Fizahan-teny

Ohabolana : kifafa

Ohabolana Aza atao hoatry ny kifafa : mipepipepy marain-tsy hariva, ka tsy hita izay rariny hiainana. [Veyrières 1913 #753]
Aza atao ohatra ny kifafa: mipepipepy marain-tay hariva, ka tsy mahita izay rariny hiainana. [Cousins 1871]
Aza atao toy ny kifafa : mipepipepy marain-tsy hariva, nefa tsy mahita izay rariny iainana ihany. [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Ne le traitez pas comme le balai : du matin au soir, il va à droite et à gauche, toujours occupé, sans jamais recevoir un témoignage de satisfaction, sans pouvoir jamais se reposer. [Veyrières 1913 #753]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas accabler de travail les petits sans les encourager. [Veyrières 1913 #753]

Ohabolana Kifafa ka miongana andro, miongana alina. [Rinara 1974 #1648]

Ohabolana Kifafa vao, sady mahadio trano no mampahazoto ny mpifafa. [Rinara 1974 #1649]
Kofafa vao mahadio trano. [Veyrières 1913 #771, Cousins 1871 #1280]
Dikanteny frantsay Il faut un balai pour pouvoir nettoyer la maison. [Veyrières 1913 #771]
Fanazavana frantsay Les grands ont besoin des petits. [Veyrières 1913 #771]

Ohabolana Maty am-panadiovana tahaka ny kifafa. [Rinara 1974 #2199]
Maty am-panadiovana toy ny kifafa. [Houlder 1895 #883]
Dikanteny frantsay Mourir en nettoyant, comme le balai. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Le balai s' use à enlever les ordures. Ainsi font les braves gens. [Houlder 1895]

Fizahan-teny