réjouit de les manger. [2.415]
Aimez comme on aime les fruits du "voampò" (autre plante de la famille des solanées): alors qu' on en est encore loin, on se réjouit de les manger (litt. on les attend). [2.165]
Fanazavana frantsayAssonance : voampoa et ampoizina. [2.415]
Ce proverbe repose sur un jeu de mots. [2.165]

Ohabolana 11Atao vikin’ alina : aleo miohatra toy izay ho latsaka. [2.653, 2.974]
Ataovy vikin' alina, ka aleo miohatra toy izay ho latsaka. [2.165]
Vikin' alina ka aleo miohatra toy izay latsaka. [2.558]
Dikanteny frantsayFaire comme celui qui saute de nuit un jossé : mieux vaut un saut trop long que trop court. [2.974 #214]
Faites comme lorsqu' on saute (un fossé) de nuit; il vaut mieux sauter trop loin que pas assez et tomber (dans le fossé). [2.165]

Ohabolana 12Ataovy lava ny tendanao, ravano, hahenina anay mianakavy. [2.415 #4465, 2.653 #308]
Dikanteny frantsayHéron, fais que ton cou soit assez long pour que toute notre famille en ait un morceau. [2.415 #4465]
Fanazavana frantsaySe disait dans les partages et les distributions : qu' il y en ait pour tout le monde. [2.415 #4465]

Ohabolana 13Ataovy mifikitra amim-bahy lena, fa tsy amim-bahy maina. [2.415 #828]
Tsy mifikitra amim-bahy maina, fa mifikitra amim-bahy lena. [2.415 #828, 1.1]
Fanazavana malagasyMiantehitra na miankina amin' ny olona azo antoka. [1.1]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas s' appuyer sur une liane sèche, mais sur une liane verte. [2.415 #828]
Fanazavana frantsayIl faut chercher des appuis solides. [2.415 #828]

Ohabolana 14Ataovy mitombo hoatry ny tohatr' omby fahavaratra, fa aza atao mihena hoatry ny trafon' omby ririnina. [2.415 #2171]
Ataovy mitombo ohatra ny tohatr’ omby fahavaratra, fa aza atao mihena ohatra ny trafon’ omby ririnina. [2.653]
Dikanteny frantsayFaites prospérer vos biens comme les mamelles des vaches qui se gonflent en été ; ne les laissez pas décroître comme la bosse du boeuf qui se ratatine en hiver. [2.415]

Ohabolana 15Ataovy tery omby ririnina ka atao izay tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny. [1.1]
Tery omby ririnina : atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [2.415 #398]
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hahakely ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [1.1]
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [1.1]
Toy ny tery omby ririnina: atao tsy mankahia ny reniny, tsy mahabotry ny zanany. [2.165 #1273, 2.415 #6194, 2.653]
Toy ny tery omby ririnina : ataovy izay tsy hankahia an-dreniny ary tsy hahabotry ny zanany. [2.558 #4337]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fitsimbinana antokon' olona roa, izay samy mitady tombontsoaho azy avy, toy ny mpivarotra sy ny mpividy izany, ohatra, ka amin' ny fiadiam-barotra indrindra no ampiasaina io ohabolana io. [1.1]
Enti-milaza fltsimbinana olona na zavatra roa tonta, ny andaniny sy ny ankilany. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme lorsqu' on trait une vache en hiver : on le fait de manière à ce que la vache ne s' amaigrisse pas, et que le veau ne soit pas rabougri. [2.415 #6194]
Manière de traire les vaches en hiver : il ne faut pas rendre la vache trop maigre ni rendre le veau trop chétif. [2.415 #398]
Pareil à une vache que l' on trait en hiver: il faut lui laisser un peu de lait afin de ne pas la faire maigrir trop, et pourtant il faut aussi que le veau ait sa part afin de ne pas rester chétif. [2.165]
Fanazavana frantsayIl y a peu de lait en hiver. Se disait de la prudence et du savoir faire à tout concilier, ainsi il ne faut pas trop pressurer le peuple par les impôts et la corvée. [2.415 #6194]
Il ne faut pas trop pressurer les gens par l' impôt, la corvée, les demandes de service ; il faut être sage à tout concilier. [2.415 #398]

Ohabolana 16Ataovy toy ny dian-tana : jereo ny aloha, todiho ny aoriana. [2.974 #253, 2.653]
Dian-tana : sady mitazana ny eo aloha no mijery ny eo aoriana. [2.558]
Dikanteny frantsayMarchez comme le caméléon ; regardez devant vous, mais ayez un œil vers l’arrière. [2.974 #253]

Ohabolana 17Ataovy toy ny lamban’ akoho ny fanambadiana : faty no hisarahana. [2.653 #312]
Ataovy toy ny lamban' akoho ny fanambadiana : faty no isarahana. [2.415 #1359]
Ataovy toy ny lamban' akoho ny fanambadiana, ka faty no isarahana. [2.165 #1817, 2.558 #336]
Dikanteny frantsayQue le mariage soit comme les plumes (litt, le "lamba" ) d' un poulet: on ne se sépare qu' à la mort. [2.165]
Que le mariage soit pour vous comme les plumes des volailles qui ne les quittent qu' à la mort : qu' il soit indissoluble jusqu' à la mort. [2.415 #1359]

Ohabolana 18Ataovy toy ny landy: an-trano vao manatevina. [2.165 #760]
Ataovy toy ny landy ny tokantrano : an-trano vao manatevina. [2.415 #75]
Ataovy toy ny landy ny tokantrano : ao an-trano vao manatevina. [2.558 #337, 2.653 #313]
Dikanteny frantsayFaites comme le ver à soie: ce n' est qu' une fois qu' il est entré dans sa maison qu' il commence à l' arranger (litt. à l' épaissir). [2.165]
Que votre ménage soit comme le ver à soie : c' est quand le ver à soie est dans le cocon qu' il grossit. [2.415 #75]
Fanazavana frantsayAllusion à la façon dont le ver à soie fait son cocon. [2.165]
Il ne faut pas courir au lieu de s' occuper du ménage ; ou bien les richesses n' arrivent pas tout d' un coup mais peu à peu. [2.415 #75]

Ohabolana 19Ataovy toy ny landy, ny bokaboka mameno ny kely andilana. [1.1]
Fanazavana malagasyAoka hifanampy ka ny manana tombony hameno ny tsy ampy. [1.1]

Ohabolana 20Ataovy toy ny sira ny fitondra havana : mahery, tsy mahafola-nify ; malemy, misy hitelemana ; fa ny havana no lelafin-katelina. [2.653 #314]
Ataovy toy ny sira ny fitondrana havana : mahery, tsy mahafola-nify ; malemy, misy hitelemana ; fa ny havana no lelafin-katelina. [2.415 #1053]
Ataovy toy ny sira ny fitondran-kavana : mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana, fa ny havana no lelafin-katelina. [2.558 #338]
Dikanteny frantsayIl en est des rapports avec les parents comme du sel : même s' il y a beaucoup de sel, cela ne casse pas les dents ; s' il y en a une juste dose, on avale avec plaisir, car les parents sont aimés et chéris. [2.415 #1053]

Ohabolana 21Ataovy toy ny tsimpon-tainomby ny filan-karena : na kely azo, na be azo, ataovy an-karona. [2.415 #2172, 2.653 #315]
Ataovy toy ny tsimpon-tain' omby ny filan-karena: na kely azo, na be azo, ataovy an-karona avokoa. [2.165 #765]
Ataovy toy ny tsimpon-tain' omby ny filan-karena : ny kely azo, atao an-karona, ny be indrindra indrindra. [2.558 #339]
Dikanteny frantsayFaites pour les richesses ce que l' on fait pour la bouse de vache : qu'il y en ait peu ou beaucoup, la corbeille reçoit ce qu' il y a. [2.415 #2172]
Pour vous enrichir, faites comme ceux qui ramassent de la bouse de vache (servant de combustible): que vous en trouviez (c.à.d. de l' argent) peu ou beaucoup, mettez tout dans la corbeille. [2.165]

Ohabolana 22Ataovy toy ny tsipoy mifamelona. [2.165 #1778, 2.653 #316]
Ataovy toy tsipoy mifamelona. [2.415 #76]
Ataovy tsipoy mifamelona, fa aza atao vay ratsy mifampihinana. [2.558 #340]
Dikanteny frantsayÉpoux, agissez entre vous comme les perdrix qui savent se nourrir mutuellement. [2.415 #76]
Faites comme les perdrix qui se nourrissent l' une l' autre. [2.165 #1778]
Fanazavana frantsayAidez-vous réciproquement. [2.415 #76]

Ohabolana 23Ataovy tsy very ny soa, fa ny vato aza raha nanambina nohosora-menaka. [2.558 #342]

Ohabolana 24Ataovy vatsin-tsorohitra : an-dalana vao mitady. [2.415 #4466, 2.653 #317]
Ataovy vatsin-tsorohitra, ka an-dalana vao mitady. [2.558]
Dikanteny frantsayFaites provision de voyage à la façon des alouettes : elles ne cherchent de nourriture qu' en chemin. [2.415 #4466]
Fanazavana frantsayVivre au jour le jour. [2.415 #4466]

Ohabolana 25Aza asiana anga-potsy sy anga-mainty, fa ataovy angana iray ihany. [2.165 #266]
Dikanteny frantsayNe teignez pas en blanc et en noir, mais mettez une seule teinte. [2.165 #266]

Ohabolana 26Aza atao andry ombin' ilay adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo ; fa ataovy andry ombin' ilay mora, ka ny aloha voakahankahana, ny aoriana voasafosafo. [2.415]
Aza atao andri-ombin’ ilay adala, ka ny aloha voa-tora-tandroka, ary ny aoriana voahavokavoka ; fa ataovy andry ombin’ ilay mora, ka ny aloha voakahankahana, ny aoriana voasafosafo. [2.653 #336, 2.415]
Dikanteny frantsayNe gardez pas les boeufs comme ce sot qui lance des pierres aux comes de ceux qui sont devant et frappe ceux qui sont derrière ; mais imitez la douceur de celui qui appelle ceux qui vont trop vite et caresse ceux qui sont derrière. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de la manière de traiter et de conduire les gens : il ne faut pas les traiter avec méchanceté. [2.415 #2064]

Ohabolana 27Aza atao fihavanam-bato : raha tapaka, tsy azo atohy; fa ataovy fihavanan-dandy: raha madilana aza, tohizana. [2.653 #342]
Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, ka ny maito azo tohizana, ny mandilana, arahim-panondro. [2.558 #382]
Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka, tsy azo atohy; fa ataovy fihavanan-dandy, ka raha madilana, azo tohizana. [2.165 #213]
Aza atao fihavanam-bato : raha tapaka tsy azo atohy ; fa ataovy fihavanan-dandy : raha madilana, azo tohizana. [2.415 #5068, 2.974]
Manao fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy. [2.558 #1989]
Manao fihavanam-bato: tapaka tsy azo atohy. [2.653 #1532]
Dikanteny frantsayQue votre amitié ne ressemble pas aux pierres brisées dont les fragments ne peuvent plus être réunis, mais aux fils de soie qu' il est facile de renforcer lorsqu' ils menacent de se rompre. [2.415 #5068]
Que votre amitié ne soit pas comme une pierre, car, si elle se brise, on ne peut plus rejoindre les morceaux; mais qu' elle soit comme un fil de soie, car, s' il est trop tenu, on peut toujours y ajouter pour le renforcer. [2.165]
Que votre union ne ressemble pas à celle de la pierre : une fois brisée, elle ne se raccommode pas ; qu’elle ressemble plutôt à celle des fils de soie : s’il en est de plus ténus, on les double. [2.974 #402]
Fanazavana frantsayEncouragement à bien s' aimer. [2.415 #5068]

Ohabolana 28Aza atao fitia rano-trambo : be fihavy ka mora ritra ; fa ataovy tahaka ny rano am-pasika : tsy nampoizina hisy ka nahazoana. [2.974]
Aza ataonao fitia ranon-trambo : be fihavy, ka mora ritra ; fa ataovy tahaky ny rano am-pasika : tsy nampoizina hisy, ka nahazoana. [2.415 #5074]
Aza ataonao fitia rano-trambo: be fihavy, ka mora ritra; fa ataovy tahaka ny rano am-pasika: tsy nampoizina hisy, ka nahazoana. [2.653 #375]
Aza dia atao toy ny ranotrambo ny fitia, ka be fihavy fa mora tankina. [2.558 #434]
Aza manao fitia ranotrambo: be fihavy, fa mora mianina. [2.653 #443]
Aza manao fitia ranotrambo: be fihavy, fa mora ritra. [2.653 #443]
Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa. [2.165]
Dikanteny frantsayQue l’amour n’imite pas les fortes ondées : abondantes mais vite épuisées; mais qu’il soit comme l’eau cachée dans le sable : on n’y comptait pas, et l’on en trouve. [2.974 #9]
Que votre amitié ne soit pas comme l' eau d' un torrent: elle vient en grande abondance, mais disparaît en peu de temps. [2.165]
Que votre amour ne soit pas comme le torrent qui se déverse à grands flots et tarit vite ; mais qu' il soit comme l' eau dans le sable : on n' espérait pas en trouver et cependant on a pu en recueillir. [2.415 #5074]

Ohabolana 29Aza atao manara-bato aman-kazo. [2.558 #408]
Aza atao manara-bato aman-kazo, fa mba ataovy manaraka olombelona. [2.415 #77]
Dikanteny frantsayQu' elle ne suive pas de la pierre et du bois, mais un homme. [2.415 #77]
Fanazavana frantsayParoles dites au gendre par les parents de la femme pour que son mari la traite bien. [2.415 #77]

Ohabolana 30Aza dia miolika hoatry ny tsinain' ondry ; fa aoka mba ho tsotra hoatry ny tsinaim-balala. [2.415 #4974]
Aza dia miolika loatra ohatry ny tsinain' ondry, fa ataovy tsotra toy ny tsinaim-balala. [2.558 #442]
Aza dia miolika ohatra ny tsinain’ ondry ; fa aoka mba ho tsotra ohatra ny tsinaim-balala. [2.653]
Dikanteny frantsayNe soyez pas sinueux comme les boyaux du mouton mais simple comme les intestins de la sauterelle. [2.415 #4974]

Ohabolana 31Aza misomidika ambony toa menaka: fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka. [2.165 #531]
Aza somidika ambony, toa menaka; fa ataovy latsaka anatiny, toa tsoka. [2.653 #709, 2.974 #315]
Aza somidika ambony toa menaka, fa ataovy latsaka anaty toa tsoka. [2.415 #4740]
Ny fihavanana aza atao somidika ambony toa menaka fa ataovy latsaka toa tsoka. [2.558 #2982]
Dikanteny frantsayN' ayez pas des paroles surnageant comme la graisse, mais qu' elles viennent du fond comme la moelle. [2.165]
Ne nagez pas à la surface, comme la graisse ; mais pénétrez au fond, comme la moelle. [2.974 #315]
Ne surnagez pas comme l' huile et la graisse, mais allez à l' intérieur comme la moelle de l' os. [2.415 #4740]
Fanazavana frantsayC. à. d. ne parlez pas en l' air, mais dites ce que vous pensez vraiment, de sorte qu' on puisse s' y fier. [2.165]
Ne parlez pas à la légère, mais réfléchissez. [2.415 #4740]

Ohabolana 32Aza mitoe-mamokaiky, fa ataovy izay tratry ny aina. [2.653 #662]
Aza mitomoe-mamokaiky fa ataovy izay tratry ny aina. [2.558 #57]

Ohabolana 33Henan' ny mpitsoka miozika : ataovy tsara zara, fa vidim-pofon' aina. [2.415 #4491, 2.653 #1048]
Henan' ny mpitsoka mozika : ataovy tsara zara fa vidim-pofon' aina. [2.558 #1307]
Dikanteny frantsayViande qu' on donne en récompense aux musiciens : qu' on la partage bien, car c' est le prix du souffle de la vie. [2.415 #4491]
Fanazavana frantsayAllusion à la cote personnelle ou prix de la vie vidin' aina ; cette cote personnelle était payée au souverain. [2.415 #4491]

Ohabolana 34Lalao amin-jaza : ka ataovy izay tsy hampitomany azy. [2.415 #1515, 2.165]
Lalao amin-jaza ka ataovy izay tsy hitomaniany. [2.558 #1690]
Tahaka ny lalao amin-jaza, ka atao izay tsy itomaniany. [2.558 #257]
Tahaka ny laolao amin-jaza, ka atao izay tsy hampitomany azy. [2.653 #2960]
Dikanteny frantsayEn jouant avec des enfants, jouez de façon à ne pas les faire pleurer. [2.165]
Quand vous jouez avec des enfants, faites en sorte de ne pas les faire pleurer. [2.415 #1515]

Ohabolana 35Mba ataovy toy ny anana lahy, ka raha maniry, tsongoy. [2.165]
Mba ataovy toy ny anana lahy ka raha maniry tsongoina. [2.558 #2219]
Mba ataovy toy ny anana lany: raha maniry tsongoina. [2.653 #1696]
Dikanteny frantsayFaites-lui donc comme aux herbes potagères: s' il croît, coupez-le. [2.165 #1563]

Ohabolana 36Mba ataovy toy ny voankazo an' ala ny anatra omen’ ny olona ny tena, ka ny mangidy aloa ary ny mamy atelina. [2.415 #6512]
Voankazo an' ala, ka ny mamy atelina ary ny mangidy aloa. [2.415 #6533]
Voankazo an' ala, ka ny mangidy aloa, ny mamy atelina. [2.558 #4993]
Voankazo an' ala : ny mangidy aloa, ny mamy atelina. [2.653 #3706, 2.974 #335]
Voankazo añ' ala ka ty mame atele, ty mafaitse aria. [1.68]
Dikanteny frantsayFaites comme avec les fruits de la forêt : on avale les doux et on jette les amers. [1.68]
Faites des avis qu'on vous donne, comme des fruits qu' on trouve dans la forêt : on mange les bons et on laisse les mauvais. [2.415 #6512]
Gomme les fruits cueillis dans la forêt : ceux qui sont amers, on les rejette ; ceux qui sont doux, on les savoure. [2.974 #335]
Quand on trouve des fruits dans la forêt, on mange les bons et on laisse les mauvais. [2.415 #6533]
Fanazavana frantsayOn essaie les fruits, et c'est par le goût qu'on juge ; de même il faut écouter les avis et voir quels sont ceux qui sont bons ou mauvais. [2.415]
Se disait des avis reçus et des paroles entendues. [2.415 #6533]

Ohabolana 37Ny anatra ataovy toy ny hazo : Hazony raha manendrika anao, avelao hihazohazo raha tsy azoazonao. [2.558]

Ohabolana 38Ny havana ataovy toy ny andry ombin' ilay mora: ny aloha voasafosafo, ary ny aoriana voatehatehaka. [2.165]
Dikanteny frantsayTraitez vos parents (ou vos amis) comme un doux pâtre traite ses bœufs: il caresse ceux qui vont devant et il tapote ceux qui viennent derrière. [2.165 #197]

Ohabolana 39Ny iray tsy tia mafana, ary ny iray tsy tia mangatsiaka; ka ataovy marimaritra hiraisana. [2.165 #263]
Dikanteny frantsayL' un n' aime pas chaud, l' autre n' aime pas froid; donc faites tiède pour rester d' accord. [2.165 #263]

Ohabolana 40Raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy. [2.165]
Raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry tsongoina. [2.558 #3626]
Dikanteny frantsaySi vous trouvez un sorcier piétinant (sur un tombeau), faites lui comme aux "anana" (nom générique des herbes potagères), quand elles poussent, on les coupe. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. débarrassez-vous de lui. [2.165]

Ohabolana 41Voanantay, voanantay : ka ataovy be mba hilana. [2.415 #3165, 2.165]
Dikanteny frantsayMorelles qui poussent vite, morelles qui poussent vite : faites qu' il y en ait beaucoup, pour qu'on puisse en avoir. [2.415 #3165]
Qui pousse vite, qui pousse vite; faites qu' il y en ait beaucoup pour qu' on puisse en avoir. [2.165]

Fizahan-teny