Fizahan-teny

Ohabolana : ihaonana

Ohabolana 1Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro hihaonana; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana. [2.165]
Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana. [2.415 #3097]
Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro ihaonana. [2.558 #545]
Aza masoandro ririnina ka vao mihaona dia manjombona. [2.558 #702]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le soleil d' hiver qui est couvert lorsqu'on le rencontre mais faites comme le soleil de printemps qui apporte la joie. [2.415 #3097]
Quand on vous rencontre, n' ayez pas un visage sombre tel un soleil d' hiver, mais ayez plutôt un visage gai comme le brillant soleil du printemps. [2.165 #1259]
Fanazavana frantsayEntretenez la joie. [2.415 #3097]

Ohabolana 2Ny andro iray ihaonana toy ny andro zato. [2.165 #245, 2.558 #2882, 2.653 #2166]
Dikanteny frantsayUn jour où l' on se rencontre (entre amis) en vaut cent (où l' on ne se voit pas). [2.165 #245]

Fizahan-teny