Fizahan-teny

Ohabolana : midiridiry

Ohabolana 1Hianao baka mahay misisika, izaho kirongo tsy azo hidirana; raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia midiridiry ho amponga aho! [2.558 #1319]
Hianao baka mahay misisika, izaho korongo tsy azo hidirana : raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [2.415 #3468, 2.653 #1058]
Raha mihenjan-ko mahazaka ianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [1.1]
Fanazavana malagasyTeny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [1.1]
Dikanteny frantsayVous avez les cornes écartées, propres à donner le coup qui consiste à introduire une corne entre les deux cornes de l' adversaire ; mais moi, j' ai les cornes courbes qui empêchent les vôtres de s' y engager ; si vous prétendez vous raidir comme un câble, je me tends comme un tambour. [2.415 #3468]
Fanazavana frantsayParoles fières ; elles font allusion aux combats Je taureaux : je ne vous crains pas. [2.415 #3468]

Ohabolana 2Moana no tezitra ka sady mikapakapa ny tanana no midiridiry ny maso ary ny vava mikiakiaka dia manginy ihany. [2.558]

Fizahan-teny