Fizahan-teny

Ohabolana : iraisana

Ohabolana 1Anamamy no iraisana, ka beroberoka no isarahana. [1.3, 2.558, 1.1]
Anamamy no niraisana, ka beroberoka no isarahana. [2.415 #3451]
Anamamy no niraisana, ka beroberoka no nisarahana. [2.653 #157, 2.165]
Aza dia anamamy no iraisana, ka beroberoka no isarahana. [2.558 #431]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fifankatiavana tsara fanomboka fa niafara tamin' ny ady. [1.1]
Dikanteny frantsayDes herbes potagères (douces) unissaient, et des laiterons ont séparé. [2.165]
Salade douce au commencement de l' union, herbe amère quand on se sépare. [2.415 #3451]
Fanazavana frantsaySe disait des amitiés, alliances qui ont commencé par des rapports agréables et fini par des querelles amères. [2.415 #3451]
Se disait des amitiés ou alliances qui finissent par des querelles. [2.415 #3451]
Se dit des amitiés qui ont commencé agréablement et fini par des querelles amères. [2.165]

Ohabolana 2Aza mila voatsiary ka mangata-pary iray vany. [2.558 #777]
Aza mila voa tsy ary: mangata-pary iray vany ka mitady izay tsy hiraisana. [2.165 #300]
Mila voatsiary, mangata-pary iray vany, ka mitady izay tsy hihavanana. [2.558 #2341, 2.653]
Dikanteny frantsayNe demandez pas l' impossible: (comme de) demander un morceau de canne à sucre (à celui qui n' en a qu' un lui-même) et chercher ainsi querelle (litt. la séparation). [2.165]

Ohabolana 3Aza misaosao manan-katina fa jiafotsy no iraisana. [2.415 #6278, 2.558 #775, 2.653 #641]
Dikanteny frantsayLorsque vous avez la gale, ne faites pas du frou-frou, car vous êtes vêtu d' un tissu de raphia dont le frôlement met à nu les boutons. [2.415 #6278]
Fanazavana frantsaySi vous avez des torts, ne vous mêlez pas de reprendre les autres, car on vous ferait sentir vos torts. [2.415 #6278]

Ohabolana 4Kitsangana sy avoko ka tanety no iraisana. [2.558 #1657]
Kitsangana sy avoko: tanety no iraisana. [2.653 #1274, 1.1]
Fanazavana malagasyMisy olona samy hafa be na ny toetrany na ny fihetsiny nefa mazàna hita miara-mitoetra eny. [1.1]

Ohabolana 5Masombika manambady hova: ñy traño, iraisana, fa ñy zaka, samby hafa. [2.165]
Masombika nanambady Hova : ny trano iraisana fa ny fizakana samy hafa. [1.147 #M90]
Fanazavana malagasyMasombika (zazamanga) manambady Hova: ny trano no iraisana, fa ny fiteny samy hafa. [2.165]

Ohabolana 6Maso sy orona, ka alahelo no iraisana. [2.165 #256]
Dikanteny frantsayLes yeux et le nez, c' est le chagrin qui les rapproche. [2.165 #256]

Ohabolana 7Menaka sy taim-piraka : ny vilany no iraisana fa ny tarehy samy hafa. [2.558 #2224, 2.653]

Ohabolana 8Ny iray tsy tia mafana, ary ny iray tsy tia mangatsiaka; ka ataovy marimaritra hiraisana. [2.165 #263]
Dikanteny frantsayL' un n' aime pas chaud, l' autre n' aime pas froid; donc faites tiède pour rester d' accord. [2.165 #263]

Ohabolana 9Papango amam-borona: iray toerana, fa samy hafa faniry. [2.165 #309]
Papango amam-borona, ka ny toerana no iraisana, fa ny faniriana samihafa. [2.415 #854]
Dikanteny frantsayDes papangues (oiseaux de proie) et d' autres oiseaux: ils sont dans le même endroit, mais ils n' ont pas les mêmes désirs. [2.165]
Papangue qui se trouve avec d' autres oiseaux : l' habitation est commune, mais les moeurs sont différentes. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui peuvent être ensemble, mais qui ont chacun leur condition. [2.415 #854]

Ohabolana 10Papango amim-boanjo ka toerana no iraisana. [2.558 #3476]
Papango amim-boanjo : toerana no iraisana. [2.415 #1694, 2.653 #2589]
Dikanteny frantsayOiseau papangue et arachides : ils n' ont de commun que l' habitation. [2.415 #1694]
Fanazavana frantsaySe disait des grands et des petits. [2.415 #1694]

Ohabolana 11Rafara tsy tia mangatsiaka, ka aoka Rafotsiraivo no hanao izay marimaritra iraisana. [2.558 #3697]
Ramatoa tsy tia mahamay, Rafara tsy tia mangatsiaka, dia aoka Rafotsiraivo no hanao izay marimaritra hiraisana. [2.415 #1782, 2.653 #2735]
Dikanteny frantsayL'aînée n' aime pas le chaud, la dernière n' aime pas le froid ; il faut donc que la cadette, pour les mettre d' accord, fasse une température moyenne. [2.415 #1782]

Ohabolana 12Tavolo amin-dambo : ny vohitra iraisana. [1.147 #T51]

Ohabolana 13Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa. [2.165 #314, 2.653]
Dikanteny frantsayUn têtard et un poisson: tous deux sont dans l' eau, mais ils n' ont pas la même forme. [2.165 #314]

Ohabolana 14Tsikovoka sy fandiorano : rano no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy. [2.558 #4430]
Tsikovoka sy fandiorano : volo no iraisana, fa ny fomba samihafa. [2.415]
Tsikovoka sy fandiorano : volo no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy. [2.165 #311, 2.653 #3302, 2.415]
Dikanteny frantsayDytiques et insectes aquatiques fandiorano : ils ont même couleur mais leurs moeurs sont différentes. [2.415]
Un dytique et un gyrin: ils sont de même couleur, mais n' ont pas les mêmes habitudes. [2.165 #311]
Fanazavana frantsayLes conditions des hommes sont différentes. [2.415 #864]

Ohabolana 15Tsy mba ny hofa-lamba iraisana fa ny tsontsori-mamba isarahana. [2.558 #4554]
Tsy ny hofa-lamba iraisana fa ny veloma isarahana. [2.558 #4770]

Fizahan-teny