Fizahan-teny

Ohabolana : haka

Ohabolana Manao loa-barin-dRenimpela : ny haka sifotra no feno lovia, fa ny ho any Mantasoa mandeha manaraina. [Rinara 1974 #2006, Cousins 1871 #1550]

Ohabolana Marary manetsa, ka mifidy na haka kitay na hantsaka rano. [Rinara 1974 #2135]
Marary manetsa : mifidy na hantsaka na haka kitay. [Houlder 1895 #2000, Veyrières 1913 #2808]
Dikanteny frantsay Celui qui est malade au moment du repiquage: il faut qu' il choisisse s' il veut aller chercher de l' eau, ou aller chercher du combustible. Le travail est tellement pressant à ce moment-là, que personne ne doit rester à rien faire, pas même les malades. [Houlder 1895]
Malade à l'époque du repiquage du riz : il faut qu'il choisisse entre l' eau ou le combustible à aller chercher. [Veyrières 1913 #2808]
Fanazavana frantsay Le travail presse. [Veyrières 1913 #2808]

Ohabolana Mitondra teny tsy azo, ka averimberin' ny olona mandrakariva haka fototra tsara. [Veyrières 1913 #3409]
Dikanteny frantsay Commissionnaire qui part trop vite : il porte des paroles qu' il ne comprend pas et on le renvoie sans cesse pour se mieux renseigner. [Veyrières 1913 #3409]

Ohabolana Nahoana no haka rindra ka hitondra kofehy ? [Veyrières 1913 #2095, Cousins 1871 #2042]
Dikanteny frantsay Pourquoi se munir de liens lorsqu' on va chercher des écorces de joncs ? [Veyrières 1913 #2095]
Fanazavana frantsay C' est inutile puisque les joncs servent de liens. [Veyrières 1913 #2095]

Ohabolana Raha haka ny an' ny olona mivelatra ohatra ny tafoben-trano, fa nony hanefa, mihorona toy ny tapenaka. [Rinara 1974]
Raha haka ny an' olona, mivelatra hoatry ny tafoben-trano, ka nony handoa, mihorona hoatry ny tapekana. [Veyrières 1913 #4447]
Raha haka ny an’ olona, mivelatra ohatra ny tafoben-trano, ka nony handoa, mihorona ohatra ny tapenaka. [Cousins 1871]
Raha hangataka, mivelatra ohatra ny tafontrano; raha hangatahina, mihorona ohatra ny tapenaka. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Entiamilaza ny olona tia tena: rehefa hangataka aminao izy, miseho ho toy ny olona tsara, malala-tanana; rehefa hangatahanao zavatra kosa izy, tsy hahitanao mangirana. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Quand on emprunte, on s' ouvre comme la grande couverture du toit, et quand il s' agit de rembourser, on se rétrécit comme le pignon. [Veyrières 1913 #4447]
Fanazavana frantsay Facile pour emprunter, difficile pour rembourser. [Veyrières 1913 #4447]

Ohabolana Tonga haka, ohatra ny jiro manao rehibe. [Cousins 1871, Rinara 1974]

Ohabolana Voasary amoron-dalana : haka aho tsy tompony, hitoetra ihany maha-te-hihinana. [Veyrières 1913 #5838, Cousins 1871, Rinara 1974]
Voasary amoron-dalana: haka aho, tsy tompony; tsy haka, maha-te hihinana. [Houlder 1895 #999]
Dikanteny frantsay Des citrons au bord du chemin: pour en prendre, ils ne sont pas à moi; pourtant, j' ai grande envie d' en manger. [Houlder 1895]
Oranges ou citrons au bord du chemin : pour en prendre, on n' est pas le propriétaire ; pour les laisser, on les trouve bien appétissants. [Veyrières 1913 #5838]

Fizahan-teny