Fizahan-teny

Ohabolana : farafara

Ohabolana 1Aza manamavo tena ohatra ny akoho mikotrika ambany farafara. [2.558 #484]
Aza manamavo tena toy ny akoho mikotrika ambany farafara. [2.415 #2992, 2.653 #409]
Dikanteny frantsayNe vous abaissez pas vous-même en vous dégradant, comme la poule qui va couver sous le lit. [2.415 #2992]

Ohabolana 2Aza mpandrafitra tsy manam-parafara. [2.558 #807]

Ohabolana 3Farafara nandrian' ny maty. [2.415 #1275]
Dikanteny frantsayLa veuve est comme la couche où reposait son défunt mari. [2.415 #1275]

Ohabolana 4Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany. [1.1]
Hazakazaka ambany farafara: samy manala izay ho afany. [1.1]
Fanazavana malagasyToe-javatra manahirana tsy misy hifanam-Piana fa samy miezaka manao izay vitany avy. [1.1]
Tsy azo ihazakazahana any ambany farafara ka samy manao izay hahatongavany haingana, na handady na hikisaka: entimilaza ny fanaovana ny fiezahana sy fahaizana rehetra mety ho vita amin' ny toedraharaha sarotra iray. [1.1]

Ohabolana 5Mihazakazaka ambany farafara ka tsy misy hanam-parana ny aina. [2.558 #2315, 2.653 #1767]

Ohabolana 6Raha mamatra miohatra ny feno, raraka; raha mihinana miohatra ny voky manevika; raha mamindro miohatra ny toko, may; raha mandry miohatra ny farafara, mianjera. [1.1]
Fanazavana malagasyTokony hahalala onony amin' izay rehetra atao, fa raha tsy izany, fahavoazana no mety ho hita. [1.1]

Ohabolana 7Tsy hisy hanoarana, ohatra ny vikina ambany farafara. [2.653]
Tsy hita hanoarana, ohatra ny hazakazaka ambany farafara. [2.558]
Tsy hita hanoharana hoatry ny vikina ambany farafara. [2.415 #5780]
Dikanteny frantsaySans comparaison, comme faire un saut sous le lit. [2.415 #5780]
Fanazavana frantsayAutre sens : chose impossible. [2.415 #5780]

Fizahan-teny