Fizahan-teny

Ohabolana : ivalozana

Ohabolana Heloka ibabohana mody rariny. [Rajemisa 1985]
Ny heloka ibabohana mody hitsiny; fa ny rariny itompoana mody heloka. [Cousins 1871]
Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka. [Rajemisa 1985]
Ny heloka ibabohana tonga hitsiny; fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [Cousins 1871]
Ny heloka ivalozana mody hitsiny, fa ny rariny itompoana mody heloka. [Veyrières 1913 #6422, Cousins 1871]
Ny heloka ivalozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [Veyrières 1913 #6422, Nicol 1935 #451, Cousins 1871]
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [Houlder 1895 #1103]
Fanazavana malagasy Izay miaiky ny hadisoany dia lefahin' ny olona ny helony, fa izay miziriziry kosa vao mainka omen' ny olona tsiny. [Rajemisa 1985]
Matetika ny fiekena fa diso, izany hoe ny fifonana, dia mahatonga ho afa-keloka. [Rajemisa 1985]
Ny fiekena ny heloka vita dia mendri-pamelana, fa ny tsy fandeferana kosa – na dia manana ny rariny aza ny tena, ka efa miaiky ny hadisoany ny an-kilany – dia tsy fitiavana fihavanana, ka mahatonga ny tena ho melohin' ny olona. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Le crime dont on se repent devient justice, mais la justice dont on se vante devient le pire des crimes. [Nicol 1935]
Une faute dont on se repend, devient une source d' équité ; un droit sur lequel on s' obstine trop, devient une source d' injustice. [Veyrières 1913 #6422]
Une faute dont on se repent devient justice, mais la justice dont on se vante devient une grande faute. [Houlder 1895 #1103]

Fizahan-teny