Fizahan-teny

Ohabolana : mahary

Ohabolana 1E! Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana. [2.415 #25]
Zanahary nahary tongotra aman-tanana. [2.415 #25]
Dikanteny frantsayÔ Dieu qui nous avez créés, pieds et mains. [2.415]

Ohabolana 2Haitraitra an' olombelona, fa ny didy an' Andriamanitra. [1.1]
Haitraitra an' olombelona, zaka an' ny Nahary, fa Andriamanitra ihany no tompon' ny didy. [2.558 #84]
Haitraitra no an' olombelona, fa ny didy an' Andriamanitra. [2.415 #26]
Haitraitran’ olombelona zaka-Nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy. [2.653, 2.974]
Haitraitr' olombelona, zaka-Nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy. [2.165 #28]
Haitraitr' olombelona zakana Nahary, fa Andriamanitra no mandidy. [2.415 #26]
Fanazavana malagasyFikasana no an' olombelona fa Andriamanitra no mandidy izay zavatra ho tonga. [1.1]
Dikanteny frantsayDieu supporte les caprices de l' homme, car Lui seul gouverne. [2.165 #28]
Le caprice des hommes est sous le contrôle du Créateur, car Dieu seul commande. [2.415 #26]
L’homme propose et Dieu dispose. [2.415 #41, 2.974 #53]

Ohabolana 3Zaza mahary tanàna. [2.415]
Dikanteny frantsayC' est un enfant qui peut courir seul dans le village. [2.415 #1551]

Fizahan-teny