Fizahan-teny

Ohabolana : irain-jehy

Ohabolana 1Andevolahy diso fanam-bomanga, ka misy irain-jehy ny tendany sy manavandra ny taimasony. [2.415 #534]
Andevolahy diso fanambomanga: manavandra ny taimasony. [2.653 #174]
Andevolahy tsy mahatratra fanam-bomanga, ka misy irain-jehy ny tendany sy manavandra ny taimasony. [2.415 #534]
Andevolahy tsy nahatratra fanam-bomanga, ka misy irain-jehy ny tendany. [2.653 #197]
Dikanteny frantsayEsclave qui manque la distribution des patates : son gosier est long d' un empan et les chassies de ses yeux tombent comme la grêle. [2.415 #534]
Fanazavana frantsaySe disait des gens en retard et désappointés. [2.415 #534]

Ohabolana 2Izay miaritra ny mangidy voantondro dia hahazo ny mamy irain-jehy. [2.415]
Dikanteny frantsayCeux qui savent supporter un doigt d' amertume, trouveront un empan de douceur. [2.415 #5269]
Fanazavana frantsayLa constance et la peine sont récompensées, et après l' amer vient le doux. [2.415 #5269]

Ohabolana 3Tandrok' osy ka tsy ampy vehana akory dia miolaka. [2.558 #4038]
Toy ny tandrok' ondrilahy : tsy ampy vehana akory dia miolaka. [2.558 #4331]
Toy ny tandrok' ondrilahy : tsy mbola lasa irain-jehy akory, dia miolana. [2.415 #5344, 2.653 #3233]
Dikanteny frantsayC' est comme les cornes des béliers : avant d' atteindre un empan de longueur, elles se tordent. [2.415 #5344]
Fanazavana frantsaySe dit des gens qui ne tardent pas à se dédire et à retirer leur parole. [2.415 #5344]

Ohabolana 4Tsy mahaleo ny mangidy voatondro, dia tsy hahazo ny mamy irain-jehy. [2.415 #2755]
Dikanteny frantsayIl faut savoir supporter un doigt d' amertume pour gagner un empan de douceur. [2.415]
Fanazavana frantsayOn n'a rien sans peine. [2.415 #2917]

Fizahan-teny