Fizahan-teny

Ohabolana : kirongo

Ohabolana Hianao baka mahay misisika, izaho kirongo tsy azo hidirana; raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia midiridiry ho amponga aho! [Rinara 1974 #1319]
Hianao baka mahay misisika, izaho korongo tsy azo hidirana : raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [Veyrières 1913 #3468, Cousins 1871 #1058]
Raha mihenjan-ko mahazaka ianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Teny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Vous avez les cornes écartées, propres à donner le coup qui consiste à introduire une corne entre les deux cornes de l' adversaire ; mais moi, j' ai les cornes courbes qui empêchent les vôtres de s' y engager ; si vous prétendez vous raidir comme un câble, je me tends comme un tambour. [Veyrières 1913 #3468]
Fanazavana frantsay Paroles fières ; elles font allusion aux combats Je taureaux : je ne vous crains pas. [Veyrières 1913 #3468]

Ohabolana Raha baka mahay manorirana hianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana. [Houlder 1895 #412, Veyrières 1913 #6379]
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana. [Rajemisa 1985]
Raha baka mahay mihorirana ianao, izaho kirongo tsy azo idirana. [Rajemisa 1985]
Raha baka mahay misisika ianao, izaho kirongo tsy azo idirana. [Rajemisa 1985]
Raha kirongo tsy azo idirana izy dia baka mahay manohana izahay. [Rinara 1974 #3590]
Fanazavana malagasy Teny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Si vous avez des cornes dirigées en dehors et pouvez ainsi donner des coups de côté, moi, par contre, j' ai les cornes tournées en dedans et vous ne pourrez pas entrer. [Houlder 1895]
Si vous avez les cornes en dehors et si vous savez frapper de côté, moi j' ai les cornes en dedans et vous n' entrerez pas. [Veyrières 1913 #6379]
Fanazavana frantsay Allusion aux combats des taureaux. [Houlder 1895]
Allusion aux combats de taureaux. [Veyrières 1913 #6379]

Ohabolana Toy ny tandroky ny haolo: kirongo mahazo; baka mahavoa. [Cousins 1871, Houlder 1895]
Toy ny tandroky ny haolo : Kirongo mahazo sady tsy azo idirana, baka mahavoa sady mahay manohana. [Rinara 1974 #4332]
Dikanteny frantsay Comme les cornes des bœufs sauvages: celles qui sont rentrantes sont solides, et celles qui sont divergentes frappent bien. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Les unes et les autres ont leurs avantages. [Houlder 1895]

Fizahan-teny