Fizahan-teny

Ohabolana : fahalainana

Ohabolana Akory ity ilay malaina no mitarehin-jaza aizana ka mavozon' ny haka-moana mararin' ny tazon' ny fahalainana ary mitarehim-balala maty. [Houlder 1895 #712]
Dikanteny frantsay Regardez-moi ce paresseux qui a l' air d' un petit enfant malade et qui est éreinté de paresse: il est malade de la fièvre de paresse et ressemble à une sauterelle morte. [Houlder 1895]

Ohabolana Miadam-pandeha ny fahalainana, ka mora tratry ny fahoriana. [Nicol 1935 #490]
Dikanteny frantsay La paresse va si lentement que bientôt la misère l’a atteinte. [Nicol 1935 #490]

Ohabolana Ny fahadalana hoatry ny aretin' androbe : vory vahoaka, vao manala baraka. [Veyrières 1913]
Ny fahadalana ohatra ny aretin’ androbe : vory vahoaka vao manala baraka. [Cousins 1871]
Ny fahalainana hoatry ny aretin' androbe : vory vahoaka, vao manala baraka. [Veyrières 1913]
Ny fahalainana ohatra ny aretin’ androbe : vory vahoaka vao manala baraka. [Cousins 1871]
Ny fahalainana toy ny aretina androbe : vory vahoaka vao manala baraka. [Rinara 1974 #2944]
Dikanteny frantsay La stupidité et la fainéantise sont comme l' épilepsie : c' est quand la foule est réunie que cela vous déshonore parce qu' alors on s' en aperçoit. [Veyrières 1913 #2101]

Fizahan-teny