Fizahan-teny

Ohabolana : fositra

Ohabolana Fositra va no tsy hambolem-boavahy ? [Veyrières 1913 #2703, Cousins 1871 #983]
Fositra ve no tsy ambolem-boavahy. [Rinara 1974 #1196, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Tsy ny loza mety ho tonga amin' ny asa atao na amin' ny zavatra ampiasaina anankiray akory no tokony hanafoanana io asa na zavatra io, fa ny fitandremana no tokony hatao betsaka. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Faut-il s' abstenir de planter des haricots parce que les vers les rongent ? [Veyrières 1913 #2703]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas se décourager et rester dans l' inaction à cause de quelques pertes ; ce proverbe se disait surtout lorsque les plantations avaient été abîmées par des animaux ou des voleurs. [Veyrières 1913 #2703]

Fizahan-teny