Fizahan-teny

Ohabolana : kapaina

Ohabolana Harahara an-tsefa-bato : ongotana, mafy, kapaina tsy azo; aoka fa kibaiko mipetraka. [Rinara 1974 #1275]
Harahara an-tsefa-bato: ongotana, mafy ; kapaina, tsy azo ; aoka fa kobaiko no mitoetra. [Cousins 1871 #1033]

Ohabolana Monina amoron' ala ka mahita ny mahitsy hokapaina. [Rajemisa 1985]
Raha monina amoron' ala, mahita ny mahitsy hokapaina. [Rinara 1974 #3624]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fa ny fisian' ny tena amin' ny toerana iray dia ahalalana miohatra an' iza na iza izay rehetra mikasika an' io, na koa: izay zatra mifampikasokasoka amin' olona na zavatra maro no mahalala izay tokony hatao. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo, raha kapaina ny vondrona mihetsika ny herana. [Rinara 1974 #3664]
Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo ; raha kapaina ny vondrona, mihetsiketsika ny herana. [Cousins 1871 #2718]

Fizahan-teny