Fizahan-teny

Ohabolana : manampo

Ohabolana 1Ny iray manampo fehin-tongotra, ny iray manampo fehin-tanana. [2.415 #2451]
Dikanteny frantsayL' une désire et espère des anneaux pour les pieds, l'autre des bracelets. [2.415]
Fanazavana frantsayL' une veut une chose, l'autre me autre. [2.415]

Ohabolana 2Tokam-pilana hoatry ny siny : tsy manam-po afa-tsy ny rano. [2.415 #6386]
Tokam-pilana ohatra ny siny: tsy manam-po afa-tsy ny rano. [1.1]
Tokam-pilana toy ny siny, tsy manam-po afa-tsy ny rano. [2.165]
Tokam-pilana, toy ny siny : tsy manan-po afa-tsy ny rano. [2.653 #3106]
Tokam-po ohatra ny siny, ka tsy manam-po afa-tsy rano. [2.558]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tsy manan-javatra kinendry afa-tsy zavatra toisana. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui ne veut qu' une chose, est comme la cruche destinée seulement à recevoir l' eau. [2.415 #6386]
N' avoir qu' un seul et unique désir, comme la cruche: il ne lui faut que de l' eau. [2.165]

Ohabolana 3Vary manta jinjaina : tsy manampo izay ho faty, fa ny manao no mahery. [2.415 #800]
Vary manta jinjana: tsy manam-po izay ho faty, fa ny manao no mahery. [2.165 #1927, 2.653 #3621]
Vary manta jinjana : tsy manam-po ny ho velona fa ny manao no mahery. [2.558 #315]
Dikanteny frantsayDu riz pas bien mûr qu' on récolte: il ne s' attend pas à mourir, mais le moissonneur est trop fort. [2.165]
Riz vert qu' on coupe : il ne s' attendait pas à mourir, ceux qui le coupent sont les plus forts. [2.415 #800]
Fanazavana frantsaySe disait des petits sous l' entière dépendance des grands. [2.415 #800]

Fizahan-teny