Fizahan-teny

Ohabolana : famaky

Ohabolana Akoho avy no ilam-pamaky. [Veyrières 1913 #2057, Cousins 1871 #43]
Akoho avy ve ka ilana famaky! [Rinara 1974]
Akoho iray no hovonoina ka famaky tsara zarana no indramina. [Rinara 1974]
Akoho no rasaina, ka famaky no tadiavina. [Nicol 1935 #286]
Dikanteny frantsay Chercher une hache, alors qu’il s’agit de découper un poulet. [Nicol 1935 #286]
Même pour découper une poule, il a besoin d' une hache. [Veyrières 1913 #2057]
Fanazavana frantsay Il se trouve embarrassé pour un rien. [Veyrières 1913 #2057]

Ohabolana Aza atao famaky manan-tsiny amin’ izay kiakiak’ akoho. [Houlder 1895 #156, Cousins 1871 #340]
Aza atao famaky manan-tsininy amin' izay kiakiak' akoho. [Veyrières 1913]
Aza atao famaky manan-tsininy amin' izay kiakiakan' akoho. [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Ce n' est pas à la hache qu' il faut faire des reproches quand le poulet (qu' on va tuer) crie. [Houlder 1895]
Ne le blâmez pas comme la hache qu' on blâmerait parce que le poulet crie. [Veyrières 1913 #618]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas écouter les fausses dénonciations, et blâmer le chef qui fait son devoir et est obligé de punir. [Veyrières 1913 #618]

Ohabolana Aza mandoa lasiray raha voa famaky. [Houlder 1895 #1693, Veyrières 1913 #5981]
Aza mandoa lasiray raha voan' ny famaky. [Rinara 1974 #666]
Dikanteny frantsay Ne payez pas encore trente centimes quand on vous a donné un coup de hache. [Veyrières 1913 #5981, Houlder 1895]
Fanazavana frantsay C' est vous qui devriez recevoir une compensation! [Houlder 1895]
Exigez un dédommagement. [Veyrières 1913 #5981]

Ohabolana Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no hovonoina ka telo lahy no asaina mindram-pamaky. [Rinara 1974]
Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka fito lahy no mitsangana. [Veyrières 1913 #1439, Cousins 1871 #645]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodi-akoho no laoka, ka antsy solanga no zahana. [Rinara 1974 #783]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodiakoho no laoka, ka famaky no tadiavina. [Veyrières 1913 #1440, Cousins 1871 #644]
Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no vonoina, ka dimy no mamono. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Mihetsiketsika be, nefa tsy hita izay vita, lasan-ko vavany. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Ne faites pas tant de bruit comme une bru qui reçoit la visite de sa belle-mère : il y a des oeufs pour manger avec le riz, et elle demande une hache pour les casser. [Veyrières 1913]
Ne mettez pas tout sens dessus dessous comme un gendre qui reçoit la visite des beaux-parents : sept hommes se lèvent pour tuer une poule. [Veyrières 1913 #1439]
Fanazavana frantsay Ce proverbe disait l' empressement des gendres à recevoir les beaux-parents ; il se disait aussi des gens parlant haut et troublant tout. [Veyrières 1913 #1439]
Se disait des gens qui parlaient haut et voulaient dominer. [Veyrières 1913 #1440]

Ohabolana Dedaka tonga rafozana : ka famaky no indramina ary sikina no henjanina, nefa akoho no ho laoka. [Rinara 1974]

Ohabolana Famaky tapa-jarana, ka manatona ny hazo ; lakana tapa-kofehy, ka manatona ny ony. [Cousins 1871 #892]
Famaky tapa-jarana manatona ny hazo, lakana tapa-kofehy manatona ny ony. [Rinara 1974 #1066]

Ohabolana Famaky tsy mahafira hazo : ampitso andro koa. [Veyrières 1913 #3672, Cousins 1871 #893]
Famaky tsy mahafira hazo, rahampitso andro koa. [Rinara 1974 #1067]
Dikanteny frantsay Hache qui ne peut pas couper un arbre d' un seul coup : demain est encore un jour. [Veyrières 1913 #3672]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas vouloir tout faire à la fois ni se décourager. [Veyrières 1913 #3672]

Ohabolana Famaky tsy miambozon-kena, ny tompony indray tsy hajaina. [Veyrières 1913 #3839]
Famaky tsy nomem-bozon-kena : ny tompony no tsy nahamena-maso. [Rinara 1974]
Famaky tsy nomem-bozon-kena : ny tompony no tsy nizaran-kenamaso. [Rinara 1974]
Famaky tsy nomem-bozon-kena : ny tompony no tsy noraharahaina. [Rinara 1974]
Famaky tsy omem-bozon-kena: ny tompony no tsy izaran-kenamaso. [Veyrières 1913 #3840, Cousins 1871 #894]
Ny famaky no tsy nomem-bozon-kena, dia ny tompony no tsy mahamena-maso. [Rinara 1974 #2950]
Ny famaky no tsy omem-bozon-kena: ny tompony no tsy mahamena-maso. [Houlder 1895 #574]
Dikanteny frantsay Hache renvoyée à celui qui l' a prêtée, sans le cou du boeuf qui est la récompense ordinaire du prêt : son maître ne reçoit pas les égards qu' il attendait. [Veyrières 1913]
Hache renvoyée sans le collier d' usage, c' est-à-dire le cou du boeuf : son maître est encore plus blessé qu' elle, de ce mépris des convenances. [Veyrières 1913 #3839]
Une hache (empruntée) qu' on renvoie sans y joindre un morceau de viande du cou; c' est un manque de respect envers son propriétaire. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Ce proverbe se disait de ceux qui ont rendu des services, ordinairement rétribués, et ne reçoivent rien en retour ; le prêteur de hache recevait en récompense le cou du boeuf, le prêteur de la corde recevait le feuillet du boeuf. [Veyrières 1913]
Il s' agit d' une hache à découper la viande, en la renvoyant le boucher devait, selon l' habitude, y joindre un morceau de viande du cou. [Houlder 1895]
Ne pas être payé de retour. [Veyrières 1913 #3840]

Ohabolana Famaky zaran' ambay, ka ny antsika naomba ny azy mahafaty antsika. [Veyrières 1913 #1072]
Dikanteny frantsay Hache à manche de bois d' ambay : ce qui est à nous, emmanche ce qui est à eux, pour nous donner le coup de la mort, disent les arbres de la forêt. [Veyrières 1913 #1072]
Fanazavana frantsay Ce proverbe qui fait allusion au fer de la hache muni d' un manche de bois, se disait des parents qui prenaient parti contre leurs parents en soutenant l' adversaire dans une affiaire ou un procès. [Veyrières 1913 #1072]

Ohabolana Matin-keriny ohatra ny famaky. [Rinara 1974]
Matin-keriny toy ny famaky. [Veyrières 1913 #6307, Cousins 1871 #1679]
Dikanteny frantsay Victime de sa force comme la hache à couper le bois. [Veyrières 1913 #6307]
Fanazavana frantsay Se disait des audacieux. [Veyrières 1913 #6307]

Ohabolana Mpanihika ka manadino tandroho; mpianala ka manadino famaky; mpitifitra ka manadino bala. [Houlder 1895 #1724]
Mpanihika manadino tandroho, mpianala manadino famaky, mpitifitra manadino basy : andao hiverina fa rahampitso manaraina. [Rinara 1974 #2594]
Dikanteny frantsay Être pêcheur (au panier) et oublier son panier; être bûcheron et oublier sa hache; être tireur et oublier ses balles. [Houlder 1895]

Ohabolana Ny antsibe no banga, dia nisolo ny anjaran' ny famaky. [Rinara 1974 #186]
Ny antsibe no ho banga, fa ny hazo fikapan' ny famaky avy no nojinjany. [Cousins 1871]
Ny antsibe no ho banga, nijinjana ny hazo tsy tandrifiny. [Veyrières 1913 #2543, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Si le coutelas est ébréché, c' est qu' il a servi pour abattre des arbres pour lesquels il n' était pas fait. [Veyrières 1913 #2543]
Fanazavana frantsay Se disait des gens se ruinant à faire des choses disproportionnées avec leur condition. [Veyrières 1913 #2543]

Ohabolana Ny ondrindrano herintaona mihodidina, ka famaky kely iray ihany no azony. [Cousins 1871]
Ny ondrindrano : herintaona mihodidina ka famaky kely izay ihany no azo. [Rinara 1974 #3199]

Ohabolana Ny voa famaky indray no mandoa efatra ambatry. [Veyrières 1913 #3362]
Dikanteny frantsay Celui qui reçoit le coup de hache est condamné à payer cinq sous. [Veyrières 1913 #3362]
Fanazavana frantsay Dans un procès, le perdant est condamné à payer les frais. [Veyrières 1913 #3362]

Ohabolana Raha akoho no horasaina aza ny famaky no hetsiketsehana. [Rinara 1974 #3546]
Raha akoho no horasaina, aza ny famaky no hotadiavina. [Houlder 1895 #852]
Dikanteny frantsay Quand vous ne voulez découper qu' un poulet, n' allez pas chercher une hache. [Houlder 1895]

Ohabolana Toy ny famaky mijinja hazo: ka ny ahy momba ny azy. [Houlder 1895 #258]
Toy ny famaky mikapa hazo, ka ny ahy no momba azy. [Rinara 1974 #4273]
Dikanteny frantsay Pareil à la hache qui abat les arbres: ce qui est à moi (c.à.d. la hache) s' en va avec ce qui est à eux. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Les bois ébréche la hache et en détache ainsi des petits morceaux. [Houlder 1895]

Ohabolana Toy ny ondrindrano, lefona dimy, fampohaza iray, famaky iray, ireo no nentina, nefa nosorohin' Itsaramanampy, ka tonga any an-karona fihazana. [Rinara 1974 #4341]
Tsy misy manao ho vazaha noho ny ondrindrano: lefona dimy no nentiny, fampohazarana no nentiny, ary famaky iray no nentiny; kandrefa raha nankao atsimon-drano, nosorohin' Itsaramanampy ka tonga any an-karona fihazana. [Houlder 1895 #2309]

Ohabolana Tsy mety raha akoho iray no hovonoina, ka famaky no zahana. [Rinara 1974 #4580]

Ohabolana Tsy mety raha ny voa famaky indray no mandoa lasiray. [Veyrières 1913 #3374, Cousins 1871 #3481]
Tsy mety raha ny voan' ny famaky kosa no handoa lasiray. [Rinara 1974 #4667]
Dikanteny frantsay Il ne convient pas que celui qui reçoit le coup de hache et perd son procès, paie encore six sous pour les frais. [Veyrières 1913]

Ohabolana Tsy misy fatra-piahy tena ohatra ny tsindretra, fa famaky kely iray sy katsomanta telo no entiny, fa raha tamy ny tandroho misitrika. [Cousins 1871]
Tsy misy fatra-piahy tena, toy ny tsindretra, fa famaky iray, katsomanta telo. [Rinara 1974 #4707]

Ohabolana Vozon--kena, saran' ny famaky ; taovany, saran' ny mahazaka. [Veyrières 1913 #4655]
Dikanteny frantsay Le cou du boeuf est le prix de la hache, et le feuillet le prix de la corde. [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay Il faut récompenser les services rendus et donner le prix de la chose prêtée, par exemple de la corde et de la hache qui ont servi à prendre et tuer le boeuf. [Veyrières 1913]

Fizahan-teny