Fizahan-teny

Ohabolana : efatra

Ohabolana 1Maty vao mizara efatra hoatry ny tandrok' omby. [2.415 #2875]
Maty vao mizara efatra, ohatra ny tandrok’ omby. [2.653]
Maty vao mizara efatra toa tandrok' omby. [2.558 #2212]
Dikanteny frantsayC' est une fois mort qu' il se partage en quatre comme les comes du boeuf. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait du partage après la mort. [2.415 #2875]

Ohabolana 2Miaraka efatra manaratsy dia, telo misy ambiny, ny tokana tsy ampy fa ny roa no tsara indrindra. [2.558]

Ohabolana 3Ny lahy mamindra intelo ka mahazo hevitra; ny vavy miondrika inefatra vao mahazo ny azy. [2.165]
Ny lehilahy, raha mandingana intelo, mahazo hevitra ; ny vehivavy, raha miondrika inefatra, mahazo saina. [2.415 #1878, 2.974]
Ny lehilahy raha mandingana intelo mahazo hevitra, ny vehivavy raha miondrika in' efatra mahita saina. [2.558]
Ny lehilahy, raha mandingana intelo, mahazo hevitra ; ny vehivavy, raha miondrika inefatra, maka saina. [2.415 #1678]
Dikanteny frantsayAu mari, il suffit de faire trois pas pour trouver son idée; mais il faut que la femme se penche quatre fois pour trouver la sienne. [2.165]
Il suffit à l'homme de faire trois pas pour trouver la décision à prendre ; la femme doit s' incliner profondément jusqu' à quatre fois avant de savoir que faire. [2.415 #1678]
Que l’homme fasse trois pas, et il mûrira son idée ; que la femme s’incline quatre fois, et elle aura la lumière. [2.974 #327]
Fanazavana frantsayDrôle de façon d'exprimer la supériorité intellectuelle du sexe fort. [2.165]
L' homme l' emporte sur la femme dans l' art de discuter et de raisonner. [2.415 #1678]

Ohabolana 4Ny voa famaky indray no mandoa efatra ambatry. [2.415 #3362]
Dikanteny frantsayCelui qui reçoit le coup de hache est condamné à payer cinq sous. [2.415 #3362]
Fanazavana frantsayDans un procès, le perdant est condamné à payer les frais. [2.415 #3362]

Ohabolana 5Riran-jozoro: ka raha roa, loza; efatra, antambo ; fa telo vao mahay mifanaraka. [2.415 #5225, 2.653 #2793]
Riran-jozoro : raha roa loza, raha efatra antambo, fa telo vao mifanaraka. [2.558 #3756]
Dikanteny frantsayArêtes de jonc : s' il n' y en a que deux c' est un malheur, s' il y en a quatre c' est une calamité ; mais à trois, elles s' accordent bien. [2.415 #5225]
Fanazavana frantsayAllusion au jonc triangulaire qu' on appelait telo rirana. [2.415 #5225]

Ohabolana 6Tanana eo an-jorony efatra, ohatra ny fihinam-boatavo mahamay. [2.653]
Tanana eo an-jorony efatra toy ny fihinam-boatavo mahamay. [2.558]

Ohabolana 7Terak’ondry ririnina : izay ho donga tsy ierenana, fa zara raha misy tongotra efatra. [2.415 #3143, 2.653]
Dikanteny frantsayBrebis qui met bas en hiver : on ne demande pas que le petit soit dodu, c' est déjà bien qu' il ait quatre pattes. [2.415 #3143]

Ohabolana 8Tongotra efatra tsy indray mamindra. [2.165 #1220]
Dikanteny frantsayLes quatre jambes (d' un quadrupède) ne se déplacent pas toutes les quatre à la fois. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne faut faire qu' une chose à la fois. [2.165]

Ohabolana 9Zakan' olon-drery, zakan' olon-droa, zakan' olon-telo, zakan' olona efatra. [2.415 #6679]
Dikanteny frantsayPoids qui est la charge d' un homme seul, ou de deux hommes, ou de trois, ou de quatre, etc... à raison de vingt-cinq à trente kilos par homme. [2.415 #6679]

Fizahan-teny