Fizahan-teny

Ohabolana : lovia

Ohabolana 1Aza manao fon' ny mpanefy. [2.165 #353, 2.653 #448]
Aza manao fon' ny mpanefy: mikapo-dalitra ambony lovia ka mamoy sasanangy tsy satry. [2.165 #306]
Aza manao fon' ny mpanefy : mikapo-dalitra ambony lovia ka namoy sasanangy. [2.558 #39]
Dikanteny frantsayN' ayez pas le cœur d' un forgeron. [2.165]
Ne soyez pas emporté comme un forgeron: il frappe une mouche sur une assiette (qu' il casse en même temps), et doit donner un franc soixante contre son gré. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. irascible. Pour payer le prix de l' assiette cassée sans raison. [2.165]

Ohabolana 2Dia saotra no atao anareo, mba tsy ho vaky lovia fararano, tsy ho banga nify voka-katsaka, tsy ho tapa-tsalaka vory vahoaka. [2.415 #4124, 2.653 #833]
Dia saotra no atao anareo mba tsy ho vaky vilia fararano, tsy ho banga nify voka-katsaka, tsy ho tapa-tsalaka vory vahoaka. [2.558]
Dikanteny frantsayTous nos souhaits : que vos assiettes ne se brisent pas en automne, que vos dents ne tombent pas à l' époque de la récolte du maïs, que le salaka dont vous ceignez vos reins ne se rompe pas au milieu de la foule. [2.415 #4124]
Fanazavana frantsaySouhaits de prospérité. [2.415 #4124]

Ohabolana 3Loa-bary miangatra, ka ny tsy miasa no feno lovia. [2.415 #3203, 2.653 #1369]
Loa-bary miangatra ka ny tsy miasa no feno vilia. [2.558 #121]
Dikanteny frantsayDistribution partiale de riz : ce sont ceux qui ne travaillent pas, qui ont les assiettes pleines. [2.415 #3203]

Ohabolana 4Manao loa-barin-dRenimpela : ny haka sifotra no feno lovia, fa ny ho any Mantasoa mandeha manaraina. [2.558 #2006, 2.653 #1550]

Ohabolana 5Manao toy ny Bezanozano, ka ny vavy indray no feno lovia. [2.415 #4516, 2.165]
Toy ny Bezanozano, ka ny vehivavy indray no feno vilia. [2.558 #275]
Dikanteny frantsayFaire comme les Bezanozano : ce sont les femmes qui ont les assiettes pleines. [2.415 #4516]
Faire comme les Bezanozano: ce sont les femmes qui ont leurs assiettes pleines. [2.165 #1505]

Ohabolana 6Mitsikitsiky foana toy ny zaza feno lovia : homam-be vao mivanika. [2.415 #1526]
Mitsikitsiky ohatra ny zaza feno vilia : homana be vao mivanika. [2.558]
Mitsikitsiky, toy ny zaza feno lovia : homana be vao mivanika. [2.653]
Dikanteny frantsaySourire comme l' enfant qui a son assiette pleine : c' est quand il mange beaucoup qu' il montre ses dents. [2.415 #1526]
Fanazavana frantsaySe disait des gourmands et aussi de ceux qui ne savaient pas profiter de l' aisance. [2.415 #1526]

Fizahan-teny