Fizahan-teny

Ohabolana : mifampiarahaba

Ohabolana 1Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra. [1.1]
Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra, tonga tsy mifampiarahaba naman' ny sosotra. [1.1]
Fanazavana malagasyAraka ny lalàn' ny fihavanana malagasy, ny fiarahabana sy ny fanaovambeloma dia tsy maintsy atao raha mbola tsy tapaka akory ny fihavanana. [1.1]

Ohabolana 2Zavarin’ ny fitia manan-tombo: intelo no mifampiarahaba. [2.653 #3770]
Zavarin' ny fitia manan-tombo ka intelo no miarahaba. [2.165 #188]
Zavarin' ny fitia manan-tombo, ka intelo no mifampiarahaba. [2.558 #5085, 2.415]
Zavarin' ny fitia manan-tombo, ka mifampiarahaba kely matetika. [2.415]
Dikanteny frantsayAvoir trop d' affection et saluer par trois fois. [2.165 #188]
Entraîné par un amour de prédilection, on se dit souvent de petits bonjours. [2.415 #5518]

Fizahan-teny