Fizahan-teny

Ohabolana : faladia

Ohabolana Kapila voahitsaka: mirefotra ihany fa any ambany faladia. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza olona maivan-doha mihevi-tena ho zavatra: mipentsompentsona ihany, saingy tsy asian' ny olona vidiny. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Raha tsy ny faladia no mivadika, raha tsy Itasy no iray sotro, tsy avelako tsy ho tonga any aho ! [Veyrières 1913 #4220]
Raha tsy ny faladia no mivadika, raha tsy Itasy no tonga eran' ny sotro, tsy avelako tsy ho tonga any aho! [Rinara 1974 #3674]
Dikanteny frantsay Tant que ma plante des pieds ne se retournera pas, tant que le lac Itasy ne sera pas dans une cuiller, je ne laisserai pas que d' aller là-bas! [Veyrières 1913 #4220]

Fizahan-teny