Fizahan-teny

Ohabolana : fantaro

Ohabolana Fantaro ny toe-javatra, fa ao am--pon’ ny vilany, mahamay; ny ao am--pon’ ny siny, mangatsiaka. [Cousins 1871 #929]
Ny am--pon’ ny siny mangatsiaka, fa ny am--pon’ ny vilany mafana. [Cousins 1871 #2149]
Ny am--pon' ny siny mangatsiaka, fa ny am--pon' ny vilany mahamay. [Rinara 1974 #2864]
Ny ao am--pon' ny siny mangatsiaka, fa ny ao am--pon' ny vilany mahamay. [Houlder 1895]
Ny ao am--pon' ny siny mangatsiaka, ny ao ampon' ny vilany mahamay. [Rajemisa 1985]
Ny ao am--pon' ny vilany mahamay, ny ao ampon' ny siny mangatsiaka. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny fahasamihafan' ny toetran' ny olona na ny toetran' ny zavatra. [Rajemisa 1985]
Enti-milaza ny fahasamihafan' ny zavatra na dia mitovitovy ety ivelany aza, arakaraka ny toetra nikendrena azy na ny asa iandraiketany avy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Ce qui est dans la cruche est froid, mais ce qui est dans la marmite est chaud. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Pourtant les deux sont en argile. [Houlder 1895]

Ohabolana Hady voanjo hariva : fantaro ny mena volo hongotana. [Veyrières 1913 #3250, Rinara 1974 #1237, Cousins 1871 #999]
Dikanteny frantsay Quand vous arrachez les arachides à coups de bêche le soir, distinguez bien celles qui ayant déjà la couleur rouge, sont bonnes à arracher. [Veyrières 1913 #3250]
Fanazavana frantsay Se disait des affaires embrouillées et mal étudiées ; autre sens : choisir le meilleur parti. [Veyrières 1913 #3250]

Fizahan-teny