Fizahan-teny

Ohabolana : bainga

Ohabolana Fa bainga tany an-tenantenan-tsolatra angaha, ka raha tsy voapaoky ny rivo-dririnina aza, dia akoan' ny oram-pahavaratra. [Rinara 1974 #1048]

Ohabolana Hosy be rano ka mahavery bainga. [Rinara 1974 #95]
Hosy be rano ka mahavery ny bainga. [Houlder 1895 #1215]
Hosy be rano, mahavery ny bainga. [Cousins 1871 #1103]
Lainga tsara lahatra, mahavery rariny, hosy be rano, mahavery bainga. [Rinara 1974 #1681]
Dikanteny frantsay Dans une rizière trop inondée d' eau, les mottes sont cachées. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Et il est difficile de les briser, puisqu' on ne les voit pas. L' excès est nuisible en tout. [Houlder 1895]

Fizahan-teny