Fizahan-teny

Ohabolana : fahoriana

Ohabolana 1Be ny malahelo fa izay maka kitay amoron-dalana no hitan' ny olona ny fahoriany. [2.558]
Be ny malahelo, fa izay maka kitay amoron-dalana no mampiseho ny fahoriany. [2.415 #2595, 2.653 #762]
Dikanteny frantsayIl y a beaucoup de malheureux mais ceux qui montrent leur misère, ce sont ceux qui vont chercher de la paille à brûler sur les bords du chemin. [2.415 #2595]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui avaient le tort de rendre publiques les misères de la famille. [2.415 #2595]

Ohabolana 2Fahoriana tsy ho afaka va iny, ka dia handry aman-tany ? [2.415 #2598, 2.653 #884]
Fahorian-tsy ho afaka ve iny ka dia handriana amin' ny tany. [2.558 #1056]
Dikanteny frantsayAvez-vous donc un malheur inguérissable que vous êtes ainsi couché à terre? [2.415 #2598]
Fanazavana frantsayÊtes-vous donc sans espoir ? [2.415 #2598]

Ohabolana 3Kamboty be sotro ka manampatra ny fahoriana. [2.558 #1595]
Kamboty be sotro : manampatra ny fahoriana. [2.415 #1022, 2.653 #1222]
Kamboty be sotro, manampatra ny fahoriany. [2.165 #1903]
Dikanteny frantsayOrphelin qui se sert d' une grande cuiller : il ne fait qu' augmenter son malheur. [2.415 #1022]
Un orphelin avec une grande cuiller: il profite de son malheur. [2.165]
Fanazavana frantsayParce qu' il mange tant qu' il peut. [2.165]
Se disait des prodigues. [2.415 #1022]

Ohabolana 4Mahantra indrindra izay tsy mbola nahita fahoriana : valim-piakarana fidinana. [2.415 #2610]
Dikanteny frantsayMalheureux ceux qui n'ont pas connu le malheur, car après la montée vient la descente. [2.415 #2610]
Fanazavana frantsaySe disait des vicissitudes de la vie : après le bonheur, vient le malheur, comme la montée est suivie de la descente. [2.415 #2610]

Ohabolana 5Mamba miandry fitàna : izay mirotsaka ao aminy, na tsy maty aza, tsy maintsy harahim-pahoriana. [2.653, 2.415]
Mamba miandry fitàna : izay mirotsaka ao aminy, na tsy maty aza tsy maintsy mitondra fahoriana. [2.558]
Dikanteny frantsayCaïman qui attend au gué : tous ceux qui descendent dans l' eau, lors même qu' ils ne meurent pas, trouvent malheur. [2.415 #3347]
Fanazavana frantsaySe disait des gens adonnés à la chicane, et des exploiteurs. [2.415 #3347]

Ohabolana 6Maro ny fahoriana, fa ny rovi-damba ririnina no isany. [2.415 #2526]
Dikanteny frantsayLes misères sont nombreuses : avoir des vêtements en lambeaux pendant les froids de l'hiver, en est une. [2.415 #2526]

Ohabolana 7Miadam-pandeha ny fahalainana, ka mora tratry ny fahoriana. [2.974 #490]
Dikanteny frantsayLa paresse va si lentement que bientôt la misère l’a atteinte. [2.974 #490]

Ohabolana 8Ny alahelo no itafiam-boro-damba. [2.415 #2542]
Ny fahoriana no itafiam-boro-damba. [2.165 #1460]
Ny fahoriana no itafiam-boro-damba ary isentoana anivon' ny maro. [2.558 #2947]
Dikanteny frantsayC' est la misère qui fait porter des guenilles. [2.165 #1460]
C' est par misère qu' on va déguenillé. [2.415 #2542]

Ohabolana 9Ny alina natao tsy ho lasa ve, sa misy fahoriana natao tsy hisava? [2.558]

Ohabolana 10Ny andro fifaliana, tsy mahaleo ny andro fahoriana. [2.558]

Ohabolana 11Ny ditra sakaizan' ny fahoriana. [2.558 #2932]

Ohabolana 12Ny fahoriana mahazaka maniraka. [2.165 #1469, 2.415 #3725, 2.653 #2206, 1.1]
Ny fahoriana mahazaka maniraka ary anaovana ny raharaha tsy antonona. [2.558 #2946]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa rehefa sendra fahoriana ny tena, mitotototo atsý, mitotototo arý, mitady izay hivelomana. [1.1]
Ny tsy fisiana tsy mamela hipetrapetraka fa mandefa ny tena foana hitady izay mahasoa hatraiza hatraiza. [1.1]
Dikanteny frantsayLa misère a beaucoup de force pour envoyer au travail. [2.415 #3725]
La misère force à l' action. [2.165]
Fanazavana frantsayComparez avec: La faim fait sortir le loup du bois. [2.165]
La misère fait travailler. [2.415 #3725]

Ohabolana 13Ny fahoriana no maivana, dia ny firaisana no mbola tsy maito. [2.558 #2948]

Ohabolana 14Ny fahoriana no mampahahendry ny olona. [2.415 #2644]
Dikanteny frantsayLe malheur rend sage. [2.415 #2644]

Ohabolana 15Ny mandry maraina manam-pahoriana, korodosin' ny fahoriana, raha vao mifoha. [2.558 #3111]

Ohabolana 16Ririnin-dasa tsy tsaroana, fahoriana nodiavina, sarotra hadinoina. [2.558 #3757]

Fizahan-teny