Fizahan-teny

Ohabolana : mahatsiahy

Ohabolana 1Akanga diso ala ka mahatsiahy ny tany nahazatra. [2.558]

Ohabolana 2Rafotsibe no misikina dia mahatsiahy ny andro taloha (fony tanora). [2.558 #3533]

Ohabolana 3Tsy mba hitomany izay faty momoka izahay, ary tsy mba hahatsiaro izay efa lasa. [2.558 #4541]
Tsy mba hitomany ny faty momoka (izahay), ary tsy mba hahatsiahy ny efa lasa. [2.653 #3385]

Ohabolana 4Vantotr' omby minono : tsy homan-doza fa mahatsiahy ny ela. [2.558 #4856]
Vantotr' omby minono tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela. [2.653 #3611, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fanaovan-javatra tsy fahita, izay tsy milaza loza akory fa fahatsiarovana ny fanao fahiny mahamanimanina fotsiny. [1.1]
Indraindray misy zavatra heverina ho toa hafahafa, mandoza, sns..., nefa tsy inona fa fihetsehampo misendaotra. [1.1]

Fizahan-teny