Fizahan-teny

Ohabolana : kamo

Ohabolana 1Asan’ ilay kamo: indroa amby ny folo no mila-tsafea (an-tsaha) vao misy kely hambolena. [2.653]
Asan’ilay kamo : indroa ambin’ ny folo no milatsaka an-tsaha vao misy kely ambolena. [2.974]
Asan' ilay kamo : indroa ambin' ny folo no milatsaka vao misy kely hambolena. [2.415 #3890]
Dikanteny frantsayTravail de paresseux : il faut qu' il descende douze fois dans son champ pour avoir un lopin de terre à ensemencer. [2.415 #3890]
Travail de paresseux : il lui faut douze voyages à son champ avant de commencer à planter quelque chose. [2.974 #183]

Ohabolana 2Aza kamo, aza mipetra-poana. [2.415 #3892]
Dikanteny frantsayNe soyez pas paresseux, ne vous asseyez pas sans motif. [2.415 #3892]

Ohabolana 3Aza manao kamo be tenda. [2.165]
Tsy mety raha kamo be tenda. [2.415 #3995, 2.558 #296, 2.653 #3418]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas qu' un paresseux soit gourmand. [2.415 #3995]
Ne soyez pas paresseux tout en étant goulu. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens forts et robustes qui mangeaient bien, et ne faisaient rien. [2.415 #3995]

Ohabolana 4Aza manao tahaka any ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany; voky alina, entiko miasa aza izany. [2.653 #506]
Aza manao tahaka an' ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany ; voky alina, entiko miasa aza izany. [2.415 #3901]
Aza manao tahaka ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany, voky alina entiko miasa aza izany. [2.558 #579]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le paresseux quand il est bien repu le jour, il dit : si je pouvais aller au lit avec un tel repas ; et quand il est bien repu la nuit, il dit : si je pouvais aller au travail avec un tel repas. [2.415 #3901]

Ohabolana 5Be faniriana kely fila, vary aloha tsy vatran' ny kamo. [2.558 #890]
Be faniry, kely fila; ny vary aloha tsy ataon' ny kamo. [2.165 #663, 2.653]
Dikanteny frantsayBeaucoup de désirs, peu de courage (au travail); le premier riz n' est pas cultivé par les paresseux. [2.165]

Ohabolana 6Ilaikamo mindram-pangady, ka "aza mahita anie aho". [1.1]
Ilay kamo mindram-pangady; koa, "Aza mahita anie aho" . [2.165]
Ilay kamo nindram-pangady : "Aza mahita anie aho". [2.558 #1402, 2.653 #1116, 2.974 #187]
Lay kamo mindram-pangady, ka aza mahita anie aho, Andriamanitra. [2.415 #3952]
Ny kamo mindram-pangady, ka aza mahita anie aho. [2.415 #3952]
Fanazavana malagasyIlazana olona tsy te hiasa ka mirary ny tsy hahitany angady hiasany, na olona manao alasafay fotsiny ka toa voatery hanao zavatra nefa tsy araka ny fony akory. [1.1]
Dikanteny frantsayLe paresseux emprunte une bêche : puissé-je, dit-il, ne pas en trouver. [2.415 #3952]
Le paresseux qui voudrait emprunter une bêche : " Puissé-je ne pas en trouver ! ". [2.974 #187]
Un paresseux cherchant une bêche à emprunter dit: "Puissé-je n'en pas trouver" . [2.165]
Fanazavana frantsayPrétexte pour ne pas travailler. [2.415 #3952]

Ohabolana 7Ilay kamo mivady: ka ny lahy tsy tia harahara, ny vavy tsy tia vodi-tenona. [2.165]
Ilay kamo mivady : ny lahy tsy tia harahara, ny vavy tsy tia vody tenona. [2.415 #1197, 2.558 #1401, 2.653, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny mpivady roa kamo samy tsy tia asa. [1.1]
Dikanteny frantsayMariage de paresseux : l' homme n' aime pas le manche de bois de la bêche, la femme n' aime pas les traverses de bois du métier à tisser. [2.415 #1197]
Un couple paresseux: le mari n' aime pas la bêche, et la femme n' aime pas le métier à tisser. [2.165]
Fanazavana frantsayOn peut voir par ce proverbe quelles étaient les principales occupations des hommes et des femmes respectivement. [2.165]
Se disait des ménages paresseux. [2.415 #1197]

Ohabolana 8Ilay kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro, ka tafaray samy adala. [2.558 #1400]
Ilay kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa. [2.653 #1114, 2.415]
Dikanteny frantsayMariage de paresseux : l'homme se lève tard, la femme dépense beaucoup pour la nourriture ; deux sots qui se sont unis. [2.415]
Fanazavana frantsayUnion de paresseux conduit à la misère. [2.415 #1196]

Ohabolana 9Kamo lohataona, ka fahavaratra vao mitokiky. [2.558 #1592]

Ohabolana 10Kamo manetsa hianao, ka fararano vao mandry fotsy. [2.558 #1593]

Ohabolana 11Kamo tia torimaso : tsy aretina fa mosavy tenany ihany. [2.558 #1594]

Ohabolana 12Lamba lava tsy an' ny kamo. [2.558 #1695]

Ohabolana 13Lany maina ohatra ny sakafon' ilay kamo. [2.558]
Lany maina, tahaka ny sakafon’ ilay kamo. [2.653 #1329]
Lany maina, tahaky ny sakafon' ilay kamo. [2.415 #3924]
Dikanteny frantsayDépensé inutilement comme la nourriture du paresseux. [2.415 #3924]

Ohabolana 14Mamono volana an-drano, ka milaza andro tsara amin' olona. [2.415]
Mamono volana an-trano, ka milaza andro tsara amin' olona. [2.415]
Mamono volana an-trano toa mpanandro tsy mahay. [2.558]
Mamono volana an-trano toa mpimasy kamo. [2.558]
Dikanteny frantsayDeviner la nouvelle lune sans sortir de la maison et dire aux gens le jour faste ou heureux. [2.415 #128]
Fanazavana frantsaySe disait des astrologues qui au lieu de consulter les astres, restent tranquillement chez eux et font de vaines prédictions ; se disait aussi de ceux qui sous de faux prétextes, manquent la corvée ou d' autres rendez-vous. [2.415 #128]

Ohabolana 15Na vory nofo aza ny sandry, ny kamo ve mba harisika? [2.558 #2778]

Ohabolana 16Na zina aza ny taona, ny kamo ve tsy ho mosarena? [2.558]

Ohabolana 17Ny kamo fandositra : tsy zovy no ho trany, fa ny tena ihany. [2.165 #1169, 2.415 #3951]
Dikanteny frantsayCelui qui est lent à s' enfuir: ce n' est personne que lui qui en souffrira. [2.165]
Lent à fuir : ce n' est pas un autre mais lui qui en souffrira. [2.415]

Ohabolana 18Ny kamo ihany no ho sasatra. [2.165 #716, 2.653]
Dikanteny frantsayIl n' y a que les paresseux qui seront fatigués. [2.165]
Fanazavana frantsayLeur paresse produira des négligences qu' ensuite il leur coûtera beaucoup de réparer. [2.165]

Ohabolana 19Ny mazoto no nambinina ka ny kamo avy koa no milaza ho miandry lahatra. [2.558 #3141]

Ohabolana 20Patsa be ahitra ka tsy vatran' ny kamo. [2.558 #3485]
Patsa be ahitra, ka tsy vatran’ ny olona. [2.415 #4563, 2.653 #2597]
Dikanteny frantsayChevrettes avec beaucoup de débris d' herbe : on n' a pas la patience de les trier avec soin. [2.415 #4563]
Fanazavana frantsayGrand travail et petit profit. [2.415 #4563]

Ohabolana 21Tanimbarin-dRalaikamo : rano fotsy mangeniheny, tsiparifary mandifotra olona. [2.415 #3975]
Tanimbarin' ilay kamo, ka rano fotsy mangeniheny. [2.415 #3974]
Tanimbarin’ ilay kamo : rano fotsy, mangeningenina ; harefo, mahadifotra olona. [2.653 #3010]
Tanimbarin' ilay kamo: rano fotsy mangeningenina; harefo mandifotra olona. [2.165]
Tanimbarin' ilay kamo : rano fotsy no mangeniheny, vohitr' ilay malaina : fandrodahy am-baravarana ihany. [2.558 #261]
Dikanteny frantsayLa rizière d' un paresseux: elle est couverte d' eau stagnante, et de joncs plus hauts qu' un homme. [2.165]
Visitez la rizière du paresseux : c' est un marécage. [2.415 #3974]
Visitez la rizière du paresseux : elle est devenue un marais et les joncs ont la hauteur d' un homme. [2.415 #3975]

Ohabolana 22Tanora kamo ka fosain' izay mahita. [2.558 #4055]

Ohabolana 23Tanora kamo, ka nony antitra : sady lava ahoriana no manilika ny nenina. [2.558 #4054]

Ohabolana 24Toy ny kamo mihinana akondro : Mba maniry va re ny hodiny. [2.558 #4295]
Toy ny kamo nihinana akondro: "Mba maniry va re ny hodiny ?". [2.653 #3205, 2.974 #193]
Dikanteny frantsayComme le paresseux qui a mangé une banane : " Peut-on en planter la peau ? ". [2.974 #193]

Ohabolana 25Tsy misy mora atao, toy ny malemy, nefa aleon' ny kamo matory. [2.558]

Ohabolana 26Vovon' ny kamo : aza matory ohatra ahy. [2.558]

Fizahan-teny