Fizahan-teny

Ohabolana : miadana

Ohabolana 1Aleo miadan-ko reniny, toy izay mitsaraingon-ko vantony. [2.165 #1250, 2.415 #4716, 2.653 #104, 1.1]
Aleo miadan-ko reniny, toy izay mitsatsaingoka ho vantony. [2.558 #132]
Fanazavana malagasyIlazana ny fihetsiky ny tanora raha vao mahita zavatra: tsy mba mandinika firy na milamina toy ny zokiolona. [1.1]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux aller lentement et prendre de la taille (litt. être une vache), que de se presser et rester chétif (litt. n' être qu' une génisse). [2.165]
Il vaut mieux avoir la gravité de la poule que la légèreté frivole du poulet. [2.415 #4716]
Fanazavana frantsaySe disait des paroles bien pesées, et aussi de la dignité de la conduite. [2.415 #4716]

Ohabolana 2Aza maika tsy faingana toa dian' ondry. [2.558 #465, 2.653 #394]
Maika tsy faingana toa dian' ondry. [1.1 #197, 1.1 #559, 2.415 #6168, 2.558 #128]
Maika tsy faingana, toy manao dian’ ondry. [2.653 #1436]
Maika tsy faingana toy ny dian' ondry. [2.165 #1237, 2.653 #1436]
Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana sy maika tsy faingana toa dian' ondry ? [2.558 #181]
Fanazavana malagasyDodona nefa tsy lasa lavitra akory. [1.1 #559]
Enti-milaza olona miseho ho dodona erý nefa tsy hita izay afany. [1.1 #197]
Dikanteny frantsayÊtre pressé mais ne pas aller vite, comme des moutons en marche. [2.165]
Faire comme les moutons qui vont lentement tout en se pressant. [2.415 #6168]
Fanazavana frantsayPlus on se presse, moins on avance, parce qu' on fait mal les choses. [2.415 #6168]

Ohabolana 3Malahelo tsy arahin' olon-trosa, ka miantsena miadana ihany. [2.558 #1923]

Ohabolana 4Mandeha miadana toy ny dian' andriana. [2.415 #4013]
Dikanteny frantsayMarcher lentement comme le cortège royal. [2.415 #4013]
Fanazavana frantsayQuand le souverain allait en voyage il était accompagné d' un grand cortège qui embarrassait la marche. [2.415 #4013]

Ohabolana 5Miadana ory tahaka ny ankizilahy homan-kerotra. [2.558 #2230]
Miadana ory, toy ny andevolahy homan-kerotra. [2.415 #567, 2.653 #1705]
Dikanteny frantsaySe réjouir dans le malheur comme un esclave qui mange de la crème. [2.415 #567]
Fanazavana frantsayLes malheureux eux-mêmes ont parfois de bonnes choses ; il ne faut pas se décourager dans le malheur. [2.415 #567]

Ohabolana 6Mihazakazaka tratran' ny miadana. [1.1]
Mihazakazaka tratry ny miadana. [2.415 #6174]
Mihevera tsara sao mihazakazaka tratry ny miadana. [2.558 #2323]
Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana? [2.165 #674, 2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona mirotoroto foana na maimay fotsiny fa tsy mahatozo ka tratran' ny mandeha milamina tsy miriodriotra firy. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui court est souvent atteint et même dépassé par celui qui va lentement. [2.415 #6174]
Comment se fait-il que ceux qui courent soient rattrapés par ceux qui vont lentement? [2.165]
Fanazavana frantsayCelui qui se presse trop, fait mal sa besogne et est obligé de recommencer. [2.415 #6174]
Comme dans la fable du lièvre et de la tortue. [2.165]

Ohabolana 7Ny mahantra tsy ananan' olon-trosa : miantsena miadana ihany. [2.558 #3089]

Ohabolana 8Ny mihazakazaka mahafeno harona, tsy mahaleo ny miadana ambinina. [2.558 #3147]
Ny mihazakazaka tsy mahafeno harona, tsy mahaleo ny miadana ambininy. [2.165 #1246, 2.415 #6190]
Dikanteny frantsayCelui qui court sans réussir à remplir son panier est inférieur à celui qui y va lentement mais qui a de la chance. [2.165]
Courir sans arriver à remplir le panier, ne vaut pas marcher longtemps et avoir de la chance. [2.415 #6190]

Ohabolana 9Raha mpivady mikorontan-dava, aza mihambo miadana, fa lainga. [2.558 #3629]

Ohabolana 10Salasala toa mpantsaka tratr' orana : miadana, toa miandry loza ; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.415 #791]
Salasala toy ny mpantsaka tratr' orana: miadana, toa miandry ny loza; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.165 #988]
Salasala toy ny olona mantsaka tratr' orana : mandeha mora toa miandry loza, mihazakazaka toa maninana ny lanitra. [2.558 #3819]
Salasala, toy ny olona mantsaka tratr’ orana: miadana, toa miandry loza ; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.653 #2851]
Dikanteny frantsayIndécis comme le porteur d' eau surpris par la pluie : s' il va lentement, il s' expose au malheur ; s' il court, il a l' air de rivaliser avec le ciel. [2.415 #791]
Qui ne sait trop que faire comme un porteur d' eau atteint par la pluie; s' il continue à marcher lentement, il semble attendre le malheur; mais s' il se met à courir, il paraît vouloir rivaliser avec le ciel. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui étaient chez les seigneurs ou les chefs et ne savaient comment faire pour les contenter ; et aussi des gens perplexes qui ne savent comment faire parce qu'ils ont toujours tort. [2.415 #791]

Ohabolana 11Varo-bomanga-dRenisoa : enti-mihazakazaka poritra, enti-miadana tsy mahatratra tsena. [2.558]
Varo-bomanga-dRenisoa : enti-mihazakazaka, poritra ; entina miadana, tsy mahatratra tsena. [2.415]
Varo-bomangan-dRenisoa : enti-mihazakazaka, poritra ; entina miadana, tsy mahatratra tsena. [2.653 #3628]
Fanazavana frantsayRenisoa est marchande de patates : si elle les porte au marché en courant, elle les écrase ; si elle les porte doucement, elle manque le marché. [2.415 #5836]

Fizahan-teny