Fizahan-teny

Ohabolana : bevohoka

Ohabolana Bevohoka miantsena ka ny maharatsiana no am-bentin-dresaka. [Rinara 1974 #887]

Ohabolana Bevohoka nisaoram-bady ka avo sasaka ny alahelo. [Rinara 1974 #888]

Ohabolana Bevohoka tia tsakotsako : ny andro iray no tsy ho afaka. [Veyrières 1913 #759, Cousins 1871 #760]
Dikanteny frantsay Femme enceinte qui mâche tout ce qu' elle trouve : elle aura un jour difficile à passer, elle enfantera douloureusement. [Veyrières 1913 #759]
Fanazavana frantsay On disait ce proverbe à la femme enceinte pour signifier les soins à prendre ; la croyance populaire redoutait que la femme enceinte fût ensorcelée. [Veyrières 1913 #759]

Ohabolana Bevohoka tsara teraka ka indray latsaka ny zaza sy ny ahitra. [Rinara 1974 #59]

Ohabolana Bevohoka tsy mahalala andro, ka raha teraka izy, babena. [Houlder 1895]
Bevohoka tsy mahalala andro : rehefa teraka babena. [Rinara 1974 #890]
Bevohoka tsy mahalala andro : rehefa teraka izy, babena. [Cousins 1871 #761]
Dikanteny frantsay Une femme enceinte qui ne sait pas quand son enfant naîtra; mais une fois né, elle le porte sur son dos. [Houlder 1895]

Ohabolana Bevohoka tsy mahatelin’ anaka, samy an-drano tsy mahalà ny lentina. [Samson 1965]

Ohabolana Izaho tsy mahalala akoho bevohoka, fa rehefa mikakaka izy saronako. [Rajemisa 1985]
Izaho tsy mahita izay akoho bevohoka, fa izay mikakakaka, saronako. [Rinara 1974 #104]
Izaho tsy mahita izay akoho bevohoka, fa raha mikakaka saronako. [Veyrières 1913 #6227, Cousins 1871 #1168]
Fanazavana malagasy Ilazana ny zava-miseho ety ivelany, toy ny feo, izay mazana entina mitsara ny tena toe-javatra. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Je ne vois pas si une poule va avoir des poussins, mais quand son gloussement annonce qu' elle va pondre, je la couvre avec la corbeille. [Veyrières 1913 #6227]

Ohabolana Malaka viavy bevohoka : malaka aretina tsy an-tena. [Samson 1965 #M10]

Ohabolana Nahoana no dia ratsy vintana ohatra ny saka : bevohoka vao atao mamosavy ? [Rinara 1974]
Nahoana no dia ratsy vintana tahaka ny saka: berohoka vao atao mamosavy ? [Cousins 1871 #2037]
Nahoana no dia ratsy vintana takaky ny saka ? bevohoka vao atao mamosavy. [Veyrières 1913 #90]
Dikanteny frantsay Pourquoi avoir un mauvais destin comme la chatte ? c' est quand elle est pleine qu' on la dit adonnée à la sorcellerie. [Veyrières 1913 #90]
Fanazavana frantsay C' était une croyance populaire que la chatte avortait lorsqu' on disait : elle est pleine ; aussi pour désigner une chatte pleine, on employait le mot mamosavy : faire de la sorcellerie. [Veyrières 1913 #90]

Ohabolana Nahoana no ondrikely voky, ka ovana ho bevohoka ? [Cousins 1871 #2062, Rinara 1974]

Ohabolana Very fanahy mangatsia-kevitra, toy ny bevohoka nisaoram-bady. [Rinara 1974 #4938]

Fizahan-teny