Fizahan-teny

Ohabolana : fatiantoka

Ohabolana Fatiantoky ny mpitrosa ny afa-baraka, fa ny volan' olona tsy maintsy aloa. [Rinara 1974 #1131]
Fatiantoky ny mpitrosa ny afa-baraka, fa ny volan' olona tsy maintsy haloa. [Veyrières 1913 #4429, Cousins 1871 #941]
Dikanteny frantsay Celui qui s' endette en sera pour le déshonneur ; car l'argent emprunté, il faudra le payer. [Veyrières 1913 #4429]

Ohabolana Manetsa mahalana: ny ataon’ ny tena ihany no alaina. [Cousins 1871]
Manetsa vary mahalana, ka ny atao ihany no idiran' ny fatiantoka. [Rinara 1974 #2098]
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina. [Houlder 1895 #729]
Dikanteny frantsay Planter son riz trop espacé, et récolter ce qu' on a fait (c. à. d. récolter peu). [Houlder 1895]

Ohabolana Misalasala ohatra an-dRakotobe : hivarotra matahotra ny ho fatiantoka, hangalatra matahotra ny ho tapa-doha. [Rinara 1974]
Misalasala tahaka an-dRakotobe: mivarotra, mahatahotra ny ho faty antoka; mangalatra, matahotra ny ho tapa-doha. [Houlder 1895]
Misalasala tahaka an-dRakotobe : mivarotra, matahotra ny faty antoka ; mangalatra, matahotra ny ho tapa-doha. [Veyrières 1913 #5813]
Dikanteny frantsay Être perplexe comme Rakotobe: s' il se met à faire du commerce, il craint de faire des pertes; et s' il se fait voleur, il craint d' avoir la tête coupée. [Houlder 1895]
Perplexe comme Rakotobe : s' il fait du commerce il a peur de faire des pertes; s' il se met à voler il a peur d' avoir la tête coupée. [Veyrières 1913 #5813]

Ohabolana Ny lainga tombon-dahiny anio fa intelo fatiantoka rahampitso. [Rinara 1974 #3058]

Ohabolana Sira be lanin’ andrana : fatiantoka ny farany. [Samson 1965 #S37]

Fizahan-teny