Fizahan-teny

Ohabolana : avoko

Ohabolana 1Androngo milanja vonin' avoko : ny mihinana tsy toy inona, fa ny mielo mena no tsy tanty. [2.415 #704]
Androngo nilanja vonin' avoko, ny mihinana tsy ela, fa ny mielo mena no tsy tanty. [2.558 #245]
Androngo nilanja vonin' avoko: ny mihinana tsy toy inona, fa ny mielo mena no tsy tanty. [2.653 #226]
Dikanteny frantsayLézard qui porte une fleur d'avoko : la manger, ce n' est pas une affaire, mais le dangereux c' est de porter un parasol rouge. [2.415 #704]
Fanazavana frantsayLa fleur d' avoko est rouge ; le proverbe fait allusion au parasol rouge, signe de la souveraineté ; le sens est que les officiers concussionnaires ne craignent que le souverain. [2.415 #704]

Ohabolana 2Avoko no nasaina nohaniny ka soamalandona no nataony be am-bava. [2.558 #358]
Avoko no nasaina nohaniny ka soamalondona no nataony be am-bava. [1.1]
Avoko no nasaina nohaniny, ka soamalondona no nataony be am-bavany. [2.165]
Avoko no nasaina nohaniny, ka soihalondona no nataony be am-bava. [2.653 #329]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona izay tsy mitandrina amin' izay ataony. [1.1]
Dikanteny frantsayOn lui ordonne de manger de "l' avoko" et c' est de "soamalondona" qu' il se bourre. [2.165]
Fanazavana frantsayL' "avoko" est une petite légumineuse dont la racine est bonne à manger; le "soamalondona" lui ressemble, mais est vénéneux; on rappelle aussi "tangem-boalavo" - tanguin des rats - parce que ses tubercules sont employés à détruire ces animaux. [2.165]

Ohabolana 3Aza dia ny fitiavana avoko no hihinanana somalon-dona, fandrao idiran-doza. [2.653 #382]
Aza dia ny fitiavana avoko no ihinanana soamalandona. [2.558 #443]

Ohabolana 4Aza mangarom-biby an-davaka. [2.165 #1736]
Aza mangarom-biby an-davaka, na mihady avoko an-tany mafy. [2.558 #680]
Aza mangarom-biby an-davaka sy mihady avoko an-tany mafy. [2.653 #576]
Mangarom-biby an-davaka. [2.415 #6303]
Dikanteny frantsayCelui qui s' expose au danger, est comme un homme qui cherche à prendre un animal dangereux dans son trou. [2.415 #6303]
N' allez pas déranger un animal (dangereux) dans son trou. [2.165]

Ohabolana 5Itataram-poza; iasana avoko; anarahana Andriana hena. [2.653 #1153]
Itataram-poza, iasana tanety, avoko, anarahana andriana, hena. [2.558 #1453, 2.165]
Dikanteny frantsaySi l' on creuse des petits canaux dans les rizières (après la récolte), c' est pour y attraper des crabes d' eau douce; si l' on creuse le sol, c'est pour y trouver des racines d' "avoko" ; et si l' on suit le souverain, c' est pour obtenir de la viande. [2.165]
Fanazavana frantsayPersonne ne se donne de la peine sans en espérer quelque gain; ceux qui suivaient le souverain en voyage et rendaient quelque service participaient aux distributions de viande ou de monnaie qui avaient lieu. [2.165]

Ohabolana 6Kitsangana sy avoko ka tanety no iraisana. [2.558 #1657]
Kitsangana sy avoko: tanety no iraisana. [2.653 #1274, 1.1]
Fanazavana malagasyMisy olona samy hafa be na ny toetrany na ny fihetsiny nefa mazàna hita miara-mitoetra eny. [1.1]

Fizahan-teny