Fizahan-teny

Ohabolana : havana

Ohabolana 1Akoho boto nangalarin' ny alinjinery : tsy very fa namangy havana. [2.558]
Akoho boto nangalarin’ ny alinjinery : tsy very, fa namangy ny havany. [2.653 #44]

Ohabolana 2Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-kavana. [2.653, 2.165]
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-tompony. [2.653]
Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana. [1.1 #557, 2.558 #17]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra tsy dia tsaratsara loatra ka mahasanganehana ny milaza azy amin' ny havana na ny sakaiza. [1.1 #557]
Dikanteny frantsayBananes maigres dont quelques-unes sont mûres: on ne sait que dire à ses parents. [2.165]
Fanazavana frantsayOn n' ose pas leur en offrir. [2.165]

Ohabolana 3Aleo homam-boatavo mahamay sa aleo adala havana? [2.415 #1050]
Dikanteny frantsayLequel est préférable : manger une citrouille brûlante ou avoir des parents insensés? [2.415 #1050]
Fanazavana frantsaySe disait des parents qui créaient des ennuis par leur conduite. [2.415 #1050]

Ohabolana 4Aleo mpanjato anilan' ny havana, toy izay mpanarivo tsy atrehin' olon-tiana. [2.558 #18]

Ohabolana 5Aleo volo hala ataon-drafy, toy izay fifoloana ataon-kavana. [2.558]

Ohabolana 6Andevo havana. [2.415 #2484]
Dikanteny frantsayParent pauvre qui sert chez des parents comme s' il était esclave. [2.415 #2484]

Ohabolana 7Antananarivo havana ivatsiana. [2.415 #1051]
Dikanteny frantsayQuand on va visiter ses parents à Tananarive, il faut porter des provisions de voyage. [2.415 #1051]
Fanazavana frantsayContrairement à l' usage de large hospitalité chez les Malgaches, les gens de Tananarive avaient la réputation de ne pas être fort hospitaliers ; se disait des gens qui se montraient d'un accueil peu empressé. [2.415 #1051]

Ohabolana 8Atao ihany ny tsy hisara-mianakavy, fa izay boka avoaka any ivelany. [2.415 #1945, 2.653]
Misambasamba tsy hisara-mianakavy, kanjo manary ny havana boka. [2.415 #2015, 2.653 #1827]
Misambasamba tsy hisara-mianakavy nefa manary havana boka. [2.558 #2399]
Dikanteny frantsayC' est vrai que les parents ne se séparent pas, mais les lépreux sont exclus. [2.415 #1945]
En faisant la cérémonie des prémices et de la nouvelle année on fait des souhaits pour que la famille ne soit jamais séparée, et cependant on rejette les parents lépreux. [2.415 #2015]
Fanazavana frantsaySe disait des parents lépreux ou mauvais sujets, de ceux qui sont le déshonneur de la famille. [2.415 #1945]
Se disait des parents mauvais sujets. [2.415 #2015]

Ohabolana 9Ataovy toy ny sira ny fitondra havana : mahery, tsy mahafola-nify ; malemy, misy hitelemana ; fa ny havana no lelafin-katelina. [2.653 #314]
Ataovy toy ny sira ny fitondrana havana : mahery, tsy mahafola-nify ; malemy, misy hitelemana ; fa ny havana no lelafin-katelina. [2.415 #1053]
Ataovy toy ny sira ny fitondran-kavana : mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana, fa ny havana no lelafin-katelina. [2.558 #338]
Dikanteny frantsayIl en est des rapports avec les parents comme du sel : même s' il y a beaucoup de sel, cela ne casse pas les dents ; s' il y en a une juste dose, on avale avec plaisir, car les parents sont aimés et chéris. [2.415 #1053]

Ohabolana 10Avy tsy nasaina fa kibo tsy manary havana. [2.558 #361]

Ohabolana 11Aza atao fiantontana raha resy ny havana. [2.558]
Aza atao filana raha tsy mahita, na fiantontana raha resy ny havanao. [2.415 #806, 2.165]
Aza atao filana raha tsy mahita ny havana. [2.558]
Dikanteny frantsayN' allez pas demander à vos parents quand vous n' avez rien trouvé ailleurs, et n' ayez pas recours à eux quand vous êtes battu. [2.165]
N' attendez pas de n' avoir rien trouvé ailleurs pour demander à vos parents, n' attendez pas d' être vaincu pour recourir à eux. [2.415 #806]

Ohabolana 12Aza atao fively ampongalahy ny havana: ny ambaviny tambatambazana, ny andahiny dobodobohana. [1.1 #71]
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny ambaviny tambatambazana toy ny manana anaka, fa ny andahiny dobodobohina ho afa-jaza. [2.558]
Aza atao fively amponga ny havana: ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray kosa andahiny hodobodobohana. [2.165 #225]
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana. [1.1 #60]
Fanazavana malagasyTsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. [1.1 #71]
Dikanteny frantsayNe faites pas à vos amis comme à un tambour, frappant légèrement sur l' un des côtés, mais très fort sur l' autre. [2.165]

Ohabolana 13Aza atao moni-manaraka, fa havana matoa nozohina. [2.558 #32]
Aza manao moni-manaraka. [2.165 #271]
Dikanteny frantsayNe restez pas chez quelqu' un qui vous fera faire toutes ses volontés. [2.165]

Ohabolana 14Aza atao toy ny vato ny havana, ka ny kely atsipitsipy, fa ny lehibe tsy hetsehina. [2.558 #420]

Ohabolana 15Aza dia kely fisian-kavana loatra. [2.415 #1056, 2.558 #438, 2.653 #378]
Aza kely fisian-kavana loatra. [2.165 #211, 2.415 #5075]
Dikanteny frantsayN' ayez pas trop peu d' amis. [2.165 #211, 2.415 #5075]
Ne faites pas trop peu de cas de l' existence des parents, car vous pourrez en avoir besoin. [2.415 #1056]
Fanazavana frantsaySe disait aux gens dans la prospérité, qui faisaient peu de cas de la parenté. [2.415 #1056]

Ohabolana 16Aza faly havana ory. [2.415 #1057]
Dikanteny frantsayNe vous réjouissez pas quand vos parents sont malheureux. [2.415 #1057]

Ohabolana 17Aza manao an-tohim-bato aman-kavana. [2.415 #1058]
Aza manao an-tohim-bato amin-kavana. [2.165 #212, 2.653 #418]
Dikanteny frantsayNe choquez pas vos parents comme les pierres contre lesquelles on se heurte. [2.415 #1058]
Ne soyez pas avec vos amis comme une pierre fendue (dont les morceaux se sépareront au moindre choc). [2.165]

Ohabolana 18Aza manao horirika Ambohipeno, ka aleo lo toy izay ho an-kavana. [2.558]
Aza manao horirik’ Ambohipeno: aleo ho lo, toy izay ho an-kavana. [2.415 #5360, 2.653 #467, 2.165]
Horirika Ambohipeno : aleo lo toy izay ho an-kavana. [2.558]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme les gens d' Ambohipeno font de leurs arums comestibles: ils préfèrent les voir pourrir que de les donner à leurs amis (ou parents). [2.165]
Ne faites pas comme les gens d' Ambohipeno qui aiment mieux voir pourrir leurs feuilles d' arum plutôt que d' en donner à leurs parents ou amis. [2.415 #5360]
Fanazavana frantsaySe disait des égoïstes qui ne veulent pas partager. [2.415 #5360]

Ohabolana 19Aza manao toy izany, fa mahasaro-poserana aman-kavana. [2.415 #1061]
Dikanteny frantsayN' agissez pas ainsi, car vous seriez mal vu des parents. [2.415 #1061]

Ohabolana 20Aza mandalo tana-misy havana, fa miantranoa. [2.415 #1138]
Aza mandalo tanà-misy havana. [2.558 #654, 2.653 #562]
Aza mandalo tanàna misy havana. [2.165]
Tsy mety ny mandalo tana-misy havana. [2.415 #1138]
Dikanteny frantsayNe passez pas (sans vous y arrêter) près de la maison d' un ami. [2.165 #207]
Ne traversez pas le village où vous avez des parents sans leur faire l'honneur d' une visite. [2.415 #1138]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas oublier les parents et les amis ; les Malgaches étaient visiteurs et hospitaliers. [2.415 #1138]

Ohabolana 21Aza manome tsiny ny havana fa ny vitanao no tadidio. [2.558 #694]

Ohabolana 22Aza mifanadidy, fa ny havanao tsy mahasora-tena toa voantango. [2.415 #1065, 2.653 #608]
Aza mifanadidy, fa ny havanao tsy mahasora-tena toa voatango. [2.165 #219]
Aza mifanadidy fa ny havana tsy mahasora-tena toa voatango. [2.558 #737]
Dikanteny frantsayNe vous blâmez pas l' un l' autre, car votre ami ne se marque pas lui-même tel un melon. [2.165]
Ne vous faites pas trop de reproches entre vous, car il est votre parent, et il ne peut pas se bigarrer corhme le melon. [2.415 #1065]
Fanazavana frantsayC. à. d. il n' est pas responsable, ne s' étant pas fait lui-même; exemple des mauvaises excuses que les gens ont toujours prêtes. [2.165]
Ce proverbe se disait de ceux qui, au lieu de protéger leurs parents malheureux se mettaient à les censurer : les parents ne doivent pas s' accuser comme le melon qui se marque et se bigarre lui-même. [2.415 #1065]

Ohabolana 23Aza mila lolotr' amalona aman-kavana. [2.415 #1067, 2.653 #625]
Aza mila lolotr' amalona amin-kavana. [2.558 #774, 2.165]
Dikanteny frantsayNe cherchez pas à découvrir les fautes de vos amis. [2.165]
Ne vous attirez pas le blâme de vos parents, à la manière des anguilles qui se tournent et se retournent. [2.415 #1067]
Fanazavana frantsayLolotr' amalona signifie les détours d' une anguille. [2.165]
Se disait des parents qui suscitaient difficulté sur difficulté. [2.415 #1067]

Ohabolana 24Aza ny tarehy mavomavo no izahana, fa ny havany any Dilambato. [2.653 #701]
Ny tarehiko mavomavo angaha no izahanao, fa tsy ny havana avy any Dilambato. [2.415]
Ny tarehiko ratsy angaha no izahanao, fa tsy ny havana avy any Dilambato. [2.415]
Dikanteny frantsayVous ne regardez probablement que ma vilaine figure et vous ne voyez pas le parent qui vient de Dilambato. [2.415 #1226]
Fanazavana frantsayAllusion à la légende d'une personne laide qui comptait sur ses parents pour se marier. [2.415 #1226]

Ohabolana 25Aza tsy tia havana, nefa mitsiriritra ny havan' olona. [2.558 #825]

Ohabolana 26Basy atifi-kavana : arangaranga lahatea. [1.147 #B4]
Basy atifi-kavana ka arangaranga ihany. [1.1]
Basy atifi-kavana : tsy afenina fa arangaranga. [2.558 #866]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa tsy mba mihatsaravelatsihy ny tena ka na hamely aza dia aharihary ny atao. [1.1]

Ohabolana 27Be ditra amim-bady, handefitra ihany raha mitoetra amin-kavana. [2.558]

Ohabolana 28Boka tsy namosavin-kavana, hoatry ny mananasy. [2.415 #1993]
Boka tsy namosavin-kavana ohatra ny mananasy. [2.165]
Dikanteny frantsayCe n' est pas parce que ses parents lui ont jeté un maléfice qu' un lépreux est lépreux : il l' est devenu comme pousse un ananas. [2.415 #1993]
Ce n' est pas par des maléfices jetés par les parents qu' un lépreux est devenu tel, (mais c' est) comme un ananas. [2.165]
Fanazavana frantsayLes Malgaches trouvaient de la ressemblance entre un ananas et la figure du lépreux:. [2.415 #1993]
Un lépreux est devenu lépreux sans que ses parents y soient pour rien: c' est une chose qui s' est produite naturellement, comme la croissance d' un ananas dans lequel les Malgaches voient une ressemblance avec la figure ravagée d' un lépreux. [2.165]

Ohabolana 29Faty maimbo ka ny tompon-kavana ihany no mahazaka akaiky. [2.558 #1157]
Faty maimbo : ny tompon-kavana ihany no sahy manakaiky. [2.653]

Ohabolana 30Fitsarana tsy atendry havana. [2.415 #3386]
Dikanteny frantsayIl n' est pas juste de rendre sans motif les parents responsables d' un délit commis. [2.415 #3386]

Ohabolana 31Havana manajary ny havana. [2.415 #1074]
Dikanteny frantsayLes parents honorent les parents. [2.415 #1074]

Ohabolana 32Havana mpanavangavana. [2.415 #1075]
Dikanteny frantsayCe sont des parents qui tournent avec la fortune et abandonnent leurs parents malheureux. [2.415 #1075]
Fanazavana frantsayProverbe fait d' assonance. [2.415 #2640]

Ohabolana 33Havana tsy ahina. [2.415 #1076]
Dikanteny frantsayParents dont on ne s' occupe pas. [2.415 #1076]

Ohabolana 34Havana tsy fantatra naman' ny tsy havana. [2.415 #1077]
Dikanteny frantsayDes parents qu' on ne connaît pas, c' est comme s' ils n' étaient pas parents. [2.415 #1077]

Ohabolana 35Hianareo no natao ala hikirizana sy vato hifaharana. [2.558 #1335]
Hianareo no natao ala hikirizana, vato hifaharana. [2.165 #98, 2.415 #814]
Natao ala ikirizana sy vato ifaharana hianareo, ka aza atao menatra manan-kavana lahy! [2.558 #2755]
Dikanteny frantsayOn a fait de vous comme une forêt dans laquelle on s' opiniâtre, et comme une pierre sur laquelle on se tient ferme. [2.165]
On vous a regardés comme une forêt où l' on s' opiniâtre et comme une pierre sur laquelle on se tient ferme. [2.415 #814]

Ohabolana 36Ilay nanoroka afenana, ka tsy nisy toa an-drahavana. [2.558 #1412]
Ilay nanoroka afenana, koa: "Tsy misy toa an-dRahavana" . [2.653 #1124, 2.165]
Ilay nanoroka afenana: tsy misy ohatra an' i Malala. [1.1]
Toy ilay nanoroka afenana, ka tsy misy toa an-dRahavana. [2.558 #4242]
Dikanteny frantsayCelui qui embrasse en cachette, dit: "Il n' y en a pas comme la bien-aimée!". [2.165]

Ohabolana 37Ilay nisoro-boanantsindrana : ny kely hita anajan-kavana. [2.415 #76]
Ilay nisoro-boanatsindrana : ny kely hita anajan-kavana. [2.653 #1126]
Ilay nisoro-boanatsindrana : ny kely hita no anajan-kavana. [2.558 #1416]
Dikanteny frantsayOffrande de fruits de voanantsindrana : le peu qu' on trouve, on s' en sert pour honorer les parents. [2.415 #76]
Fanazavana frantsaySe disait des petits sacrifices offerts aux Vazimba et aux esprits dont on voulait s'attirer les faveurs : on offre le peu qu' on a. [2.415 #76]

Ohabolana 38Izay miantso ny hafa manalina andro, fa ny havana tsy antsoina no manoina. [2.415 #1085]
Miantso ny hafa manalin' andro, ary ny havana tsy antsoina no manoina. [2.415]
Sasatra miantso ny hafa, ka ny havan-tsy antsoina no avy manatona. [2.558 #3861, 2.653 #2880, 2.415]
Dikanteny frantsayCelui qui appelle un étranger perd son temps ; ce sont les parents qu' il n' a pas appelés, qui répondent à l' appel. [2.415 #1085]
On s' est fatigué à appeler des étrangers et ce sont les parents qu' on n' appelait pas qui sont venus. [2.415 #5228]
Fanazavana frantsayLes parents valent mieux que les plus intimes amis ; ces paroles proverbiales sont les paroles de soumission de certains parents du roi Andrianampoinimerina. [2.415 #5228]
Paroles prononcées par certains parents du roi Andrianampoinimerina, qui avaient d' abord refusé leur soumission, mais vinrent ensuite se soumettre en tenant ce langage ; passées en proverbe, elles se disaient de ce qui, dans leurs difficultés, laissaient de côté leurs parents pour faire appel aux étrangers. [2.415]

Ohabolana 39Jaka avy amin-kavana : tsy hanin-kavoky, fa volan-kifanajana. [2.558 #1535]
Toy ny jaka : tsy hanin-kahavoky, fa nofon-kena mitam-pihavanana. [2.415 #5147, 2.653 #3201, 2.165]
Toy ny jaka : tsy hanin-kahavoky, fa volan-kifanajana. [2.558 #4290]
Dikanteny frantsayC' est comme la viande donnée en étrennes au premier jour de l' an : ce n' est pas une nourriture destinée à rassasier, mais c' est un cadeau destiné à entretenir l' amitié. [2.415 #5147]
Pareil au "jaka" : insuffisant pour rassasier, mais suffisant pour conserver ses amis. [2.165]
Fanazavana frantsayLe "jaka" était an morceau de viande dont on se faisait cadeau l' un à l' autre autrefois au moment du "Fandroana" ou fête du Bain, l' ancienne fête nationale malgache. [2.165]

Ohabolana 40Kibo omby havana. [2.415 #1086]
Dikanteny frantsayC'est un grand coeur qui contient ses parents. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui avaient de l' affection pour leurs parents. [2.415 #1086]

Ohabolana 41Lahiantitra lozabe ka tsy mahatsiaro ny soa nataon-kavana. [2.558 #1670]
Lahy antitra lozabe : tsy mahatsiaro ny soa ataon-kavana. [2.653]

Ohabolana 42Lahiantitra manin-kavana: hitsinjo mipetrapendrana, handeha godrogodro lohalika. [2.558 #1675]

Ohabolana 43Lany fatotra amam-pondrana. [2.558 #117, 2.653 #1324]
Lany fatotra amam-pondrana vao nahazo olon-tiana. [2.415 #5274]
Tsy mety raha lany fatotra amam-pondrana. [2.165 #784]
Tsy mety raha lany fatotra amam-pondrana vao alavitin-kavana. [2.558 #4596]
Dikanteny frantsayIl m' a fallu dépenser jusqu' à la dernière corde et la dernière souche pour me faire de véritables amis. [2.415 #5274]
Il ne faut pas tout dépenser, jusqu' à ses dernières économies (ou réserves). [2.165]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à son fils. [2.415 #5274]

Ohabolana 44Lany vary tonga havana, ka ny loha no haotraorina. [2.415 #1089, 2.558 #1746, 2.653 #1335]
Dikanteny frantsaySi un parent ou un ami arrive alors que le riz est épuisé, on se gratte la tête de confusion. [2.415 #1089]
Fanazavana frantsayAllusion à la coutume malgache d' offrir le riz aux visiteurs ; on disait ce proverbe de ceux qui se trouvaient sans ressources lorsqu' ils en avaient le plus besoin. [2.415 #1089]

Ohabolana 45Loza enti-mody ny marina tsy ambara havana. [2.558 #1813]
Loza enti-mody ny rariny tsy ambara havana. [2.415 #1090, 2.653]
Dikanteny frantsayLa vérité qu' on ne communique pas aux parents, c' est un malheur qu' on rapporte chez soi. [2.415 #1090]
Fanazavana frantsayIl faut tout traiter en famille. [2.415 #1090]

Ohabolana 46Mafampana hoatry ny ratsy ataon-kavana. [2.415 #1091]
Mafanafana ohatra ny ratsy ataon-kavana. [2.165, 1.1]
Mafanafana sahala amin' ny latsa ataon-kavana. [2.558 #1829]
Mafanafana sarotra inoana tahaka ny ratsy ataon-kavana. [2.558 #1830]
Mafanafana, toy ny ratsy ataon-kavana. [2.653]
Maharary hoatry ny ratsy ataon-kavana. [2.415 #1091]
Mahararirary, toy ny ratsy ataon-kavana. [2.653 #1409, 2.974 #364]
Fanazavana malagasyRehefa ny havana izay tena tokony hanampy no manisy ratsy dia tena mangidy tokoa fa tsaroan' ny aina ka mafana sy manempotra. [1.1]
Dikanteny frantsayExcessivement sensible, comme les mauvais procédés d’un parent. [2.974 #364]
Pénible comme le mal fait par un parent. [2.415 #1091]
Pénible (litt. assez chaud) comme le mal fait par des parents (ou amis). [2.165]
Fanazavana frantsayOn sent plus vivement les mauvais traitements lorsqu'ils viennent des parents. [2.415 #1091]

Ohabolana 47Mahagaga ny marina, fa ny taim-borontsiloza avy no tsy ambara havana. [2.558 #1841]

Ohabolana 48Mahita anay irery tena ka mandroaka maizim-bolana. [2.558 #1883]
Mahita anay lavi-kavana ka miady mena masoandro. [2.558 #1884]
Mahita anay lavi-kavana, ka miady mena masoandro ; mahita anay irery tena, ka mandroaka anay maizim-bolana. [2.415 #1093, 2.653 #1424]
Sao mahita anay lavi-kavana ka mandroaka mena-masoandro. [2.558]
Sao mahita anay lavi-kavana ka miady mena-masoandro. [2.558]
Dikanteny frantsayQuand on voit que nos parents habitent loin, on nous suscite des procès à l' heure où le soleil est rouge et sur le point de se coucher ; quand on nous voit sans enfants, on nous chasse par une nuit sans lune. [2.415 #1093]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait le malheur des gens sans famille, sans appui ; sens plus général : on profite de nos difficultés pour nous susciter des procès. [2.415 #1093]

Ohabolana 49Maloiloim-pihavanana va hianao? [2.165 #170]
Maloiloim-pihavanana va hianao, no mamoaka teny ratsy aman-kavana. [2.415 #4870, 2.653 #1463]
Maloiloim-pihavanana ve hianao no mamoaka vava ratsy aman-kavana? [2.558 #1937]
Dikanteny frantsayEn avez-vous assez de l' amitié? [2.165]
Vous êtes donc dégoûté de votre parenté que vous la dénigrez ! [2.415 #4870]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui parlaient mal de leurs parents, amis ou associés. [2.415 #4870]

Ohabolana 50Manao ain-kavana. [2.415 #1094]
Dikanteny frantsayVivre aux dépens des siens, c' est manger leur âme et leur vie. [2.415 #1094]

Ohabolana 51Manao voro-mitahy anaka. [2.415 #1096]
Manao voro-mitahy havana. [2.415 #1096]
Dikanteny frantsayFaire comme la poule qui protège sa couvée. [2.415 #1096]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui montraient de l'indulgence et de la partialité pour leurs parents ou amis. [2.415 #1096]

Ohabolana 52Mandrohy moka, mamatotra aloy : izay any ny tena kely enti-mitia havana. [2.653 #1597]
Mandrohy moka, mamatotra aloy : izay an' ny tena kely enti-mitia havana. [2.415 #1097]
Dikanteny frantsayGarrotter un moustique, attacher un moucheron : le peu qu' on a, on s' en sert pour s' attacher les parents. [2.415 #1097]
Fanazavana frantsaySe disait des attentions et petites choses qui prouvent l' affection et entretiennent l'union entre parents. [2.415 #1097]

Ohabolana 53Masoandro be lohataona, ka tsy manan-kasosorana aman' olona. [2.415 #3122]
Masoandro be lohataona, ka tsy manan-kasosorana amin-kavana. [2.415 #3122]
Masoandro be lohataona ka tsy manan-kasosorana amin' olona. [2.558 #144]
Masoandro be lohataona: tsy manan-kasoaorana amin’ olona. [2.653]
Masoandro be lohataona : tsy manan-kasosorana amin' olona. [2.974]
Dikanteny frantsay(C'est comme un) grand soleil de printemps: content de tout et de tous. [2.974 #67]
Soleil du printemps : il apporte du bonheur à tout le monde. [2.415 #3122]
Fanazavana frantsayÉvénement heureux, grand bienfaiteur. [2.415 #3122]

Ohabolana 54Maso mangari-kavana. [2.415 #1099]
Dikanteny frantsayRegarder les parents de travers et les mépriser. [2.415 #1099]

Ohabolana 55Maty tsy alevin-kavana, tahaka ny amboa. [2.558 #2208]
Maty tsy alevin-kavana, toy ny amboa. [2.165 #2136, 2.415 #2873, 2.653 #1667]
Dikanteny frantsayMourir, et ne pas être enterré par ses parents, comme un chien. [2.165]
Mourir sans être enterré par ses parents, c' est mourir comme un chien. [2.415 #2873]

Ohabolana 56Maty tsy atrehin-kavana toy ny adrisa, ka mamikitra ahitra irery. [2.415 #2874]
Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana dia toy ny adrisa, ka mamikitra ahitra irery. [2.165 #384]
Dikanteny frantsayLes hommes cruels meurent sans que leurs parents soient là, comme les sauterelles adultes qui mordent l' herbe seules. [2.165]
Mourir hors de la présence des parents, c' est mourir comme la sauterelle adrisa qui meurt solitaire en se cramponnant à l' herbe. [2.415 #2874]

Ohabolana 57Miala fo aman-kavana, fa ny monina irery zava-tsarotra ; miala fo aman-taona, fa ny oran-ko ritra. [2.415 #1101, 2.653 #1714, 2.558]
Dikanteny frantsaySoyez bien ouvert avec vos parents, car il est dur d'habiter seul ; travaillez de tout coeur à la saison propice, car la pluie cessera et la terre deviendra dure. [2.415]

Ohabolana 58Misorona aman-kavana, ka misento tsy atrehin' olon-tiana. [2.558 #2416]

Ohabolana 59Mitonantonam-poana toy ny hava-nalaina. [2.415 #1105]
Dikanteny frantsayHonteuse comme une parente appelée pour faire le mal. [2.415 #1105]

Ohabolana 60Nahita soa tamin' iza no izaho havana no asian-dratsy ? [2.415 #5457, 2.558 #2658, 2.653 #2021]
Dikanteny frantsayDe qui donc avez-vous reçu des bienfaits, que vous me faites du mal à moi qui suis votre parent ? [2.415 #5457]
Fanazavana frantsayIngratitude envers la famille. [2.415 #5457]

Ohabolana 61Ny adidy efa tsy enti-mirehaka, ny mahaory tsy efan-kavana. [2.558 #2821]

Ohabolana 62Ny ahiahy tsy ihavanana. [2.415 #112, 2.558 #2828, 2.653 #2125, 2.165]
Ny ahiahy tsy mahalala havana. [2.558 #2829]
Ny ahiahy tsy mba nihavanana. [2.415 #1112]
Dikanteny frantsayDéfiance et parenté ne vont pas ensemble. [2.415]
La méfiance empêche l' amitié. [2.165]
Fanazavana frantsayCela rompt l' amitié. [2.415]

Ohabolana 63Ny alahelo ny havana tsy tohan' ny zanaka lasa-davitra. [2.415 #983]
Dikanteny frantsayLe regret des parents accable l' enfant qui est éloigné d' eux. [2.415 #983]
Fanazavana frantsayLa nostalgie des Malgaches était légendaire. [2.415 #983]

Ohabolana 64Ny andriamanjaka tsy mba manan-kavana, tsy manana iray tampo. [2.415 #299]
Dikanteny frantsayLe souverain n' a pas de parents ; il n' a ni frères ni soeurs. [2.415]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina ; le souverain est égal pour tous et appartient à tous. [2.415 #299]

Ohabolana 65Ny boka indray no mahantra: velona, tsy iray trano; maty tsy iray fasana. [2.165 #2030]
Ny boka indray ve no tsy hahantra : velona tsy miray trano aman-kavana, raha maty tsy miray fasana amim-pianakaviana. [2.558 #2923]
Dikanteny frantsayQue les lépreux sont donc malheureux: vivants, il ne partagent pas la maison (de la famille): morts, ils ne partagent pas le tombeau! Les lépreux ne sont pas ensevelis dans le tombeau de famille, mais dans un tombeau à part. [2.165]

Ohabolana 66Ny fahafatesana zara hetra tsy azon-kavana soloana. [2.558 #2943]

Ohabolana 67Ny fangaraka aza mahalevin-drenibe. [2.415 #2319, 2.653 #2213]
Ny fangaraka aza mahalevin-drenibe ka mainka fa ny manan-kavana. [2.558 #2960]
Dikanteny frantsayL' abeille maçonne elle-même enterre sa grand-mère. [2.415 #2319]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas reculer devant les dépenses dans les funérailles : c'était l' usage de dépenser beaucoup ; le proverbe fait allusion à l'insecte piqué par l' abeille maçonne et quelle enfouit sous terre pour servir de nourriture à la larve. [2.415 #2319]

Ohabolana 68Ny fifonana no mendriky ny diso, fa mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena. [2.558 #2980]
Ny fifonana re no hatao, fa diso ; fa mandia ny tany, ka lavo ; miloloha ny lanitra, ka lena ; miara-monina aman-kavana, ka diso amim-pihavanana. [2.653 #2225, 2.415]
Dikanteny frantsayIl ne nous reste qu' à demander pardon, car nous avons été en faute ; en effet quiconque foule la terre, tombe ; quiconque a le ciel au-dessus de sa tête, se mouille ; quiconque demeure avec des parents, peut faillir contre les devoirs de la parenté. [2.415 #6420]
Fanazavana frantsayIl est humain d'errer, il faut savoir reconnaître sa faute. [2.415 #6420]

Ohabolana 69Ny fitiavana no lany ka ny maso no tsy ajery havana. [2.558]

Ohabolana 70Ny fo ratsy tsy ananan-kavana (amoizan' olon-tiana). [2.558 #3013]

Ohabolana 71Ny hanin-kavana tsy niraharahana ny lalan-davitra (sarotra). [2.558 #3027]

Ohabolana 72Ny havana aza hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana. [2.415 #1115, 2.653 #2256]
Ny havana aza mba hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana. [2.165 #587]
Dikanteny frantsayN' oubliez pas vos parents comme on oublie un sac dans lequel il n' y a plus rien. [2.165 #587]
N' oubliez pas vos parents, comme on oublie un sac dont on a retiré le contenu. [2.415 #1115]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui oubliaient leurs parents après en avoir reçu des services. [2.415 #1115]

Ohabolana 73Ny havana ihany no manavangavana. [1.1]
Fanazavana malagasyIlazana ireo havana nanalavitra, na nanaratsy mihitsy aza nony nahazo vahana. [1.1]

Ohabolana 74Ny havana manavangavana, ary ny fanahin' andevo mandevona. [2.415 #300]
Dikanteny frantsayParfois les parents délaissent leur parenté, et les esclaves sont portés à détruire. [2.415 #300]
Fanazavana frantsayConseil d' Andrianampoinimerina à son fils Radama. Proverbe fait d' assonance. [2.415 #300]

Ohabolana 75Ny herim-pihavanana : ny havana havana ihany, tsy efan' olona afa-tsy ny havana. [2.415 #1118]
Dikanteny frantsayTelle est la force de la parenté : les parents seuls sont parents, on n' est tiré d'affaire et délivré que par les parents. [2.415 #1118]
Fanazavana frantsayPersonne ne montre un dévouement égal à celui des parents. [2.415 #1118]

Ohabolana 76Ny kary aza mifona amin' Andriampatsa mahazo, ka indrindra fa ny havana. [2.415 #1119, 2.653]
Ny kary aza mifona amin' Andriampatsa, mahazo ; ka mainka ny olombelona. [2.415 #662]
Ny kary aza mitsaoka amin' Andriampatsa mahazo, ka indrindra fa ny havana. [2.165 #180]
Dikanteny frantsayMême un chat sauvage demandant (des poissons) à "Andriampatsa" obtient (quelque chose), et à plus forte raison un parent. [2.165]
Un chat sauvage lorsqu' il supplie Andriampatsa, obtient son pardon ; plus forte raison les hommes doivent-ils être pardonnés. [2.415 #662]
Un chat sauvage supplie Andriampatsa et obtient son pardon ; à plus forte raison, des parents qui se repentent et demandent pardon doivent-ils être épargnés. [2.415 #1119]
Fanazavana frantsayAllusion à la légende d' un chat sauvage poursuivi et qui se réfugie dans la maison d' Andriampatsa ; celui-ci touché des supplications du chat, lui sauve la vie. [2.415 #1119]
Paroles proverbiales empruntées à une légende et qu' on disait pour apaiser le souverain ou toute autre personne. [2.415 #662]

Ohabolana 77Ny kibo ananan-kavana, fa ny loha ananan-tompo. [2.415 #5123, 2.653]
Ny kibo ananan-kavana, ny loha ananan-tompo. [2.558 #3044]
Dikanteny frantsayPar le coeur on a des amis, par la tête on a des maîtres. [2.415]
Fanazavana frantsayIl faut aimer les parents et servir les maîtres. [2.415 #5123]

Ohabolana 78Ny lalàna tsy itiavan-kavana ary ny didy tsy ananan-tiana. [2.558 #3067]

Ohabolana 79Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana. [2.558 #3087]

Ohabolana 80Ny mahantra toa ambin' olona, ka tsy mahamena-maso ny havana. [2.558 #3088]

Ohabolana 81Ny maty mihaona aman-kavana, ny velona mihaon-drahateo. [2.558 #3134]

Ohabolana 82Ny ratsy fo tsy manan-kavana. [2.415 #5668]
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana. [2.165 #115]
Dikanteny frantsayCeux qui ont le cœur mauvais, n' ont pas d' amis. [2.165 #115]
Coeur méchant n' a pas d' amis. [2.415]

Ohabolana 83Ny ratsy mampiolonolona tsy hanatona ny havana. [2.415 #3051]
Dikanteny frantsayL' inconduite cause l' isolement et éloigne les parents. [2.415 #3051]

Ohabolana 84Ny sampin-kavia mahay mianjaika ve no niolonolonana aman-kavana. [2.558 #3237]

Ohabolana 85Ny tsara lafin-kavana dia sambatra, ny ratsy lafin-kavana dia sambotra. [2.415 #1122, 2.653 #2514]
Dikanteny frantsayCeux qui appartiennent à une bonne parenté sont heureux ; ceux qui appartiennent à une mauvaise parenté sont malheureux comme des esclaves pris à la guerre. [2.415 #1122]
Fanazavana frantsayCe proverbe, fait d'un jeu de mots entre sambatra et sambotra, disait la puissance du lien familial. [2.415 #1122]

Ohabolana 86Olom-boky tsy manin-kavana, ny efa tsy tia tsy manafatra. [2.558 #3395]

Ohabolana 87Raha manao ka tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa, avelao hivarina amin-tany. [2.165 #667]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo, fa raha miraviravy tanana tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.415 #3967]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo ; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.653 #2688, 2.974]
Raha manao tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa izay miezaka – na tsy ambinina aza – dia mendrika ny hampiana, fa izay mitomoemoe-poana kosa, tsy tokony hokarakaraina. [1.1]
Dikanteny frantsayLe travailleur qui n' a pas de chance doit être secouru, car c' est un parent malheureux ; mais le paresseux, il faut le laisser enterrer sans linceul de soie. [2.415 #3967]
Si le succès ne couronne pas ses efforts, aidez-le, car c’est un frère qui souffre ; mais s’il laisse pendre ses mains dans l’inaction, laissez-le choir. [2.974 #191]
Si quelqu' un travaille, mais sans profit, prêtez-lui, car c' est un malheureux; mais s' il se croise les bras sans rien faire, laissez-le souffrir. [2.165 #667]

Ohabolana 88Raha ny ondrin-dRabetsirava no mitondraka, vohay, fa ondrin-kavana; fa raha ny ondrin-dRainimanira no mitondraka, orosy ny rambony sy ny sofiny. [2.653 #2705]
Raha ny ondrin-dRabetsirava no mitondraka, vohay fa ondrin-kavana, fa raha ny ondrin-dRainimanira, orosy ny rambony sy ny sofiny. [2.558 #3639]

Ohabolana 89Raha revom-potaka, ny rano no manala ; raha revon-teny, ny vava no manala ; raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.415 #4814]
Raha revom-potaka, ny rano no manasa ; raha revom-bava, ny harena no manala. [2.415 #4815]
Raha revom-potaka, rano no manadio azy, raha revon-kabary, ny vava no manala azy, raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.558 #3649]
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, ny vava no manala ; raha revon’ alahelo, ny havana no itarainana. [2.653 #2709, 2.974 #379]
Raha revom-potaka, rano no manala; raha revon-teny, vava no manala; raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.165]
Raha revom-potaka, rano no manasa; raha revon-teny, vava no manala; raha revon' alahelo, havana no itarainana. [1.1]
Fanazavana malagasyFitenenana somary ohabolana enti-milaza fotokevitra iray, dia ny hoe: raha misy mahavoa ny tena dia any amin' ny havana no idodododoana. [1.1]
Dikanteny frantsayC’est l’eau qui vous lave de la boue; c’est la réplique qui nous venge des mauvaises langues ; ce sont les parents qui sont le refuge dans l’affliction. [2.974 #379]
Quand on est couvert de boue, on se lave avec de l' eau; quand on s' est attiré des difficultés par son langage, on s' en tire avec des paroles; et quand on est dans la peine (ou le chagrin), c' est à ses amis (ou parents) qu' on s' adresse. [2.165]
Quand on est plein de boue, on se lave avec de l' eau ; quand on s' est mis dans l' embarras par ses paroles, on s' en tire avec des excuses ; quand on est dans le chagrin on se console en racontant ses peines à ses parents. [2.415 #4814]
Si on s' est couvert de boue, on s' en débarrasse avec de l' eau ; si on s' est mis dans l' embarras par son langage, on s' en tire avec de l' argent. [2.415 #4815]

Ohabolana 90Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manankavana afa-tsy ny maty aho, fa raha tonga ny asa vadi-drano, havako daholo Imamo sy Imerina. [1.1 #57]
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty ; ary raha tonga ny asa vadi-drano, havako daholo Imamo sy Imerina [2.415 #2323, 1.3]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tia tena fatratra izay tsy mahalala na iza na iza rehefa ao anatin' ny fiadanana, nefa kosa midodododo manatona ny hafa rehefa misy mahaporitra. [1.1 #57]
Dikanteny frantsayQuand on a une anguille salée on prétend n' avoir de parents que chez les morts ; mais quand on a un travail de rizière pénible ou une affaire difficile, on se dit parent de tout le pays d' Imamo et d' Imerina. [2.415 #2323]
Fanazavana frantsayDans la prospérité on ne veut partager avec personne et dans le malheur on frappe à toutes les portes. [2.415 #2323]
Dans le bonheur on ne partage avec personne, dans le malheur on frappe à toutes les portes [1.3]

Ohabolana 91Rano fanala kenda, havana fanala henatra. [2.558 #3706]

Ohabolana 92Ranonorana mikotro-dririnina, ka manimba ny tsaramason-kavana. [2.558 #3711]
Ranonorana mikotroka tsy antonontonon-taona, ka manimba ny tsaramason-kavana. [2.415 #39, 2.653 #2760]
Dikanteny frantsayPluie qui s' annonce par des coups de tonnerre à contre-saison : elle abîme les haricots des parents. [2.415 #39]
Fanazavana frantsaySe disait des malheurs imprévus. [2.415 #39]

Ohabolana 93Sakafo mahita havana. [2.415 #1126, 2.558 #3790, 2.653]
Dikanteny frantsayC' est un repas qui rencontre un parent. [2.415 #1126]
Fanazavana frantsaySe disait de ce qui arrive à propos. [2.415 #1126]

Ohabolana 94Saobakaka mamangy havana : ny mpamangy mototra, ny vangiana mototra. [2.558 #3834]

Ohabolana 95Saro-po aman' entana ka ho sola irery, kitoina aman-kavana, ka miherikerika tsy misy mpamangy. [2.558 #251]
Saro-po aman-entana, ka sola irery. [2.653 #2868]

Ohabolana 96Sodokan' ny fitia sakaiza, ka ny havana indray no tsy nizarana henamaso. [2.558 #3914]

Ohabolana 97Tanala mihaza : izay azo kely zaraina aman-kavana. [2.415 #3216, 2.653 #2991]
Dikanteny frantsayTanala qui chasse : le peu qu' il a pris, il le partage avec ses parents. [2.415 #3216]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne sont pas égoïstes. [2.415 #3216]

Ohabolana 98Tanora nolatsain-kavana ka ny angady no atao lava lela. [2.558 #4061]

Ohabolana 99Tantanam-by sy tsofa vy: havana manajary havana. [1.2]
Tantanam-by sy tsofa vy: havana mpanajary havana. [2.165]
Tantanam-by, tsofa vy : havana manajary havana. [2.415 #1132]
Tantanam-by, tsofa vy : havana mpanajary havana. [2.653 #3026]
Tantanam-by, tsofa vy : ny havana mpanazary havana. [2.558 #4074]
Dikanteny anglisyAn iron hammer, an iron saw: friend benefiting friend. [1.2]
Dikanteny frantsayMarteau d' acier et scie d' acier ne doivent pas se nuire : les parents honorent leurs parents. [2.415 #1132]
Un marteau et une lime: deux amis qui s' aident. [2.165 #178]

Ohabolana 100Tenenin-kavana anatrehan' ny maro, ka am-po no marary. [2.558 #4120]
Tenenin-kavana imaso : ka am-po no marary. [2.415 #4893]
Tenenin-kavan-imaso, ka am-po no marary. [2.653 #3074]
Tenenin' olon-kavana imaso dia mampalahelo. [2.165 #1124]
Dikanteny frantsayIl est pénible d' entendre quelqu' un dire devant vous du mal d' un membre de votre famille. [2.165]
Personne en présence de qui on parle mal de ses parents : elle souffre dans son coeur. [2.415]

Ohabolana 101Tenenin-kavana imaso, mampitsivalana atody hao. [2.653 #3075]
Tenenin-kavana imaso : mampitsivalana ny atodi-hao. [2.558 #4120, 2.415]
Dikanteny frantsayPersonne en présence de qui on parle mal de ses parents : cela met en travers les oeufs de ses poux. [2.415]
Fanazavana frantsayC' est l'affliger. [2.415 #4892]

Ohabolana 102Tsy ambara havana izay fanao laro no mahamety azy. [2.415 #1338]
Dikanteny frantsayLe nom qui lui convient c' est le surnom de la plante taimborontsiloza dont la cendre est employée pour donner du goût au tabac : on l' appelle celle qui ne se montre pas aux siens. [2.415 #1338]
Fanazavana frantsaySe disait des gens aimables en dehors de chez eux, mais détestables dans leur intérieur. [2.415 #1338]

Ohabolana 103Tsy mety raha hanao sambo-miondrika aman-kavana. [2.558]

Ohabolana 104Tsy mety raha manao tsidi-pahitra aman-kavana. [2.558 #4625]

Ohabolana 105Tsy mety raha mitsoka anjombona aman-kavana. [2.558 #4653]

Ohabolana 106Vava aman-kavana ka ny mahefa be no manenina. [2.558 #4898]

Fizahan-teny