Fizahan-teny

Ohabolana : fihary

Ohabolana Tanora ratsy fihary: antitra vao maka kitay. [Rajemisa 1985]
Tanora, ratsy fihary: antitra, vao ratsy laoka. [Veyrières 1913 #1862, Cousins 1871 #3020]
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka. [Houlder 1895 #1919, Rinara 1974 #4062, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fa izay manao an-tsirambina amin' ny fitadiavana raha tanora dia hahantra sahirana raha antitra. [Rajemisa 1985]
Izay tsy manao ny hahatsara fivelomana azy ra ha mbola tanora, rehefa antitra vao mijaly na sahirana. [Rajemisa 1985]
Tokony hitsinjo ny ho avy; izay tsy mba mihevitra ny hanangona fony tanora, hahantra tsy mba hanana ny metimety rehefa antitra. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Celui qui ne sait pas amasser dans sa jeunesse est réduit à se contenter d' une mauvaise nourriture lorsqu' il est atteint par la vieillesse. [Veyrières 1913 #1862]
Ne guère amasser pendant sa jeunesse, et n' avoir guère à manger dans sa vieillesse. [Houlder 1895]
Un jeune qui ne sait pas épargner, finira dans sa vieillesse par se contenter d’aliments détestables. [Nicol 1935 #110]
Fanazavana frantsay Se disait des jeunes gens paresseux et prodigues. [Veyrières 1913 #1862]

Fizahan-teny