Fizahan-teny

Ohabolana : fandiorano

Ohabolana Fandiorano : hisitrika izy ihany, hiseho izy ihany. [Rinara 1974 #1100]

Ohabolana Fandiorano ratsy, ka miseho tsy valahara, milentika tsy vaky atatra. [Veyrières 1913 #3002]
Fandiorano ratsy, ka mitranga tsy menatra, misitrika tsy valahara. [Veyrières 1913 #3002]
Toy ny fandiorano ny ratsy: koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara. [Houlder 1895]
Toy ny fandiorano ny ratsy : miseho tsy vaky afero, misitrika tsy valahara. [Rinara 1974 #4276]
Toy ny fandiorano ratsy : koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara. [Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Le méchant est comme le gyrin: quand il se montre, il n' a pas honte; et quand il disparaît, il ne rougit pas. [Houlder 1895]
Vilain gyrin nageur : il se montre impudemment, il plonge effrontément. [Veyrières 1913 #3002]
Fanazavana frantsay Se disait des gens qui ne savent pas rougir. [Veyrières 1913 #3002]

Ohabolana Toy ny fandiorano, ka mainty ambanin' ny rano. [Rinara 1974 #4275]

Ohabolana Tsikovoka sy fandiorano : rano no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy. [Rinara 1974 #4430]
Tsikovoka sy fandiorano : volo no iraisana, fa ny fomba samihafa. [Veyrières 1913]
Tsikovoka sy fandiorano : volo no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy. [Houlder 1895 #311, Cousins 1871 #3302, Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Dytiques et insectes aquatiques fandiorano : ils ont même couleur mais leurs moeurs sont différentes. [Veyrières 1913]
Un dytique et un gyrin: ils sont de même couleur, mais n' ont pas les mêmes habitudes. [Houlder 1895 #311]
Fanazavana frantsay Les conditions des hommes sont différentes. [Veyrières 1913 #864]

Fizahan-teny