Fizahan-teny

Ohabolana : mandady

Ohabolana Andevon--trova : mandady miditra. [Samson 1965 #A63]

Ohabolana Aza adala lava toa valalanamboa: kely mitsipika, lehibe mandady. [Cousins 1871]

Ohabolana Aza mandady hajaina. [Houlder 1895 #799, Rinara 1974 #653]
Dikanteny frantsay Ne vous aplatissez pas quand on vous honore. [Houlder 1895 #799]

Ohabolana Aza mandady miara-komana, hoatry ny mpiandry ratsy. [Veyrières 1913 #4469]
Aza mandady miara-komana, ohatra ny mpiandry ratsy. [Houlder 1895]
Mandady miara-komana toa mpiandry ratsy. [Rinara 1974 #2049]
Dikanteny frantsay Ne vous accroupissez pas pour manger ensemble comme une troupe de bandits. [Houlder 1895 #287]
Ne vous couchez pas à terre en mangeant, comme une troupe de voleurs. [Veyrières 1913 #4469]

Ohabolana Fony tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary! [Rinara 1974 #1195]
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary? [Rajemisa 1985 #25]
Tsy mety raha fony tsimbotry niaraka ihany, ka adrisa vao hifanary. [Houlder 1895]
Tsy mety raha fony tsimbotry niara-nandady, ka rehefa adrisa dia hifandao. [Cousins 1871 #3412]
Tsy mety raha fony tsimbotry niara-nizehozeho, ka nony adrisa hifandao. [Rinara 1974 #4581]
Tsy mety raha tsimbotry niara-nandady, ka nony adrisa àry elatra kosa vao hifandao. [Rinara 1974 #4684]
Fanazavana malagasy Entina hilazana olona nifankatia sy nifanampy fony samy kely – amin' ny lafin-kevitra rehetra – nefa nony lehibe toy ny tsy mifankahalala intsony. [Rajemisa 1985 #989]
Fony samy madinika (oriory) nifankahalala tsara, ka nony mba manana ve dia mody tsy mahalala ny olona niara-niory tamin' ny tena? [Rajemisa 1985 #25]
Dikanteny frantsay Il n' est pas bien de s' entendre quand on est petit pour se séparer (se rejeter) quand on est devenu grand. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Le mot "tsimbotry" désigne la sauterelle "adrisa" quand elle est encore petite. [Houlder 1895]

Ohabolana Kary mihomehy ny vorondolo : ny mandady indray no maneso ny manidina. [Rinara 1974 #1602]
Kary mihomehy vorondolo: ka ny mandady indray no mihomehy ny manidina. [Houlder 1895 #817]
Kary mihomehy vorondolo : ny mandady indray no mihomehy ny manidina. [Cousins 1871 #1234, Nicol 1935 #153]
Dikanteny frantsay Kary riant du hibou; il rampe et se moque de celui qui vole. [Nicol 1935 #153]
Quand un chat sauvage se moque d' un hibou, on a un quadrupède se moquant d' un oiseau. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Ce devrait plutôt être le contraire, semble-t-il. [Houlder 1895]

Ohabolana Lava hadalana hoatry ny valalan' amboa : kely mitsipika, lehibe mandady. [Veyrières 1913 #2082]
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa: kely mitsipaka, lehibe mandady. [Rajemisa 1985]
Lava hadalana, ohatra ny valalan’ amboa: kely mitsipika, lehibe mandady. [Cousins 1871]
Lava hadalana tahaka ny valalan' amboa : kely mitsipika, lehibe mandady. [Rinara 1974 #120]
Fanazavana malagasy Ny adala iray trano na ny samy adala tsy misy mpananatra. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay D' une éternelle sottise comme les sauterelles qu' on appelle sauterelles de chiens : petites elles sautillent, devenues grandes elles rampent. [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay Se disait des gens lourdauds et peu débrouillards. [Veyrières 1913 #2082]

Ohabolana Mandady mora tsy folaka, tana-mihamana tsy voavely. [Samson 1965 #M48]
Tana-mihamana tsy voavely, mandady mora tsy folaka. [Samson 1965 #T33]

Ohabolana Mandady vita, mitsambikim-bila. [Houlder 1895 #2244, Cousins 1871 #1576]
Mandady, vita ; mitsambikim-bilana. [Veyrières 1913 #2951]
Mandady, vita ; mitsambikina, vilana. [Veyrières 1913 #2951]
Dikanteny frantsay Aller prudemment et à tâtons, c' est bien ; sauter, c' est s' exposer à dévier. [Veyrières 1913 #2951]
En rampant, on y arrive; en sautant, on tombe de travers. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Il vaut mieux aller lentement mais sûrement, que d' aller vite et de manquer son but; ou: rien ne sert de courir, il faut partir à temps. [Houlder 1895]
L'homme sage et prudent fait bien les choses, mais celui qui s' écarte du droit chemin, les fait mal. [Veyrières 1913 #2951]

Ohabolana Mitafia lamba, fa trambo no handady aminao. [Veyrières 1913 #6236, Cousins 1871 #1853]
Mitafia lamba fa trambo no handady amin' ny tena. [Rinara 1974 #2430]
Dikanteny frantsay Il faut vous vêtir, car les mille-pattes vont grimper sur vous. [Veyrières 1913 #6236]
Fanazavana frantsay Prenez vos précautions. [Veyrières 1913 #6236]

Ohabolana Nahoana re hianao no mandady hajaina, mitsindroka andrianina, mandoa homan-tsira ? [Veyrières 1913 #652, Rinara 1974 #176, Cousins 1871]
Ny haja maha-andriana, ka aza mitsindroka andrianina, na mandoa homan-tsira. [Rinara 1974 #3023]
Dikanteny frantsay Pourquoi rampez-vous bassement lorsqu' on vous donne des marques d' honneur? pourquoi cherchez-vous votre vie comme les poules, alors qu' on vous traite en noble? pourquoi vomissez-vous lorsque vous goûtez la saveur du sel? [Veyrières 1913 #652]
Fanazavana frantsay Se disait des gens qui se refusent aux honneurs qu' on leur fait. [Veyrières 1913 #652]

Ohabolana Ny manjokojoko aza kapohina, ary ny mandady aza vonoina. [Houlder 1895 #800]
Ny manjokojoko aza kapohina, ny mandady aza vonoina. [Veyrières 1913 #6425, Cousins 1871 #2331, Nicol 1935]
Ny manjokojoko tsy mba fikapoka, ny mandady tsy mba famono. [Rinara 1974 #3122]
Dikanteny frantsay Ne frappez pas ceux qui courbent l' échine, ne tuez pas ceux qui rampent. [Veyrières 1913 #6425]
Ne frappez pas ceux qui sont courbés, et ne battez pas ceux qui rampent. [Houlder 1895]
Ne frappez pas ceux qui sont courbés ; n’écrasez pas ceux qui rampent à terre. [Nicol 1935 #16]
Fanazavana frantsay Il faut pardonner à ceux qui demandent grâce. [Veyrières 1913 #6425]

Ohabolana Tahaka ny valalanamboa : kely mitsipika, lehibe indrindra indrindra. [Rinara 1974 #3985]
Toy ny valalanamboa : kely mitsipika, lehibe mitsipika. [Rinara 1974 #4350]
Valalanamboa : fony kely mitsipika, nony lehibe tsy afa-manidina. [Rinara 1974 #4840]
Valalanamboa, ka lehibe mitsipika, kely mitsipika. [Houlder 1895 #1384]
Valalanamboa: kely, mandady ; antitra, mitsipika. [Cousins 1871 #3601]
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika. [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Les "sauterelles de chien" : jeunes, elles ne savent que sauter; vieilles, elles ne savent que sauter (et non voler). [Houlder 1895]
Les "sauterelles des chiens" : grandes ou petites, elles ne savent que sauter (et non voler). [Houlder 1895 #1384]
Fanazavana frantsay Les "sauterelles de chien" sont des acridiens à très belles couleurs, mais elles sentent mauvais et ne peuvent que se traîner sur le sol. [Houlder 1895]

Ohabolana Tsy mety raha mandady hajaina. [Nicol 1935 #101, Cousins 1871]
Tsy mety raha mandady hajaina, na solafaka ome-hin-tehina. [Rinara 1974 #4628]
Dikanteny frantsay Un homme honoré ne doit pas ramper. [Nicol 1935 #101]

Ohabolana Vahy mandady ny hazo. [Veyrières 1913 #5057]
Dikanteny frantsay Liane qui monte après un arbre. [Veyrières 1913 #5057]
Fanazavana frantsay Se disait des faibles, des parasites, etc... [Veyrières 1913 #5057]

Ohabolana Valala tsy mandady harona. [Veyrières 1913 #1544]
Dikanteny frantsay Sauterelles qui ne peuvent pas grimper pour sortir du panier. [Veyrières 1913 #1544]
Fanazavana frantsay Cette expression se disait des gens faibles comme les femmes et les enfants qui dans une alerte ne pouvaient pas se tirer d'affaire. [Veyrières 1913 #1544]

Ohabolana Voaloboka ka tsy soa mandady amim-bovoka. [Rinara 1974 #4984]

Fizahan-teny