Fizahan-teny

Ohabolana : mahery

Ohabolana 1Adin' amboa : izay mahery no ombana. [2.415 #608, 1.3]
Dikanteny frantsayCombat de chiens : les autres se rangent du côté du plus fort. [2.415 #608]
Lorsque deux chiens se battent, les autres se rangent du côté du plus fort. [1.3]
Fanazavana frantsayOn se met du parti du plus fort. [1.3]
On se range toujours du parti du plus fort. [2.415 #608]

Ohabolana 2Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobena, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobina, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina, ny mahery tsy hobena. [1.1 #780]
Adin' ombilahin’ ny mpianakavy : ny mahery tsy hobena, ny resy, tsy akoraina. [2.653 #17]
Fanazavana malagasyRaha misy olona roa na antokon' olona roa tonta samy tiana mifaninana, izay mandresy aminy tsy tokony hoderaina mihoapampana, ary toraka izany koa, izay resy aminy tsy tokony hoesoina izaitsizy. [1.1 #437]
Raha mpihavana no miady eny amin' ny fitsarana, noho ny fitsimbinana ny fihavanana, dia tsy akoraina izay resy ary tsy hobena izay maharesy. [1.1 #780]

Ohabolana 3Ataovy toy ny sira ny fitondra havana : mahery, tsy mahafola-nify ; malemy, misy hitelemana ; fa ny havana no lelafin-katelina. [2.653 #314]
Ataovy toy ny sira ny fitondrana havana : mahery, tsy mahafola-nify ; malemy, misy hitelemana ; fa ny havana no lelafin-katelina. [2.415 #1053]
Ataovy toy ny sira ny fitondran-kavana : mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana, fa ny havana no lelafin-katelina. [2.558 #338]
Dikanteny frantsayIl en est des rapports avec les parents comme du sel : même s' il y a beaucoup de sel, cela ne casse pas les dents ; s' il y en a une juste dose, on avale avec plaisir, car les parents sont aimés et chéris. [2.415 #1053]

Ohabolana 4Aza atao resy momba mahery. [2.558 #34]
Aza atao resy momba ny mahery. [2.165 #351, 2.415 #619]
Dikanteny frantsayNe dites pas : c' est un vaincu qui suit son vainqueur. [2.415 #619]
Que les forts auxquels je me suis attaché ne me laissent pas être battu. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des mauvais traitements infligés par les chefs. [2.415 #619]

Ohabolana 5Aza mahery an-drano. [2.415 #873]
Dikanteny frantsayNe soyez pas dur et cruel envers les vôtres dans la maison, et mou et lâche au-dehors envers les étrangers. [2.415 #873]

Ohabolana 6Aza manenjika ny osa fandrao mba sehatry ny mahery. [2.558 #675]

Ohabolana 7Fanafodin' ny mahery : mibaboka; fanafodin' ny osa : mifona. [2.558 #1070]
Fanafodin' ny mahery, mivalo; fanafodin' ny osa, mifona. [2.165]
Fanafodin’ ny mahery, mivalo; fanafodin’ ny osa, mifona: tsy hambom-pon’ ny fahatanjahana, fa ny tena ihany no ho trany. [2.653]
Dikanteny frantsayLe remède des forts (quand ils sont en faute), c' est de demander grâce; le remède des faibles, c' est de demander pardon. [2.165 #1106]

Ohabolana 8Izay mahery, voanjomanga ; izay osa, tanalahy. [2.415 #3680]
Dikanteny frantsayCeux qui seront vainqueurs seront estimés comme les arachides tachetées, et ceux qui seront vaincus seront regardés comme des caméléons battus. [2.415 #3680]
Fanazavana frantsayChant d' enfants : il s'agit des vaillants et des paresseux. [2.415 #3680]

Ohabolana 9Jiolahy miady an' efitra ka izay mahery, milaza amin' Andriana. [2.558]
Jiolahy miady an' efitra, ka izay mahery milaza amin' ny andriana. [2.165 #1077, 2.415 #4288]
Dikanteny frantsayDes brigands qui se battent dans un désert: ceux qui sont les plus forts vont parler au souverain, des misérables qui les ont attaqués, afin de les faire punir. [2.165]
Des brigands se battent dans un lieu désert : ceux qui triomphent vont parler au souverain. [2.415 #4288]
Fanazavana frantsayCe n' est pas bête! [2.165]
Ils vont dénoncer les autres. [2.415 #4288]

Ohabolana 10Lehilahy mahery mihosy, vehivavy mahery manetsa : ka sady voky ny ankizy no tsy ory ny lehibe. [2.558]
Lehilahy mahery mihosy, vehivavy mateti-panetsa : manao ny hahavoky ny ankizy. [2.415 #1283, 2.653 #1363]
Dikanteny frantsayHomme qui remue bien la terre de ses rizières, femme qui transplante bien le riz : ils nourrissent bien leurs enfants. [2.415 #1283]
Fanazavana frantsaySe disait des ménages laborieux. [2.415 #1311]

Ohabolana 11Mahantra lahy : fa mahery tsy ambinim-babo : malemy fanahy tsy misy mpankasitraka ; manao soa tsy manana mpilaza. [2.653 #1408]
Mahantra lahy fa mahery tsy ambinim-babo, malemy fanahy tsy misy mpankasitraka, manao soa tsy misy mpilaza. [2.558 #124]

Ohabolana 12Mahery an-drano, tahaka ny mpamono vady. [2.653 #1416]
Mahery an-trano hoatry ny lehilahy mpamono vady. [2.415]
Mahery an-trano ohatra ny mpamono vady. [2.558]
Mahery an-trano tahaky ny mpamono vady. [2.415]
Dikanteny frantsayDur et cruel envers les siens comme un mari qui bat sa femme. [2.415 #1289]
Fanazavana frantsaySens général : dur envers les siens et timide envers les autres. [2.415 #1289]

Ohabolana 13Mahery an-tanin' olona hoatry ny sakay. [2.415 #642]
Mahery an-tanin’ olona, ohatra ny sakay. [2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayFort sur le terrain d' autrui comme le piment. [2.415 #642]
Fanazavana frantsaySe disait des grands qui se croyaient tout permis, et aussi des prétentieux sans influence. [2.415 #642]

Ohabolana 14Mahery tsy maody tsy ela velona. [2.415 #6289, 2.558 #1875, 1.1]
Mahery tsy maody tsy mba ela velona. [2.165 #1150, 2.653 #1419]
Ny mahery tsy maody tsy ela velona. [1.1]
Raha mahery tsy maody tsy ela velona, osa mahira-tsaina, saro-bonoina. [2.558 #3605]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa na matanjaka aza ianao nefa tsy malina dia mety tsy ho ela velona. [1.1]
Tokony hitandrina sy ho malina ny matanjaka sao sendra ny tampoka tsy maha-lehilahy. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui est fort mais imprudent ne peut vivre longtemps. [2.415 #6289]
Qui est fort sans être prudent n' aura pas longue vie. [2.165 #1150]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas s'exposer au danger. [2.415 #6289]

Ohabolana 15Miomàna hianareo manana omby, fa ny mahery mandeha aza matin' ny sasany, hoy Rafotsibe maty kary. [2.558 #2358]

Ohabolana 16Ny mahery, torotoro ; ny resy, montsamontsana. [2.415 #3360]
Dikanteny frantsayLe vainqueur est écrasé ; le vaincu est brisé. [2.415 #3360]
Fanazavana frantsaySe disait des procès où celui qui gagne a dû faire beaucoup de dépenses pour réussir, et celui qui perd, outre les dépenses qu' il a dû faire, perd le bien en litige. [2.415 #3360]

Ohabolana 17Ny manenjika ny osa, enjehin' ny mahery kosa. [2.415 #2737, 2.165]
Dikanteny frantsayCelui qui persécute les faibles, sera un jour persécuté par les forts. [2.415 #2737]
Ceux qui poursuivent (ou persécutent) les faibles, seront à leur tour poursuivis (ou persécutés) par les forts. [2.165]

Ohabolana 18Ny osa tsy mba saro-po ary ny mahery tsy mba mandefitra. [2.558 #3206]
Ny osa tsy mba saro-po, ny mahery tsy mety handefitra. [2.415 #669, 2.653 #2388]
Dikanteny frantsayLes faibles ne s' emportent pas facilement ; les puissants ne savent pas patienter et endurer. [2.415 #669]

Ohabolana 19Ny saina no tompoin' ny mahery. [2.558 #3233]

Ohabolana 20Ny tola-paditra zava-mahery, fa ny marina mahery kokoa. [2.558 #3309]

Ohabolana 21Raha alakaosy andro mahery izy, dia asorotany hiarenana aho. [2.558 #3547]

Ohabolana 22Toy ny andevolahy miandry faty : izay mahery vava ihany no amboninjato. [2.415 #593, 2.653]
Toy ny andevolahy miandry faty, ka izay mahery vava no lohany. [2.165]
Toy ny ankizilahy miandry faty, ka izay be vava no lohany. [2.558 #4262]
Dikanteny frantsayEsclaves qui veillent un mort : le plus fort en bouche est centenier. [2.415 #593]
Semblables aux esclaves veillant un mort: c' est celui qui parle le plus qui est considéré comme chef. [2.165]
Fanazavana frantsayLes braillards l'emportent. [2.415 #593]
Parce que chez les esclaves il n' y avait ni organisation ni hiérarchie. [2.165]

Ohabolana 23Toy ny rano ny harena, ka tsy izay mahery mantsaka no manam-be, fa izay tsara sinibe. [2.558 #4318]

Ohabolana 24Tsy misy tsy mangala-katsaka, fa izay mipiaka mahery ihany no ren' ny tompony. [2.653, 2.558]

Ohabolana 25Vary manta jinjaina : tsy manampo izay ho faty, fa ny manao no mahery. [2.415 #800]
Vary manta jinjana: tsy manam-po izay ho faty, fa ny manao no mahery. [2.165 #1927, 2.653 #3621]
Vary manta jinjana : tsy manam-po ny ho velona fa ny manao no mahery. [2.558 #315]
Dikanteny frantsayDu riz pas bien mûr qu' on récolte: il ne s' attend pas à mourir, mais le moissonneur est trop fort. [2.165]
Riz vert qu' on coupe : il ne s' attendait pas à mourir, ceux qui le coupent sont les plus forts. [2.415 #800]
Fanazavana frantsaySe disait des petits sous l' entière dépendance des grands. [2.415 #800]

Fizahan-teny