Fizahan-teny

Ohabolana : fatambary

Ohabolana Amboninjato niongana ve no mitsara adin' akoho, sa governora reraka no mikiraro fatambary ? [Veyrières 1913 #2482]
Dikanteny frantsay Est-ce un centenier destitué pour qu' il juge un combat de coqs, ou un gouverneur ruiné pour qu' il mette à ses pieds une petite mesure de riz en guise de soulier? [Veyrières 1913 #2482]
Fanazavana frantsay Se disait des gens déchus et ruinés. [Veyrières 1913 #2482]

Ohabolana Anarany ihany hoatry ny fatambary fahavaratra. [Veyrières 1913 #1607]
Anarany ihany, ohatra ny fatambary fahavaratra. [Cousins 1871]
Anarany ihany sahala amin' ny fantambary fararano. [Rinara 1974 #210]
Dikanteny frantsay Il n' y a que le nom, comme la mesure du riz en été. [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay Se disait des choses ou des gens qui devenaient inutiles, comme la mesure de riz quand il n' y a plus de riz. [Veyrières 1913 #1607]

Ohabolana Fatambary hariva ka tsy azon-tsampona intsony. [Rinara 1974 #1130]
Fatambary hariva, ka tsy azo sakanana intsony. [Cousins 1871 #940]
Tsy azon-tsampona sahala amin' ny fatambary hariva. [Rinara 1974 #4485]
Tsy azon-tsampona, toy ny fatambary hariva. [Cousins 1871 #3341]

Ohabolana Izay tsy mahay sobiky dia mahay fatambary. [Houlder 1895 #1599]
Izay tsy mahay sobiky mahay fatambary. [Cousins 1871 #1205, Nicol 1935 #13]
Dikanteny frantsay Celui qui ne sait pas faire une corbeille, peut tresser un petit panier. [Houlder 1895]
Si le sobiky vous dépasse, faites des fatambary. [Nicol 1935 #13]
Fanazavana frantsay Même le plus incapable peut faire quelque chose. [Houlder 1895]

Ohabolana Malahelo be fatambary : hanao be, izany no toa tsy mampanana, hanao kely toa maty fahavelona. [Rinara 1974 #1910]
Malahelo be fatambary hianao: hanao be, izany no tsy mampanana anao; hanao kely, toa maty fahavelona. [Veyrières 1913 #2513, Cousins 1871 #1446]
Dikanteny frantsay Vous êtes pauvre et vous avez une grande mesure pour les rations de riz : si vous voulez prendre bonne mesure, on dit que c' est pour cela que vous ne possédez rien ; si vous voulez prendre petite mesure, on dit que vous êtes mort bien que vivant : vous aurez toujours tort. [Veyrières 1913 #2513]

Ohabolana Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra : ahafahana iray fatambary n, ka ho levona ihany no farany. [Veyrières 1913 #2639, Cousins 1871]
Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra : ahafahana isan' andro, ka levona ihany no farany. [Rinara 1974 #2848]
Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra: ka ahafahana iray fatambary isan-andro, dia ho levona ihany no farany. [Houlder 1895 #1019]
Dikanteny frantsay La tristesse est comme la provision de riz dans le grenier : tous les jours on en enlève une petite mesure, et à la fin il n' en restera plus rien. [Veyrières 1913 #2639]
Le chagrin est comme le riz dans le grenier: chaque jour il diminue d' une petite mesure, et à la fin il n' en reste plus. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Le temps est un grand maître. [Houlder 1895]
Le temps vient à bout des chagrins. [Veyrières 1913 #2639]

Ohabolana Raha indray mandeha no misambo--bary ka tsy mahazo, aza mandoro ny fatambary. [Houlder 1895 #966]
Raha indray mandeha no misambo--bary tsy mahazo, aza dorana ny fatambary. [Rinara 1974 #230]
Dikanteny frantsay Pour une fois que vous désirez emprunter du riz et qu' on ne vous en donne pas, n' allez pas brûler la petite corbeille. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas se décourager trop vite! [Houlder 1895]

Ohabolana Tsy mahay sobika dia mahay fatambary. [Veyrières 1913 #867]
Dikanteny frantsay Ceux qui ne peuvent pas faire de grandes mesures de riz peuvent en faire de petites. [Veyrières 1913 #867]
Fanazavana frantsay Chacun doit faire ce qu'il peut et ainsi il est possible de se rendre service mutuellement. [Veyrières 1913 #867]

Ohabolana Vary indroan’ ny fatambary : ny iray ialemana, ary ny iray isakafoana. [Cousins 1871 #3617]
Vary indroan' ny fatambary : ny iray ielemana ary ny iray isakafoana. [Rinara 1974 #4874]
Vary indroan’ ny fatambary : ny iray isaka-foana, ny iray ialemana. [Nicol 1935 #236]
Vary roa tanty (indroan' ny fatambary); ny iray ialemana, ny iray isakafoana. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Ilazana ny zavatra efa voakendry amin' izay iheverana azy avy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Deux mesures de riz : la première servira au repas, la seconde à s’assurer pour la nuit. [Nicol 1935 #236]

Ohabolana Voninahitra an-tsobiky tsy atao am-patambary. [Rajemisa 1985]
Voninahitra omena ny sobika, fa ny fatambary ihany no handraofana. [Veyrières 1913 #2269]
Voninahitra omena ny sobika, fa ny fatambary no tompon' ny fatra. [Veyrières 1913 #2269]
Voninahitra omena ny sobiky, fa ny fatambary no azo handraofana ihany. [Cousins 1871]
Voninahitra omena ny sobiky fa ny fatambary no tompon' ny fatra. [Rinara 1974 #327, Cousins 1871]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fa ny haja sy zo tokony hipetraka eo amin' ny zava-dehibe dia tsy tokony haetry amin' ny zavatra madinika. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay La corbeille est considérée avec respect mais c' est le fatambary ou petite mesure de riz qui est le maître de la mesure, c' est lui qui puise dans la corbeille à riz. [Veyrières 1913 #2269]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas mépriser les petits car on a souvent besoin d' un plus petit que soi. [Veyrières 1913 #2269]

Fizahan-teny